Ireo kandidà ho Filoha nifanazava tamin’ireo Firaisamonimpirenena
« Tany tan-dalàna sy Demokrasia »: nanasongadina ireo tsy fanarahan-dalàna nataon’ny Fitondrana ka nanapotika ny rafi-panjakana rehetra ary nandrava ny fifampitokisana teto amin’ny Firenena ny kandidà Hajo Andrianainarivelo, Filohan’ny Antoko MMM.
« Ho an’ny Fianakaviambe iraisampirenena dia ny « Valim-pifidianana eken’ny rehetra » no adihevitra, fa tsy ny isan’ny mpandray anjara amin’ny fifidianana akory! »