Synops

Firosoana amin’ny maha matihanina : Hanana « licence » ireo mpikarakara fampisehoana

Publié le Mis à jour le

(©newsmada.com)

Asa mamelona fianakaviana maro ny fikarakarana hetsika sy fampisehoana. Fiha­riana marefo anefa izany eto Madagasikara, satria lasibatra voalohany raha vao misy olana lalovana, toy ny krizy politika na ara-pahasalamana, ohatra. Na izany aza, fihariana tokony hiroborobo, rehefa misy ny fifarimbonana eo amin’ny mpisehatra rehetra. Antony nanaovan’ny sendikàn’ny mpikarakara hetsika sy fampisehoana (Synops) antso avo tamin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera izany, nandritra ny lanonana tao amin’ny Havoria Anosy, ny faran’ny herinandro teo.

« Efa an-taonany maro izahay no naniry ny hisian’ny fahazoan-dalana manokana (licence) ho an’ireo mpikarakara fampisehoana matihanina mba ho fiarovana ny asan’ny mpikarakara sy mpamokatra manoloana ny olana maro samihafa » hoy ny nambaran’i Samoëla. Tsy amin’ny maha mpanakanto, fa amin’ny maha mpikarakara hetsika matihanina azy izay mpitantana ny Be Mozik, no nitondrany ny fitenenana. Izy rahateo no iray tamin’ireo 5 mirahalahy niara-niketrika ny Synops tamin’ny taona 2012.

Novalian’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Mandrindrarivony OGascar, teo no ho eo izany fangatahana izany, ka nambarany fa hisy ny komity iraisana, hiketrika sy hamolavola izany. Iarahan’ny Synops sy ny fitaleavana misahana ny Fam­piroboroboana ny zavakanto, ny fitaleavana misahana ny Lalàna ary ny Omda ny komity, satria paikady sy volavolan-dalàna no mila havoaka hamaritra izany. Hanomboka ny asa amin’ity herinandro ity sahady ny komity.
Ankoatra izay, maromaro ihany koa ireo fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Synops sy ny minisitera, izay nosoniavina tamin’io fotoana io.

Niara-nanatontosa izany ny sekretera jeneralin’ny minisitera sy ny sekretera jeneralin’ny Synops. Andrasana ny fipakan’izao dingana lehibe mankany amin’ny maha matihanina tanteraka izao, amin’ny kalitaon’ny hetsika sy fampisehoana eto Madagasikara.

(source: Zo ny Aina – newsmada.com)

Synops : rencontre avec le ministre de la Communication et de la culture

Publié le

(©newsmada.com)

Le ministre de la Commu­nication et de la culture, Gascar Fenosoa Mandrin­dra­ri­vony, a reçu, hier à son bureau à Anosy, les représentants du Syndicat des organisateurs et producteurs de spectacles (Synops). La rencontre s’inscrit dans le cadre d’une visite de courtoisie et de présentation officielle du Synops, de ses missions et de son rôle dans le secteur artistique et culturel malgache. Elle a également été l’occasion d’échanger les vœux de Nouvel An.
Véritables entrepreneurs culturels, les organisateurs d’événements structurent un secteur professionnel qui fait vivre de nombreux acteurs, comme les artistes, les techniciens, les divers prestataires…

Lors de la rencontre, le ministre a salué l’engagement et l’importance du Synops. « Vous êtes ceux qui font vivre et dynamisent le secteur artistique. Votre rôle est essentiel tant sur le plan économique que culturel, notamment pour la promotion de l’art et de la culture malgache. Le ministère se tient comme un parent pour vous accompagner et soutenir vos actions », a-t-il déclaré. De son côté, le secrétaire général du Synops, Lanto Faniriniaina, a souligné l’importance du soutien institutionnel. « L’appui du ministère est fondamental pour tout acteur économique. Cela constitue une force et une référence pour les professionnels de l’événementiel », a-t-il affirmé.

(source: Holy Danielle – newsmada.com)