Andevo
Ny Maintienindreny teo amin’ny Tantara
Nizara ho toko 4 ny merina dia ny Andriana, ny Hova ary ny Maintienindreny ary ny mpanompo. Arak’izany, hatramin’ny andron’Andrianampoinimerina, ny Maintienindreny TSY MBA ANDEVO.
Nizara ho antoko 3 lehibe indray izy dia: ny Manisotra, taranaka vazimba tao @ vakinisisaony, indrindra fa Ambohijoky, ny Manendy izay mizara ho 2 dia ny Manendianativolo ao avaradrano sy ny Manendianosivola izay ao @ Marovatana; izy ireo dia taranaka vazimba avy @ valalafotsy; ny Tsiarondahy. Ny fonenana notondroin’Andrianampoina ho azy ireo dia Mangarano sy Faliary, Ambohipoloalina ary Manjakaray.
Ity Tsiarondahy dia mitoko 3 indray, dia ny Tandapa, ny Tandonaka ary ny Tsimandoalahy. Ny fonenan’ny Tsiarondahy teto Antananarivo dia Manjakaray sy Ankadinandriana ambany antsinanan’Anatirova sy Ambohipotsy.
Ny Maintienindreny rehetra anefa dia naparitak’Andrianampoina ho @ Imerina rehetra rehefa nandamina an’Imerina 6 toko izy. Noho izy foko 3 lehibe ( Manisotra , Manendy, Tsiarondahy) ary noho ity farany mizara 3 dia izay no nanaovana azy hoe Maintienindreny.
Tamin’ny andron-dRanavalona II dia nampiany ho isan’ny Maintienindreny ny Masombika afrikana izay novotsorana daholo tsy ho andevo tamin’ny 1877.
Ny Hova, ny Manisotra ary ny Manendy dia nakambany @ anaran-tokana hoe “Folovohitra”, nefa ny Tsiarondahy dia navahan’Andrianampoina mihitsy mba hitokana.
– Ny Manisotra izay mpiady mahery fo dia toa izao no filazan’Andrianampoina azy: Nanao kabary lehibe izy tao Amboara hoe:” Indreo ianareo Fanano-Manisotra, fingabe mampitaho-jaza, voarabe manendrika ny saha, vola mainty tsy hanefa trosa: tsy ampy lanja fenoina, raha mihata-maso velezina, lamba be matevina: tezitra enti-misikina, faly enti-sampy; angady lava zarany hamory ny vohon’ny riaka: matoky aho ry Manisotra”
– Mbola nanao kabary ihany izy teo Antsahatsiroa, naveriny teo indray izany teny izany sady nampiany hoe: “Ireo Maintienindreny ireo tsy anolon-droa fa izaho no tompony, ka izany no iantsoako azy eto Antsahatsiroa eto anatrehanareo Ambaniandro rehetra”.
– Mbola nentiny teo Andohalo indray ny vahoaka sy ny Manisotra ka nikabariany hoe: ”efa nizara 6 toko ianareo Imerina ary indro kosa ny Maintienindreny ataoko zanakareo ambanilanitra andrefa ireo Maintienindreny ireo dia zanak’Avaradrano ihany”
– Araka ny voalaza teo aloha ny Tsiarondahy dia misy fihavahany kely ihany 3:
ny Tandapa dia manao ny raharaha ankapobeny momba ny mpanjaka sy ny andriamasinavalona tompombodivona;
ny Tandonaka kosa dia voatokana ho mpiasa mivantana ho an’ny Mpanjaka sy ny andriamasinavalona tompombodivona; ny Tandonaka kosa dia voatokana ho mpiasa mivantana momba ny mpanjaka : mpahandro, mpatsaka, mpanasa lamba etc…
ary ny Tsimandoalahy dia irakiraka. Ny tandonaka dia natao koa hoe Tandapa fotsy, ary ny Tandapa mainty dia izay nantsoina hanao raharahan’Andriana tamin’ny Tsiarondahy, Manisotra ary ny Manendy.
Ny Manisotra anefa no nataon’Andrianampoinimerina ho zokin’izy Maintienindreny rehetra noho izy tena mpady mahery fo.
Ny filoha tena nalaza taminy dia RAMALAZA, RALAHY ary RANOKO. Tamin’ny Mainty matetika no nakan’ny mpanjaka ny olo-mahatoky azy momba ny fiambenana, ny raharaha mikasika ny tenany (sakafo…) sy ny fianakaviany, koa manaraka ny Praiminisitra dia nisy nasandrany ho manamboninahitra ambony ny Mainty.
(source: Dr. Laza Rajamarison)