Odon Razanakolona
Soamandrakizay: Sorona Masina nanaovam-beloma an’i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona
Voatendry ho Evekan’Antsirabe i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina
Notendren’ny Papa François ho evekan’ny Diosezin’Antsirabe i Monseigneur ANDRIANTSOAVINA Jean Pascal, eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’Antananarivo ankehitriny. Ny mombamomba an’i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina :
Notendren’ny Papa François ho Eveka ao amin’ny diosezin’Antsirabe i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy eto Antananarivo.
Teraka ny 24 mars 1969 tany Mahajanga i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina. Nobeazina tao anatin’ny fianakaviana votom-pinoana izy. Tao Mitsinjo Mahajanga izy no nanomboka ny sekoly fanabeazana fototra ary nanohy izany tany Antsirabe. Avy eo, nanohy ny sekoly Ambaratonga voalohany sy faharoa tao Ambohimangakely sy Lycée Jules Ferry Antananarivo. Lire la suite »