Randrianasolo Rivoarison, filohan’ny oniversite : “Hatao vaindohan-draharaha ny fametrahana ny fitoniana”

Publié le

(©newsmada.com)

Napetraka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo, Randrianasolo Rivoarison, sy ireo tomponandraikitra ambony eny Ankatso. Nisy koa ny fandraisana ny fotodrafitrasa nohavaozina, toy ny Amphi ao amin’ny sampam-piofanana momba ny Siansa.

Nambarany amin’ny an­kapobeny ny lalantsaina hanatanterahana ny asa, araka ny andraikitra tandrify ny tsirairay, mifototra amin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa sy ny fananana iombonana, ny fampiakarana ny kalitaon’ny fampianarana ary ny fampiroboroboana ny fikarohana. Ampiarahana amin’ny fametrahana fitondrana tsara tantana ny tanjona rehetra. Nohamafisiny fa tsy hanana fahamarinan-toerana ny asa fampandrosoana tanterahina raha tsy apetraka eo amin’ny Oniversite sy ny firenena ny fitoniana ara-tsosialy maharitra miainga amin’ny tontolo maha olona. Ho an’ny Oni­versiten’Antananarivo manokana, voakasika ao ny toko telo: mpampianatra, mpandraharaha ary ny mpianatra. «Hatao vaindohan-draharaha ny fametrahana ny fitoniana sosialy» mandritra ny taom-piasany. Fiarahamonin’ny resaka, miasa sy mazoto ary fiarahamonin’ny fitakiana no apetraka ka lalantsaina itondrana azy ny fifampiresahana, fifanakalozana sy ny fitadiavana vahaolana hametrahana tontolo milamina. 2 000 ny tomponandraikitra sy mpiasa ao amin’ny Oniversiten’Anta­nanarivo ary 45 000 ny mpianatra mandrato fianarana, isan-taona, amin’ny lalam-piofanana rehetra misy.

65 taona ny Oniversiten’Antananarivo

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, koa ny fanamarihana ny faha-65 taonan’ny Oniversiten’Antananarivo, araka ny fanazavan’ny filo­han’ny komity mpandrindra ny fankalazana. «Firaisankina ao anatin’ny fahasamihafana»
ny teny filamatra amin’ny jobily. Hetsika ara-tsiansa avo lenta, fikaonandoha sy fampirantiana, hetsika ara-panatanjahantena sy ara-kolontsaina, fanolorana mariboninahitra mandritra ny taona no hanamarika ny fankalazana, ny herinandron’ny 15 jona ho avy izao, sady ivon’ny fankala­zana.

(source: Vonjy – newsmada.com)

Laisser un commentaire