Emmanuel Rakotovahiny

Nodimandry i Bakomanga, Emmanuel Rakotovahiny, ary ny Jeneraly Sylvain Rabotoarison

Publié le Mis à jour le

Bakomanga sy Fabiola
Bakomanga eo am-perinasa, mizara hafaliana sy fahasambarana !

Samy nanana ny lazany teo amin’ny sehatra nisy azy avy ireto nindaosin’ny fahafatesana ireto, dia ny mpanakanto Bakomanga – Mariette Rasoarinala no tena anarany (67 taona),

ny Praiminisitra teo aloha sy Filoha nasionalin’ny UNDD Emmanuel Rakotovahiny, ary ny Jeneraly Charles Sylvain Rabotoarison izay efa Komandin’ny ZP, nitana Ministera maro sy Filohan’ny Filan-kevitrin’ny Fampihavanana malagasy teo aloha ary efa Loholon’i Madagasikara ihany koa.

Mirary fiononana feno ho an’ireo Fianakaviana mana-manjo.

Nosalorana mari-boninahitra « Commandeur de l’Ordre national malagasy » Itompokovavy.