Pr. Raoelina Andriambololona
SECES-Antananarivo: na nosazian’ny Fitsarana aza ny Filoha Sammy Grégoire Ravelonirina, dia nomen’ny mpikambana « vote de confiance »
Tsiahivina fa nomelohin’ny Fitsarana 30 volana sazy miantona ity Filohan’ny SECES sampana Antananarivo ity farany teo. « Misaotra azy, tsy ho anay Mpampianatra irery ihany, fa amin’ny fiarovany ny Fampianarana Ambony eto Madagasikara izahay », hoy ny nambaran’ny Profesora Raoelina Andriambololona.