Rafaela

Tany am-piandohana: … ny Fanambadiana

Publié le Mis à jour le

10Dia hoy Tobia taminy: Aiza no tianao hialantsika sasatra? 11Ary hoy ny anjely namaly azy: Eto misy lehilahy anankiray atao hoe: Ragoela, iray foko amam-pianakaviana aminao, manan-janakavavy anankiray atao hoe Sarà izy; ary tsy manan-janaka hafa, afa-tsy izay, na lahy na vavy. 12Tsy maintsy ho lasanao avokoa ny fananany rehetra ka tsy maintsy halainao ho vady izy. 13Ka angataho amin-drainy izy, fa homeny anao ho vadinao. 14Dia hoy ny navalin’i Tobia: Nandre lazan’olona aho, fa hoe: Fito lahy no efa nanam-bady azy izay, nefa maty avokoa; sady demony koa indray no lazain’olona tamiko ho namono an’ireo. 15Ka matahotra aho fandrao dia iharan’izany koa ny tenako, ary noho izaho lahitokan-dray aman-dreniko, sao dia mampidina ny fahanteran’izy ireo amin’alahelo any am-pasana.

16Ary hoy ny anjely Rafaela taminy: Mihainoa ahy, fa hatoroko anao izay ananan’ny demony fahefana. 17Dia izay miditra amin’ny fanambadiana, nefa mamoaka an’Andriamanitra hiala ao am-pony sy ao an-tsainy mba hanarana ny filan’ny nofony, toy ny soavaly ama-mole tsy manan-tsaina; ireny no ananan’ny demony fahefana. 18Fa hianao kosa, rahefa manam-bady azy, dia midira ao an-efi-trano, ary miaraha-mitoetra aminy amim-pahadiovana mandritra ny hateloana, ka aza mihevitra na inona na inona, afa-tsy ny fiaraha-mivavaka aminy.

19Amin’ny alina voalohany, ataovy amin’ny afo ny atin’ny hazandrano, dia handositra ny demony. 20Amin’ny alina faharoa, dia ho voaray ho isan’ny fikambanan’ny Patriarka masina hianao. 21Amin’ny alina fahatelo dia horaisinao ny tso-drano nampanantenaina ny taranany hiterahanareo zanaka matanjaka. Rahefa afaka ny alina fahatelo dia raiso amim-pahatahorana ny Tompo razazavavy, ka aoka ny fanirian-janaka no hitarika anao fa tsy ny filan’ny nofo, mba hahazoanao ao amin’ny zanakao, ny tso-drano nampanantenaina ny taranak’i Abrahama. >

Tobia 6, 10-21