Marie Jo

Soanarivo – Anjeva: Fisehoan’i Notre-Dame de la Charité

Publié le Mis à jour le

Soanarivo Anjeva dia toerana iray izay nisehoan’i Masina Maria tamina vehivavy iray nantsoina hoe Ra Josephine na koa Marie Jo . Tamin’ny taona 1991 ny fisehoana voalohany ary Masina Maria ihany no niseho tamin’io fotoana io,

Tsy nanonofy izy fa mihiratra tsara izao . Nilaza i Masina Maria mba hanaovana toerana fanajana azy eo amin’ny saha izay nasehony azy teo imasony teo ity , niangavy izy mba hifankatiavana sy hifanajana , ho tia ilay zanany dia i Jesoa kristy Indray andro Nitondra rano kely teny an-tanany izy, nararany teo amin’ny dongona amoron’ny saha ilay rano nentiny ary hoy izy hoe : hiboiboika rano eto amin’ty toerana ity, ary io rano io dia hanasitrana ireo olona izay manana olana ara-batana sy ara-panahy ary amin’ny fiainana.Ka izay mino dia hahita izany tokoa , izay tsy mino dia tsy hahita .

Taty aoriana kely dia nisy vehivavy fotsy akanjo sady lava ranjanana niseho koa tamin’ny Marie Jo, efa antitra io vehivavy io, fa tsy tanora kely tahaka an’i Masina Maria. Tsy fantatr’i Marie Jo moa izy ka nanontaniany hoe : Fa iza moa ianao ??? dia namaly io vehivavy io fa « Izaho no renin’ny Mpanjakavavin’ny lanitra , ary Masimbavy Anne no iantsoana ahy … azonareo antsoina aho hoe i Bébé Anne «  . Nanafatra io vehivavy io mba hatao anaty lava-bato ny sarin’izy mianaka ho fanajana azy ireo. Rehefa nataonay ny fikarohana teto amin’ny internet dia Olomasina tokoa i Masimbavy Anne ary renin’i Masina Maria izy ary ao Frantsa koa dia nisy toerana nisehoany sy fanajana azy manokana koa. www.sainteanne-sanctuaire.com.

Nampiseho zavatra maro mahagaga tamin’i Marie Jo izy mianaka, ary nilaza mba hanajana an’i Jesoa Kristy .Momba ny Lagroty dia nilaza izy ireo fa hisy vato lehibe manao endrika M manodidina ny saha ka eo amin’io toerana io no hananganana ilay lagroty. Nolavahana ny tany… Hita tokoa fa nisy vato lehibe toy ny « M » ka teo no nahorina ny lagroty misy sary vongan’i Masina Maria sy Mb Anne. Nilaza koa ry zareo fa ho maro ny olona ho avy eo, olona hila fanafahana , ka i Marie Jo manomboka teo dia ho mpampandro ireo olona ireo , izany dia atao mba hanalany azy ireo amin’ny rofy sy aretina na dia izay sarotra indrindra aza .

Olona anarivony no efa sitrana raha atao salan’isa dia ireo 80% dia nahita fahombiazana, nisy ny cancer, mosavin’olona, mitady zaza, fanahy ratsy … 20 % kosa dia tsy nahita noho ny fisalasalan’izy ireo sy ny tsy finoany.

Tsy mifidy finoana ny eny Soanarivo, ny atao rehefa tonga eny dia ny mivavaka aloha .MANAO LALAN’NY HAZO FIJALIANA fomba katolika io, ary tsy maintsy atao io, izany no nangatahan’i Masina Maria: mibanjina ny fijalian’i Jesoa Kristy (Misy boky azo vidiana na indramina eny )

Nankany avokoa ireo nila fahasitranana maro ireo avy amin’ny finoana samihafa . Misy amin’izy ireo ny protestanta, Jesosy Mamonjy, Fianana ao amin’ny kristy sns …hatramin’ny Silamo, nisy koa ireo tsy Mpino nanjary mpivavaka be …Tsy nanavaka olona hositranina ny renin’i Jesoa, fa hoy hatrany manko izy : « Ho anareo zanako … »

Taty aoriana, dia nanafatra an’i Marie Jo tamin’ny nofy i Masina Maria fa hifidy olona aman-jatony, ireo olona ireo dia nolazainy fa OLONY MANOKANA. Hanatanteraka ny fanalana ny rofy amin’ny olombelona koa ireo ka hanao fahasitranana ihany koa tahakan’i Marie Jo. Tsy i Marie Jo no hifidy ireo fa izy ihany ka nanome famantarana an’i Marie Jo izy rehefa mahita amin’ireo olona nofidiany ireo i Marie Jo . Dia tonga tokoa ny famantarana ohatra amin’izany ny feon-dakolosin’ny Eglizy sns .. Ary amin’ireo olona nofidian’i Masina Maria dia mahavariana fa misy ny ankizy, tanora, lehibe, lehilahy, vehivavy, olon-tsotra, Relijiozy. Nampanao sarin’i Jesoa Famindrampo teo Anjeva Marie Jo, ka rehefa nalaina sary io dia namoaka hazavana hitantsika amin’ny sary ao photo.

Nisy koa ny fivadihan’ilay rano mahagaga :Rehefa nalaina sary ilay rano izay mikoriana anaty fatsakana, dia niova menamena tahaka ny Rà. .(jereo sary ao photo ) Nisy koa fotoana nangalana sary ny rano ka nivoaka hazavana be toy ny masoandro tao anatiny . Marobe ny zavatra mahagaga hita teny ary toa milaza fa Mananjina ny ao SOANARIVO ANJEVA ity ary tsy azo tsinotsinoavina .

Toerana manelanelana an’Ambohimalaza sy Anjeva i Soanarivo.

Mandray BUS mankany anjeva eo MAHAZO akaiky WC public . Miala eo tsena kely SOANARIVO ianao , mitenena amin’ny receveur hoe :miala any MASINA MARIA fa tsy misy tsy mahalala izany izy ireo.Misy koa moa panneau misy soratra hoe : NOTRE DAME DE LA CHARITE MARIE ROSE ANNE .

Mandeha route mankany TOAMASINA ianao, mivily eo AMBOHIMALAZA km manaraka ny arabe mankany Anjeva ka mahita mpivarotra legumes dia eo no mijanona .Marihina fa mila mihomana amin’ny dia tongotra 45mn eo ho eo. Mitondra kiraro maivana, satroka, rano sotroina. Ho an’ny marary dia misy ny mpilanja :12000 ariary .

(source: https://www.facebook.com/profile.php?id=100067989592645)