Baroa

Raha foana ny Fanjakana, ry Baroa no tompon’ny laka

Publié le

Nisy nitifitra ny fiara nentin’ny Ben’ny Tanàn’ Antananarivo. Misy hiteny hoe tafahoatra raha oharina amin’ny nitifiran’ny sasany ny Kolonely Ratsimandrava, tamin’ny febroary 1975. Ny tiako hisarihana ny saina dia hoe Mpitondra ambony eto amin’ny firenena, satria tsy tsinontsinona izany Lehiben’ny Renivohitr’ i Madagasikara izany, no misy mifofo ny ainy. Simba ny toe-tsaina eto Madagasikara. Nahilika ombieny ombieny, efa am-polo taona maro, ny fianarana sy ny fitaizana ary ny fahalalam-pomba. Ny vola aman-karena no nasandratra ho Andriamanitra kely ivavahana, ka izay fomba rehetra hanangonana vola no imatimatesana : halatra, risoriso, vono olona. Sehatra maro no anjakan’ny vola. Diplaoma hosoka, Fitsarana tsy ara-drariny, Fandriampahalemana sandaina harena.

Ny fanaovana politika indrindra indrindra dia tsikalakalam-bola sisa, ka na tsy manam-pahendrena aza, na tsy manana sombin-pahalalana akory aza, na tsy mandraharaha ny hoe tombontsoa iombonana aza, dia mety ho lany rehefa manan-katao hividianana ambongadiny ny vato. Manodidina ny politika, izay lasa fahefana fotsiny sisa, dia mitana toerana lehibe ny hery : saingy hery miray tsikombakomba amin’ny fanararaotana maro samihafa, sa hery mba tandroka aron’ny vozona itokian’ny vahoaka ? «Ny fanahy no olona», hoy ny Ntaolo. Very anefa ny fanahy, very fanahy ny fiaraha-monina ankehitriny.

Lire la suite »