Mampahatsiaro ny andraikitr’i Monja Jaona sy ny fikambanana miafina JINY koa ny MONIMA

Publié le Mis à jour le

29 Martsa 1947 – 29 Martsa 2024:
Fametraham-bonikazo ho fahatsiarovana ireo Raiamandreny namoy ny ainy noho ny fitiava-tanindrazana sy nahazoantsika izao Fahaleovantena sy Fahafahana izao, niarahana tamin’ireo namana eo anivon’ny Plateforme Diovy Madagasikara.
Ny Fiandrianam-pirenena no maha Malagasy ny Malagasy ka maha-saropiaro raha am-pirafesina.

Tsaroana ihany koa ny Raiamandreny Monja Jaona, niketrika-nahandro iny tolo-panafahana iny tamin’ny fananganana ny Fikambanan’ny Miaramila Malagasy afaka tamin’ny ady lehibe faharoa ary nivondrona tao amin’ny Fikambanana miafina Jiny, angady nananana sy vy nahitana ny tolo-panafahana 29 Martsa 1947.

Tsy Voasolo tokoa ny banga navelany, kanefa tsy maintsy miatrika ny tolona takian’ny vaninandro ankehitriny

Laisser un commentaire