rivodoza EMNATI
Takaitra navelan’ny rivodoza Emnati
Santionan-tsary ahitana ny fahavoazana sy takaitra taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Emnati tamin’ny Faritra maro tao Atsimo-Atsinanana
Rivodoza EMNATI: efa mahery vaika sy goavambe (520 km diamètre)
Alatsinainy 21 Febroary 2022 – 07h

▶ Somary nijanona am-pitoerana ka zara raha nihetsika i 🌀 EMNATI tamin’ny alina ka mbola any amin’ny 503 km Atsinanan’i Toamasina izy izao maraina izao miaraka amin’ny rivotra 165 km/h sy tafiotra 230 km/h
▶ Izay fandehanany miadana be izay matetika dia midika fa hisy fiovana kely ny fizotrany 🤔 ka somary hianatsimo andrefana kokoa izy manomboka eto raha oharina amin’ny fizotrany teo aloha.
▶ Noho izany dia vinavinaina somary hianatsimo ny METY hidirany an-tanety rahampitso Talata ka METY ho eo anelanelan’ny Vatomandry sy Farafangana izany.
Mankahery ny rehetra 💪 fa ho mafy ity herinandro ity.
Niova ho toy izao ny filazana loza:
🟡 Miloko MAVO na loza manambana : Analanjirofo, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Anosy, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Mangoro, Manjakandriana sy Andramasina.
🟢 Miloko MAITSO na loza fanairana : Alaotra, Anjozorobe, Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Antananarivo Renivohitra, Ambohidratrimo, Itasy, Menabe, Atsimo Andrefana ary Androy.
© Cyclone à Madagascar
FAMPITANDREMANA ho an’ny rehetra
Mihamahazo aina sy aingam-pikisaka izy ity: efa mihoatra ny 240 km/h ny tafio-drivotra ary betsaka ny rano entiny. Hiditra eo anelanelan’i Vatomandry sy Manakara amin’ny Talata 22 Febroary. Manafatrafatra ny BNGRC sy ny Météo.