15 ôktôbra 1896 – 2022: Rainandriamampandry sy Ratsimamanga

Publié le Mis à jour le

15 ôktôbra 1896 – 2022

FAHATSIAROVANA NY NITIFIRAN’NY MPANJANATANY ny Jeneraly RAINANDRIAMAMPANDRY 16 voninahitra sy ny Printsy RATSIMAMANGA

sary fanehoana: Tsimiamboholahy Omaly sy Anio

Tontosa soa aman-tsara androany ny fametrahana fehezam-boninkazo teny Antaninarenina misy ny tsangambato fahatsiarovana ny nitifirana azy ireo teo akaikin’io toerana io.

Betsaka ny fanehoan-kevitra na fanadihadiana mampitaha ny toetra, ny fahaizana, ny asam-panjakana natao, ny fiainana ankapoben’ny Jeneraly sy ny Printsy mihitsy, hatramin’ny teny Anatirova ka hatreo amin’ny fotoana nitifirana azy ireo. Ary saika mampisongadina lavitra hatrany an-dRainandriamampandry izy ireny.

Tsara ho marihina eto fotsiny fa teraka taona iray izy ireo (1836), nisy fotoana niaraka nianatra, nifanerasera teny Anatirova sy tamin’ny raharaham-panjakana ary dia niaraka notifirina koa !

Ireo; Komity mpikarakara sy Solontenam-pianakaviana  [ankavia: Profesora Ranjatohery Harilala, Rajaonah José Emmanuel -, ankavanana:  Rajaonah Ange A., Ralandison Fenosoa Harivola, Rabezato Andriantsilavo Guy], notronin’reo Solontenan’ny Foko avy any amin’ny Faritra eto amin’ny Nosy.
Efa tany an-tsain’i Galliéni raha vao nigadona kelikely teto hono ny hitsara, hanameloka ho miray tsikombakomba amin’ny Menalamba sy hampitifitra ampahibemaso olona ambony anankiroa (Andriana sy Hova) mba ho anatra sy fampitahorana ho an’ny sisa.

Tsy nisy fihambahambana ny nisafidianany ny Printsy Ratsimamanga, lehiben’ny Zanakandriana, hotifirina. Ny Printsy Ramahatra moa dia isan’ny tena nandentika azy.

Fa ny Hova kosa dia nisalasala : izy na Rasanjy (Tsimahafotsy) na Rainandriamampandry (Tsimiamboholahy). Koa raha nakany hevitra hono ny fonksiônera frantsay iray efa ela teto sady tena nitokisan’i Galliéni dia niteny tahatahaka izao :

« Rasanjy dia olona matim-bola sy voninahitra, vonona hamadika ny tanindrazany amina vola kely ka azontsika ampiasaina amin’izay ilavana azy.

« Rainandriamampandry kosa dia hajain’ny rehetra ary deraiko manokana ny toetrany sy ny fahazotoany miasa ary ny fitiavan-tanindrazana nananany. « C’EST, INCONTESTABLEMENT, LA PLUS BELLE CONSCIENCE DE TOUT LE PAYS« .

« Tsy atahorana intsony i Rainandriamampandry ankehitriny fa efa manaiky ny fandaminana vaovao izay nanendrentsika azy ho minisitry ny Atitany. Nefa koa tsy afaka manantena hafanam-po diso tafahoatra (« zèle éclatant ») na tsikombakomba ilaina (« complaisances nécessaires ») aminy isika.

« Koa raha ny hevitro dia aleo Rasanjy hotendrena Praiminisitra, fa Rainandriamampandry kosa hotifirina« .

Dia iny notifirina iny moa ny Jeneraly Rainandriamampandry 16 voninahitra sy ny Printsy Ratsimamanga ny sabotsy 15 ôktôbra 1896 ! Ramasindrazana anabavin-dRatsimamanga kosa dia nalefa sesitany.

Guy Rabezato

 

Laisser un commentaire