Sahamadio

Rarasikarena [avy ao Atsimo ao]

Publié le Mis à jour le

Tantara nozarain’i Prof. Rapelanoro Aimé ity manaraka ity. Ny Raibeny sy Renibeny, avy amin’ny Reniny, dia taranak’i Rarasikarena-Zokiny. Araka ny ambarany : «Tsiahin’ampahan-tantara iray tsy dia heno na koa efa voasoratra, mba tsy ho very nohon’ny fanadinoina, mba tsy ho lovan-tsofina hiany fa hisoratra». Hoy Raonimalazan’Andriamanompolanitra.

Fantatra fa isan’ny mandrafitra ny maha malagasy antsika, sy maha Firenena tokana antsika, nefa marolafy, ny tantaram-piaviana sy Firazanana. Misy izany ny tsara ho marihina sy zaraina, na dia mazàna aza misy ny fisalasalana eo amin’ ny mpitahiry tantaram-pianakaviana sy tetiharana. Satria hoy ny fiteny hoe «Aza be resaka sy be tantara eo, fa sao angalarin’olona eo ny tantarantsika».

Raha miresaka an’ny Fivondronan’i Fandriana isika, ao amin’ny Faritra amoron’i Mania, izay manana ny hasi-taniny, hoe «Fisakana tsa hanim-boay», dia mazàna zavatra roa no tsikaritra satria voateny matetika sy voizin’ny serasera, ofisialy mazàna :

– «Ny ao Fandriana ao tsa Betsileo, fa Merina ny ankamaroany, ary tsa misy izany Betsileo avaratra sy atsimo izany, fa aty Fianarantsoa hiany no misy azy ».

Lire la suite »