Tantara sy Kolontsaina: « Ambaniandro tsy mila kisa fa sarotiny ! »

Publié le Mis à jour le

Tsy toeratoeram-poana io Rovan’Antananarivo io. Moa tsy izany indrindra no mahataitaitra izay Filohan’ny Repoblika nifandimby mba mikisikisina aminy, na dia dradraina aza fa efa «Fanjakana repoblikana» (!) izao ? Ka rehefa tsy toeratoeram-poana, aoka hajaina ny fomba nitondran’ny Razana azy fa tsy hamoromporona zavatra manafintohina sady mampandainga ny Tantara. Ny Rova, averina ihany, tsy trano sy lapa fotsiny, fa fasana indrindra koa. Misy razan’ny Andriamanjaka nafenina (fa izany no fombam-pitenenana amin’ny Andriamanjaka) ao, ary mbola misy taranaka velona ankehitriny.


Tsy azo tsotsorina fotsiny hoe «Mozea» io sisa fa tsy Rovan’ny Andriana intsony. Gallieni no nanafoana ny Fanjakan’Andriana ary nandefa an-tsesi-tany ny Mpanjaka Ranavalona III, ny alin’ny 28 febroary 1897. Saingy, fantatr’ i Gallieni tsara fa tsy inona izay taratasy miohatra amin’ny Tantara an-jaton-taona maro tsy ho voafafa am-po sy an-tsaina anaty indray mi-pimaso. Izany no nanafongarany ireo Razana rehetra tao amin’ny Fitomiandalan’ Antananarivo (Andrianjaka sy Andriamasinavalona no fantatra indrindra), ny tany Ambohimanga (Andrianampoinimerina sy Ranavalona I ary Ranavalona II no fantatra indrindra), ary ny tao Ilafy (Radama II), ka io nakisany nianavaratra io ny Fitomiandalana tamin’ny 14 marsa 1897. Na nafindra aza anefa ny Masina (fa izany no fomban-tany fiantsoana azy), na nodorana aza ny Rova, misy vovok’Andriamasinavalona sy ny taranany ao Anatirovan’Antananarivo. Tamin’ny 31 oktobra 1938, rehefa nampodiana an-Tanindrazana ny taolambalon-dRanavalona III izay niamboho tany Alger ny taona 1917, dia nakarina ihany koa tao Anatirova. Ny gazety tamin’izany andro izany dia samy nampisongadina fa tomefy olona ny lagara Soarano sy ny lalana nolalovan’ny Razana hatrany Anatirova. Vahoaka tonga nanome haja farany ny Mpanjakany, nahatsiaro sady nanembona ny Tantara, na nisy Gallieni na tsy nisy Gallieni, na Repoblika na tsy Repoblika.

Rehefa may ny Rova, tamin’ny 6 novambra 1995, ny taranaka (Jaky Mena) no nandray an-tanana ny fanarenana ny Fasana. Tahaka ny maha-sarotiny ny fianakaviana malagasy rehetra amin’ny fasan-drazany. «Colisée» nambolena Anatirova ary nanariana ny fototry ny lapa Masoandro, izay vato fehizoro nalatsak’i Ranavalona III. Tranovola sy Manampisoa atao «parpaings». Samy miandry isika izay mbola ho atao «3D plastika», ho fanafintohinana fara-tampony. Raha ny fanazimbana, tsy ambakan’i Gallieni izay mpanao ankasomparana ankehitriny. Aoka tsy ho tsotsorina fotsiny ihany koa izay hanaovana ny Lapan’ i Manjakamiadana sy izay zavatra ho aranty amin’izay mozea kasaina ho ao.

Raha tsy hoe hifaninana amin’i Gallieni izay nanao tranon-taolam-biby (dinosaure, aepyornis, ets.) an’i Manjakamiadana. Rova eto Imerina io Rova io. Tao no niaina ireo Mpanjaka merina nanaraka ny sori-dalan’ny «Ranomasina no valam-paria». Iaraha-mahalala fa amin’ny faritra maro any Anindran-tany dia misy toerana lazaina fa «fady Ambaniandro» noho ny alahelo navelan’ny tafika tamin’ny taonjato faha-19. Ny Ambaniandro tsy mila kisa amin’izany ka maninona ny Rova aty amin’ny Ambaniandro no hanafangaroana vakoka tsy azy, tahaka izay efa safobemantsina ao amin’ny Rovan’Ilafy ? Ny any Antemoro ve hanaiky, ny any an-tSakalava ve hankatò, raha terena haiditra amin’ny toerana saro-pady any ny zavatra avy aty Imerina ? Aleo ny isam-paritra hirehareha amin’ny vakoka tena azy, ka hananganana mozea isam-paritra : raha any Betsileo aza asiana tantaran’Antsihanaka, raha any Antsihanaka, aza laroina tantara betsileo. Raha mamangy an-dRamitraho aho, aoka tsy Radama no ho tantaraina amiko, na dia mety tsy maintsy hamisavisa an’i Vakinisisaony ihany aza…

Ny fanandratana ny maha-izy isam-paritra dia antoky ny firaisam-pirenena. Ahoana moa no hanajako ny an’ny hafa, raha tsy fantratro ny ahy ary omen-kasina ? Tsy fambolena adim-poko, tsy fanavakavahana, fa haintsika rehetra ny fiaraha-monina eto Madagasikara. Any Andafy any no mety nanary ny maha samy hafa azy isam-paritra, na niniana nokosehina mihitsy aza, sanatria henatra. Eto anivon’ny riaka, mbola fomban-tany ny isam-poko sy isam-pirenena, ary tsy hitako izay maharatsy izany.

VANF lexpress.mg

Laisser un commentaire