soatoavina

Conseil du Fampihavanana Malagasy – CFM: Potika tanteraka ny soatoavina malagasy

Publié le Mis à jour le

ANTSO AVO

Potika tanteraka ny soatoavina hoy ity rafitra ity, izay najoro ho fanatanterahan’ny Malagasy samy Malagasy ireo Dingana nifanarahana ho fanaperana ny Tetezamita (2009-2013), niaraka tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,  ka hiverenana indray ao amin’ny Firenena Ara-dalàna.

Antony: noho ny fisian’ny teny mandratra sy fihetsika mampiseho fisaraham-bazana ataon’ny Olona sy ireo Antoko politika amin’izao … 

Ilon-dRazana sy Hasina miampita: « Référent identitaire »

Publié le Mis à jour le

Référent identitaire

 

Définition de référent identitaire

Un référent identitaire est l’un des critères multiples qui caractérisent et définissent une identité qu’elle soit individuelle, sociale, culturelle, communautaire ou collective. Les référents identitaires sont les caractéristiques qui sont recherchées lorsqu’on essaie de définir une identité.
Exemples de référents identitaires : la nationalité, la langue, un territoire (d’origine ou d’attachement), un symbole, une coutume, une valeur, une marque de voiture, un type de vêtement, etc.

Pour le sociologue Alex Mucchielli, auteur notamment de L’identité (Que sais-je ?, 1988), les référents identitaires sont des concepts qui font appel au vécu, aux présentations, aux conduites. Il distingue cinq catégories de référents :

  • matériels et physiques : sexe, apparence physique, possessions, etc.,
  • écologiques : milieu de vie, son influence, conditions de vie, etc.,
  • historiques : descendance, évènements marquants, éducation, us et coutumes, etc.,
  • psychosociaux : nom, âge, statut social, métier, compétences, etc.,
  • culturels : système culturel, mentalité, attitudes, codes, valeurs, idéologie, etc.

Les référents identitaires sont un important moyen de reconnaissance. Ils contribuent à la cohésion et à la pérennité de la communauté (notion de « Fihavanana » en malgache), mais peuvent générer des tensions entre des communautés qui ont des référents différents.


Ainsi donc, chaque personne possède au minimum:

1- une identité individuelle qui « façonne » sa personnalité depuis sa tendre enfance, et

2- une identité sociale qui contribue au développement et à « l’accomplissement » de sa personnalité à l’âge adulte.

Ilon-dRazana sy Hasina miampita

(accès protégé)

 

Fanjakana mpanjaka : Ny tsara ho fantatra amin’izao andron’ny repoblika izao

Publié le Mis à jour le

Mbola miaina ao anatin’ny fanjakana-mpanjaka na ampanjaka ny faritra maro manerana an’i Madagasikara. Ny fanjakana Antemoro avy ao Vohipeno sy Manakara, ny Antambahoaka ao Mananjary sy Nosy-Varika ary Ifanadiana sy Ikongo, ny fanjakana ampanjaka ao Evato Zafisoro. Ny Antefasy ao Farafangana, ny Rabehavana sy ny Zafimananga ao Vangaindrano sy Vohibe ary Iakora, ary ny Antanosy ao Taolagnaro.

Any amin’ny faritra Androy dia manana ny ampanjakany koa ny Antandroy ka ohatra amin’izany ny ao Ambovombe sy Antanimora.

Ny any amin’ny faritra ao Atsimo-andrefana indray dia mbola manana ny lazany ny ao Miary sy ny ao Bengy izay nipoiran’ny fanjakana sakalava. Mitohy hatrany Menabe sy Melaky ary Boeny ka hatrany Analalava Antsohihy izany fanjakana izany ary mbola misy ampanjaka mifehy azy avokoa hatrany Marovoay sy Ambato-boeny . Ireo no taranak’Andriamisara efa-dahy izay maha iray ny Sakalava. Misy fanjakana madinika maromaro koa ao anatin’ireo faritra voalaza ireo.

Ny fanjakana ao Ambilobe sy Ambanja dia mbola manana ny toerany tsara ao anatin’ny fiaraha-monina Malagasy ankehitriny.

Ny any amin’ny faritra Atsinanana dia ny Betsimisaraka manontolo indray dia ny Tangalamena no rafitra mitovy amin’ny fanjakana ampanjaka amin’ny toerana hafa. Hatrany Maroantsetra ka hatrany Mahanoro dia efa ho an’arivony ny Tangalamena misy amin’ny toerana iny.

Ny eto afovoan-tany indray dia ny Andriana ho an’ny eto Imerina izay ivondronan’ny zanak’andriana, Andriamasinavalona. Ny Hova ho an’ny Betsileo no fiantso ny taranaka mpanjaka ireny, ka manana ny toerany amin’izany Zanakompanalina ao Ambositra, Andrianantara ao Manandriana. Toa izany koa ny any Isandra sy Lalangina ary Vohibato. Manampy azy ireo ny tomponanarandray sy ny filoha-taribahy any Amoron’i Mania sy Matsiatra Ambony.

Ireo rehetra ireo sy izay tsy voalaza eto dia rafi-piaraha-monina tsy ao anatin’ny rafi-panjakana velively nefa mbola manana ny maha izy azy.

Fomba na bako na koa rafi-piaraha-monina sy fanjakana nisy hatramin’ny nisian’ny Malagasy fahagola ireo. Ireo rafitra ireo no mitazona ny hasin’ny fanjakana Malagasy hatramin’izao fotoana izao.

Raha vao miresaka fanjakana ampanjaka nefa isika eto Madagasikara ankehitriny dia ny fanandevozana no ao amin’ny eritreritra ny olona maro. Ary ny fanandevozana tamin’ny endriny maro samy hafa tamin’ny andro fahezay. Isika nefa efa fanjakana repoblikanina ary efa mivoatra ao anatin’ny firenena demôkratika. Tiana ny milaza fa diso tanteraka ny fomba fieritreretana ankehitriny ho an’ny olona sasany tsy mahalala ny tokony hataony ka manome tsiny ny fisian’ny rafitra ampanjaka amin’izao fotoana izao.

Ankehitriny dia tsy misy intsony ny asa fanompoana na ny fanandevozana any amin’ireo fanjakana ireo. Hajain’ny mponina any amin’ny toerana misy azy avokoa ireo rafitra ireo ka arovany toa ny anakandriamaso. Manaja azy koa ny fanjakana sy ny mpitarika ny fanjakana repoblikanina izay nifandimby teo, ary hatramin’ny firenena vahiny izay tonga eto Madagasikara dia manaja azy ireny avokoa.

Manana ny toerany manokana eto amin’ny firenena ny fanjakana ampanjaka. Tsy mitondra firenena izy ireo fa mandala kosa ny fomba Malagasy ary mitazona ny fady, ny fomba ary soatoavina sy ny kolontsaina nampiavaka an’i Madagasikara eo anatrehan’izao tontolo izao. Manome haja ny filohan’ny repoblika nifandimby izy ary manaja ny rafi-panjakana koa.

Averina tsara fa ny “Hasim-pirenena” no mipetraka dia ny fitandremana “ny fady, ny fomba, ary ny kolontsainy sy ny soatoavina”. Ny rafitra nentim-paharazana no mitazona izany dia ny fisian’ny ampanjaka, ny Tangalamena ary ny andriana.

Malaza dia malaza ny Fitampoha any Sakalava, ny Sambatra any Mananjary, ny Tsangatsaina any Ambilobe, ny Volambetohaka ao Amoron’i Mania sy ny maro samy hafa koa tsy ho voatanisa eto. Reharehan’i Madagasikara izy ireny ary mampiavaka azy amin’ny firenena rehetra eto manerana izao tontolo izao. Ny fanjakana ampanjaka no anton’izany.

Marina fa tsy mitondra firenena ny ampanjaka saingy manana ny toerany amin’ny fiaraha-monina Malagasy. Tsy maintsy hatonina ny ampanjaka sy ny raiamandreny ara-drazana rehefa tonga hanao asa iray ao min’ny toerana misy azy ireny ny fanjakana. Midinika miaraka aminy. Izy ireo no tompon’ny olona sy ny vahoaka ka izany no tsy azo anaovana azy ankilabao. Rehefa neken’izy ireny dia vita ary rehefa tsy nahazo ny fankatoavany dia tsy tody.

Manana andraikitra amin’ny fiaraha-monina, ny fampandrosoana, ny fandriam-pahalemana ny fanjakana ampanjaka sy ny fitondrana ara-drazana. Hatramin’izay raha tonga ny olana pôlitika nisy teto Madagasikara dia tsy maintsy nantsoin’ny fanjakana izay mitondra ny raiamandreny ara-drazana handamina izany.

Raha tena tia handroso ny firenena Malagasy dia tokony hiverina amin’ny maha Malagasy azy, ny soatoavina fa indrindra ny hasiny, izany nefa dia mijanona amin’ny fitondrana repoblikanina fa manome hasina ny fitondrana ara-drazana koa. Mbola hitohy…

Jesy Rabelaolao – la Gazette DGI

 

Soatoavina malagasy: ny tetiandro sy Fanandroana

Publié le Mis à jour le

Mpandalina nandritra ny taona maro sady nampiaina no nampianatra sy nampiely ny fomba amam-panao malagasy Atoa Rakotoson Louis Arima Rabesata, izay tsy zoviana fa rain’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena Paul Rabary tamin’ny Fitondran’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina.

Ny firafitry ny Tetiandro malagasy

Tsara fantarina koa ireo Fomba nateraky ny finoan’ny Ntaolo malagasy