Antenimiera’ny Raiamandreny sy Foko Malagasy
« Fanalana fady sy Famerenan-kasina ny Firenena »: eo Mahamasina amin’ny 24 Febroary, hoy ny ARFM
« Tsy mbola vita ny ady nataon’ireo Raiamandreny tany aloha sy notohizin’ny 29 Mars 1947, fa mila mamarana azy isika Malagasy tsy ankanavaka », hoy Atoa Noël Rakotondrasoa, Filohan’ny ARFM, mba hiverenan’ny tena Fiandrianana sy ny Hasin’ny Firenena.