raharaha Boeing-777 iraniana dimi

Rajoelina Mialy : Nivoaka tamin’ny fahanginana!

Publié le Mis à jour le

Nampiaka-peo ny vadin’ny filoham-pirenena, Rajoelina R.Mialy, afakomaly. Tsy tokony hampidirina amin’izay raharaha tsy mahakasika azy ireo ny zanany. Manameloka ireo mpanely vaovao diso izy.

Tsy mba fanaony! Ni­voaka tamin’ny fahanginana ny vadin’ny filo­han’ny Repoblika, Rajoelina Mialy, tamin’ny sabotsy lasa teo. Namaly ireo mpikirakira tambajotran-tserasera izy, manoloana ny filazana mahakasika ny zanany. Mangataka ny manampahefana isan’ambaratonga izy mba haka ny fepetra mifanaraka amin’izay fanelezana vaovao tsy marina izay. Voalazan’ny fanambarana fa tafahoatra ny famafazana lainga, fanosoram-potaka sy fanalam-baraka. Tsy azo ekena ny zava-miseho, hoy hatrany izy. Nampahatsiahy ny tokony hanajana ny zanaka, tsy ampifandraisina azy amin’ny fankahalana be fahatany izany. Manao antso avo amin’ny olom-pirenena tsirairay mbola manam-panahy izy, araka izany, mba hametraka fetra tsy hihoarana amin’ny tokony ho izy. Nangataka fandraisana andraikitra hentitra izy.

Niloa-bava avy hatrany 

Raha vao nivoaka teny amin’ny tambajotran-tserasera ny fanambarana avy amin’ny va­din’ny Filoham-pirenena, tsy niandry ela ny fanambarana avy amin’ny minisiteran’ny Se­ra­sera sy kolontsaina. Mampa­hatsiahy ny lalàna manan-kery mahakasika ny heloka ana habaka. Manamafy ny fandraisana fepetra sy fanasaziana izay mihoa-pefy ny minisitra Volamiranty  Mara Donna.
Mateti-piavy rahateo ny fanenjehana sy fankahalana ny ankohonan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Mivadika ho fanenjehana ma­nokana ny toe-javamisy. Mam­pahatsiahy ny maha zava-dehibe ny fahaizana mi­kirakira ny tambajotran-tserasera. Natao handrosoana fa tsy entina hifamonoana.

(source: Riana Raymond – newsmada.com)