Jobily Rakotoson

Ny « Ziva » (t)eo amin’ny Fihavanana malagasy

Publié le Mis à jour le

                                                          NY ZIVA

NY FIHAVANANA:

Anisan’ny mampiavaka antsika Malagasy amin’ny firenen-kafa ity resaka fihavanana  ity ary mampiaiky an’izao tontolo izao fa saro-bahana ny fihavanana Malagasy. Ka na dia nisy aza ireo tetika maro samihafa entina hanasaraham-bazana ny samy Malagasy dia tsy tanteraka izany fifandrafiana ny samy mpiray tanindrazana izany.

Ankoatry ny fihavanana amin’ny  alalan’ny Faditrà na fatodrà, hifanaovan’ny olona roa tonta na olona roalahy, na roavavy, na lahy na vavy ho enti-mañatsara ny fihavanana (satria na dia olon-droa no mifatidrà na mifatodrà ), ny fihavanana Malagasy dia mitatra ary mitohy ho azy eo amin’ny vahoaka na fokonolona rehefa nampiraisin’ireo olon-droa ireo izany fihavanana izany.

Amin’izao fotoana iainantsika izao dia sady mampalahelo sy manahirantsaina fa somary goragora sy ravarava ny fihavanan’ny Malagasy; hita fa tsy miseho miharihary anefa  izany, ary somary miharatsy mihitsy aza.

Tsy voatanisa ny antony mahatonga izany araka ny fantatra : anisan’izany ny fitiavam-bola tanteraka sy tafahoatra ka manjary hanarian-kavana, manampy trotraka ihany koa ny raharaha politika, ka raha tsy iray làlana amiko dia tsy izy.

Na dia eo aza izany dia soa ihany fa mbola misy ny fihavanana Malagasy tsy tontan’ny ela ary tsy simban’ny arafesina sy ny bobongolo,  dia ny Zivan-drazana izany. Maro no efa tsy mahalala izany  ankehitriny na dia efa olon-dehibe izao aza, fa efa variana amin’ny fahasarotam-piainana sy ny fanatontoloana. Mahafantatra ny amin’ity teny Ziva ity avokoa ny maro manerana ny nosy, izay Fihavanana manan-kasina amin’ny Malagasy.

 

TOY IZAO NO FILAZAN’NY ISAM-PARITRA AZY :

  • Ziva sy lohateny hoy ny njoaty Antakarana
  • Ziva-lohateny Fanjivana –Zaka vala hoy ny tsimihety
  • Tsy maty manota – lohateny (fifanekem-pokonolona ) hoy ny Merina
  • Ziva hoy ry zareo avy ao Ambongo Morondava
  • Ziva hoy ny Sakalava
  • Fañompa – Soman-dRaza hoy ny Tesaka
  • Olo-miray  – Fañompa hoy ny Antemoro

Indro kosa ireo isam-poko manana fihavanana amin’ny alalan’ity Ziva ity, fa izany no hahafataran’ny maro azy amin’ny ankapobeny.

1- Ireo Vazimba dia Ziva  amin’ireo Beosy sy Makoa

2- Ny foko Antañandrano na Tanandrano dia mpiziva amin’ireo Beosy sy Betsileo

3- Ireo Kanjemby, izay Vezo avy amin’ny tapany Avaratry Tambohorano faritany Mahajanga dia Ziva amin’ireo Sandrangoatsy avy ao Kinkony .

4- Ireo Kanjemby avy ao Besalampy dia Ziva amin’ny foko Maromena avy ao Besalampy ihany sy ireo Beosy

5- Ireo Kanjemby amin’ny faritra morontsiraka dia Ziva amin’ireo Antalaotra sy Komoriana (Ajojo)

6- Mbola ao Besalampy ihany, ireo Kanjemby dia mpiziva amin’ny taranaky ny Tsianova

7- Ireo Maromena ao Besalampy dia Ziva amin’ny taranaky ny Manonga

8- Ny taranaky ny Manonga dia Ziva amin’ ny taranaky ny Marolahy

9- Ny taranaky ny Andrafanga dia Ziva amin’ny taranaky ny Kinfotso

10- Ny taranaky ny Tsimanondriky dia Ziva amin’ireo Vezo sy amin’ny taranaky ny Andrafanga

11-Ireo Sandrangoasty avy ao Mitsinjo dia Ziva amin’ireo Kanjemby avy ao amin’ny helodranon’ny Maroambitsy, ireo Matihazo, sy ireo Tambondro Avaratra ary ireo Jongoa

12- Ireo Matihazo dia Ziva amin’ireo Antemamaliky ao Mitsinjo

13- Ireo Antirengy dia Ziva amin’ireo Mandravà avy ao Soalala

14- Ireo Manañadabo, ankilany ary ireo Betsiboka, andaniny dia Ziva amin’ireo Marolaka

15- Ireo Marotokiky dia Ziva amin’ireo Tsiaronjy na Tsaronjy

16- Ireo Sambarivo dia Ziva amin’ireo Tongoa

Avy amin’ny foko TSIMIHETY

17- Ireo Antevongo tambohitsy dia Ziva amin’ireo Antevinañy tompon’ny vinàñy

18- Ireo Zafindrano (taranaky ny rano) dia Ziva amin’ireo Zafindravoay (taranaky ny Voay)

19- Ireo Zafindramahavita dia Ziva amin’ireo Jongoa (Sakalava)

20- Ireo Antotolàny (tokotelo) dia Ziva amin’ireo Antelampy (avy amin’ny Vato) sy ireo Makoa

21- Ny foko Antakarana dia Ziva amin’ireo Anjoaty sy ireo Zafitsimeto

22- Ny foko Betsimisaraka dia Ziva amin’ny foko Betsileo

23- Ny foko Sihanaka dia Ziva amin’ireo Betsileo sy ireo Makoa

24- Ireo Marofotsy, avy ao amin’ny foko Sihanaka dia Ziva amin’ny Sakalava Manañadabo

25- Ny foko Betsileo dia Ziva amin’ny foko Antesaka, indrindra fa ireo Tesaka Rabehavana, izay Zivan’ireo Makoa sy ny foko Betsimisaraka

26-Fa ireo Betsileo Antañandro dia Ziva amin’ireo Beosy

27- Ny foko Merina dia tsy nahalala, na niniana tsy mampahalalaina ny atao hoe Ziva (mety anisan’ny tetik’ady mahery vaika hanokana-monina azy ireo izany). Nefa ara-tantara dia Ziva amin’ireo Vazimba sy ireo Makoa izy ireo. Eo koa ireo Antehiroka taranaka Vazimba dia mpiziva amin’ireo zanak’Andriana, ary lohateny amin’ireo Ajojo.

Ny foko Merina ihany koa dia Ziva amin’ireo Sakalava Boeni. Ny manamarina izany ka voasoritra tsy hay nofafana dia ny fiteny eto Imerina raha sendra misy olona maty ka ataony hoe “Sakalava robaka”. Raha tsy mpiziva ry zareo fahiny dia tsy ho nitoetra mihitsy io fombam-pitenenana io. Io ilay Fañompa ifamatoran’ny mpiziva.

28- Ny foko Antemoro dia Ziva na lohateny (na Fañompa) amin’ireo Makoa,

29- Ireo Anakara dia fañompa amin’ireo Antevandrìka

30- Ireo Antevandrìka dia Fañompa amin’ireo Zafiraminia

31- Ny foko Antesaka dia Fañompa amin’ireo Betsileo sy ireo Mahafaly

32- Ireo Sahafero dia Ziva amin’ireo Rabehava

33- Ireo Tiara dia Ziva amin’ireo foko Bara Tevohobe

34- Ny foko Bara dia Ziva amin’ireo Manendry, izay taranaka Vazimba

35- Ny foko Tanôsy dia Ziva amin’ireo Tandroy,  sy ireo Tandramanàka

36- Ireo Telamaro dia Ziva amin’ireo Tandramanàka

37- Ireo Temananteny dia Ziva ny foko Betsileo

38- Ny foko Tandroy dia Ziva ny Tanôsy

39- Ireo Ivondrobe dia Ziva amin’ireo Karimbola

40- Ireo Karimbola dia Ziva amin’ireo Tandroy Tetreso

41- Ireo Mahafaly dia Ziva amin’ireo Tanôsy  sy ireo Tesaka

42- Ireo Sianamavo dia Ziva amin’ireo Tetsiraraka

43- Ireo Tevohitse dia Ziva amin’ireo Tameantsoa

44- Ireo Zanakanga dia Ziva amin’ireo Temilahe

45- Ireo Temitongoa dia Ziva amin’ireo Tefaho , Andrianjoho , Tefoli , Sambaindrano

46-  Ny foko Makoa dia Ziva amin’ireo Temoro, Betsileo, Merina ary koa ireo Antimahory ( izay tonga avy any Mayotte) Comores.

47- Ireo Zaramanaga dia Ziva amin’ireo Tesaka sy Temoro.

Hita sy fantatra amin’izany ary fa saika voafaritry ny fihavanana amin’ny alalan’ity ziva ity avokoa ny Foko manerana ny Nosy mantolo. Somary natory na nampanginina izy ity tamin’ny andron’ny Fanjanahatany mba hampifandrafisana ny samy Malagasy. Foko manan-kasina daholo ny monina eto amin’ity Nosy misy antsika ity, ka tsy mendrika ny ady an-trano, na amin’ny fomba sy endrika samihafa. Satria Nosy iray, tsy azo sarahina na zarazaraina.

Tsara ho marihina manokana ny fihavanan’ny Antemoro sy ny aty am-povoatany, indrindra fa ny Merina. Fihavanana nisy hatrany am-piandohana io, fahiny elabe, ary na dia ny tendrombohitra roa ambin’ny folo (12) eto Imerina aza dia saika misy rà Antemoro avokoa .

Misy hevitra tsara asiam-panitsiana ihany koa ny tamin’ny fotoana nipetrahan’ny Antemoro ho Mpanolon-tsaina teto Imerina. Tsy Andriamahazonoro irery na ny Anakara irery ihany no notendren’Andrianampoinimerina ho “Andriamasinavalona” tamin’ny 1188 (taona Hazira):  fa ny foko Antemoro manontolo (jereo ny boky nosoratan’ingahy Kasanga Fermand).

Tiana ambara sy amafisinay etoana fa ny Foko Antemoro dia anisan’ny nahay nandrindra fihavanana sy nahay nampihavana ny mpiray tanindrazana Malagasy hatrany amboaloany ka mandraka ankehitriny. Azo hamarinina izany manerana ny Nosy, toy ny Foko Mahafaly- Menabe- Tanôsy- Antambahoaka- Sihanaka- Merina- Betsileo- Tanala- Tesaka- Tefasy- Tsimihety – Antakarana – Zafisoro –Bara –Tandroy- Vezo- Sakalava (fito karazana) dia namitrahany fihavanana avokoa.

TENY FAMARAÑANA :

Ny ZIVA dia fihavanana avy amin’Andriamanitra sy ireo Razana teo aloha.

Fa ny Fatidrà kosa dia nataon’ny olona mpifankatia ho fihavanana vaovao.

Ary ny Fiandrianana dia fanomezana sy tolotra  avy amin’Andriamanitra fa ny maha Mpanjaka kosa dia Tendry sy safidy nataon’ny olombelona.

Koa na dia tsy Mpanjaka aza ny olona iray dia efa Andriana izy, ary manana ny fiandrianany.

Ary misy koa efa Andriana ilay olona no sady voatendry na voafidy ho Mpanjaka.

Ny havanareo,

Printsy Jobily RAKOTOSON

Une grande figure et « raiamandreny » de la nation s’est éteinte. Il s’agit de Jobily Rakotoson qui vient de décéder, hier lundi 27 janvier 2020 à l’âge de 95 ans. Hospitalisé depuis quelques semaines suite à une maladie qui le rongeait depuis un certain temps, il a rendu son dernier soupir à l’HJRA d’Ampefiloha.

Jobily Rakotoson était parmi les fondateurs de l’association des « Raiamandreny Mijoro » pendant les crises de 2002, puis membre du « Comité du Fampihavanana Malagasy » (CFM) dont il en est le doyen d’âge.

Sa dépouille mortelle sera veillée à son domicile d’Ambohipo avant d’être acheminée, demain mercredi 29 janvier vers son village natal à Vohipeno où il sera également inhumé.

La rédaction de l’Agence Malagasy de Presse (AMP) présente ses sincères condoléances à la famille de cet illustre défunt qui, on peut le dire, a laissé son empreinte dans la marche des affaires nationales.

(source: AMP)

PS:

Une précision concernant le décès de Jobily Rakotoson nous a été notifiée par la famille. En fait, cet illustre défunt a fait une chute, samedi dernier, à la suite de laquelle il a été hospitalisé d’urgence à l’HJRA. Malheureusement, cette chute lui a été fatale et les médecins n’ont pu que s’en remettre à la triste réalité.

Toutes nos excuses à la famille et encore une fois, nous lui renouvelons nos sincères condoléances. Pour rappel, la dépouille mortelle de Jobily Rakotoson sera transférée aujourd’hui à Vohipeno où il sera également inhumé.