R’imbosa

Nodimandry i Girard Razafindrafahatra (Tarika R’Imbosa)

Publié le Mis à jour le

Nodimandry i Girard, fantatry ny maro tamin’ny anarana hoe « Razedra ». Nangina ilay beso malazan’ireo Tarika ATAUM sy ny SOLIKA ary R’imbosa izao farany izao.

RAZAFINDRAFAHATRA René GIRARD, ministre plenipotentiaire, nandalim-pahaizana manokana momba ny Arofenitra. Namita ny fotoam-piasany teo amin’ny Primature sy ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny, ary Mpiandraiki-draharaha (Chargé d’Affaires) tao amin’ireo Masoivoho malagasy tany Alemaina, Kanada ary Etiopia.

Nanamarika indrindra ny Ba Gasy ary Feo beso nikoizana tao amin’ny ATAUM sy SOLIKA ary R’imbosa nandritra ny androm-piainany.

« Tsy mba misy tsy ho diso », « Vonimboahirana », « Dobla sento »… santionan’ny hira nasian’i Razedra ny « soniany ». « Poizina ! » hoy i Dadatoa Ar-well sy Rasamy Gitara raha vao nahare ny fidoboky ny beson’i Razedra tao @ ATAUM 50 taona lasa izay ry zareo.

Vitsy tokoa mantsy ny manana lokom-peo tahaka ny an’i Girard, mahatakatra feo iva dia iva sady midoboka.

Miara miory amin’ireo mpankafy ny Kanto, ary Mirary fionona feno ho an’ny fianakaviany!

Tarika R’imbosa: « Haody ry Analamangako »

Publié le Mis à jour le

« Hira kilasikan’Imerina ». Toniny sy Feony: Jean Ratsaramiafara.

Nalaina tamin’ny « R’imbosa, vahinin’ny Anim’Artistes TVM ».

Rodobe: Mimi, Gety, Lidy, Mbosa, Vavah, Geba, Girard.

Mpitendry: Mbosa.

Toniny:

Haody ry Analamangako
Ry Iarivoko, ry Imerina
Ndreto zahay sy ny lokangako
Fa samy mbola tafaverina

Ny lokanga namborahiko
Ny toloko sy fisaonana
No mbola (3) raisiko angatahiko
Iarahabana ity fihaonana

Fantatrao izay nifandaozana
Sanatria tsy fifandirana
Fa nitady fanavaozana
No niniako nandosirana

Taminao no nitarainako
Ny toloko sy ny ngidiny
Resy tosika ny fiainako
Ka nandao (2) anao tsy fidiny

Haody, haody re hidirako
Ry akany niantombohana
Raisonao (3) ny tononkirako
Mba ho solom-panorohana


Vorompotsy miaradia