Tangalamena
Ampanjaka : Antsoina rehefa sahirana ny fanjakana
Tsy mipetraka amin’ny toerana misy azy ny Ampanjaka eto Madagasikara sy ireo raiamandreny ara-drazana.
Marina fa efa fanjakana repoblikanina no iainan’ny firenena ankehitriny nefa dia mbola manana ny hasiny sy ny toerany eny anivon’ny fiaraha-monina maro izy ireny. Ny fomba sy ny fandrindrana ny fiaraha-monina any amin’ny faritra maro dia mbola eo ambany fifehezan’ny Ampanjaka na ny raimandreny ara-drazana toa ny Tangalamena avokoa. Tsy hita ao anatin’ny Lalàmpanorenana Malagasy ny andraikitra sahanin’izy ireny, nefa dia mandray anjara be amin’ny fampandrosoana ny firenena izy ireny.
Raha marisarisa ny fanjakana ka manana olana ara-politika sy fiaraha-monina dia antsoina ny Ampanjaka sy ny Tangalamena ary ny raiamandreny ara-drazana handamina izany eto anivon’ny firenena. Rehefa olana tsy voavahan’ny mpanao politika dia antsoina ny ampanjaka hanao ny fandaminana.
Andavan’andro dia jerem-potsiny ireo raiamandrenin’ny Malagasy ireo. Atao fangalana tso-drano amin’ny fitadiavana toerana sy fanamafisana fitondrana. Iza moa no filoham-pirenena teto Madagasikara ka tsy nangataka tso-drano tany amin’ny lapam-panjakana ara-drazany ao Ivato-Fenovola ao Vohipeno hatramin’ny repoblika malagasy izay. Izay tsy nandalo tany dia tsy maintsy sahirana amin’ny fitantanana ary misy mihitsy no niafara tamin’ny fionganany. Ny mpanjakan Andriambelomasina teto Imerina , Andrianampoinimerina ary Radama voalohany dia tany no nihazakazahany hanamafisany orina ny Fanjakana Ambaniandro.
Nandamina sy nanana ny toerana teto amin’ny firenena Malagasy hatramin’izany ny Anpanjaka sy ny fanjakana Antemoro hatramin’izay ary fantatry’ny Malagasy rehetra izany. Tsy ny ambaniandro ihany fa hatramin’ny fanjakana Betsileo, Sakalava ary Tanôsy sy Mahafaly. Tantaran-drazantsika izany ary tsy afaka misaraka amin’ny fiaraha-monina Malagasy izay mbola iainana hatramin’izao. Mbola ny ampanjaka ihany no nandamina ny fizaram-paritra faha-23 ao Vatovavy sy Fitovinany izao.
Fotoana tokony hametrahana amin’ny toerany amin’ny fitazonana ny maha Malagasy ireo Ampanjaka sy raiamandreny ara-drazana ankehitriny satria tsy afaka miala amin’izany isika. Amin’izao fotoana izao dia misy fety lehibe izay ataon’ny foko Antakarana ao Ambilobe , izay atao hoe « Fisehagna » na ny « bain royal » ny 12 ka hatramin’ny 14 Aogositra 2021 izao. Mirakitra ny maha Malagasy izany ka tokony homena ny toerany sahaza azy.
Taom-baovao malagasy sy Covid-19
Fangataham-pitahiana ho an’ny Firenena malagasy araka ny fomban-drazana notanterahina teny Ambohijanahary mandritra ny vanim-potoana hianjadian’ny areti-mandoza Covid-19 maneran-tany. Anisany nitarika izany Atoa isany Zakariasy Patrick (Tangalamena), Norbert Randrianantoandro, mpiandraikitra ny Tranoben’ny Merina sy Jean Eric Rakotoarisoa (Raiamandreny ara-drazana – TM, sady Filohan’ny HCC amperin’asa).
Inona ny Tantara sy Kolon-tsaina ary Firaisam-pirenena?
Anarana samihafa no ahafantaran’ny Olon-drehetra ireo raiamandreny ara-drazana miandraikitra sy mampanjary ny Soatoavina izay miantoka ny fampiraisana ny olona samy olona, sy ny Foko samy Foko eo amin’ny Fiarahamonina malagasy, dia ny: Ampanjaka, Sojabe, Tangalamena, Lonaka, Mpitan-kazomanga, Tomponanaran-dray, Olobe, Longo, sns …. (Jereo ohatra ny Ziva)
Ny Filohan’ny HCC, Jean Eric Rakotarisoa « tompon-draharaha« ao amin’ny Tranoben’Imerina.
Tetiandro 2021: Ampanjakao ny Fihavanana tsy hifamotika; hoy ny Tranoben’Imerina.
Fanjakana mpanjaka : Ny tsara ho fantatra amin’izao andron’ny repoblika izao
Mbola miaina ao anatin’ny fanjakana-mpanjaka na ampanjaka ny faritra maro manerana an’i Madagasikara. Ny fanjakana Antemoro avy ao Vohipeno sy Manakara, ny Antambahoaka ao Mananjary sy Nosy-Varika ary Ifanadiana sy Ikongo, ny fanjakana ampanjaka ao Evato Zafisoro. Ny Antefasy ao Farafangana, ny Rabehavana sy ny Zafimananga ao Vangaindrano sy Vohibe ary Iakora, ary ny Antanosy ao Taolagnaro.

Any amin’ny faritra Androy dia manana ny ampanjakany koa ny Antandroy ka ohatra amin’izany ny ao Ambovombe sy Antanimora.
Ny any amin’ny faritra ao Atsimo-andrefana indray dia mbola manana ny lazany ny ao Miary sy ny ao Bengy izay nipoiran’ny fanjakana sakalava. Mitohy hatrany Menabe sy Melaky ary Boeny ka hatrany Analalava Antsohihy izany fanjakana izany ary mbola misy ampanjaka mifehy azy avokoa hatrany Marovoay sy Ambato-boeny . Ireo no taranak’Andriamisara efa-dahy izay maha iray ny Sakalava. Misy fanjakana madinika maromaro koa ao anatin’ireo faritra voalaza ireo.
Ny fanjakana ao Ambilobe sy Ambanja dia mbola manana ny toerany tsara ao anatin’ny fiaraha-monina Malagasy ankehitriny.
Ny any amin’ny faritra Atsinanana dia ny Betsimisaraka manontolo indray dia ny Tangalamena no rafitra mitovy amin’ny fanjakana ampanjaka amin’ny toerana hafa. Hatrany Maroantsetra ka hatrany Mahanoro dia efa ho an’arivony ny Tangalamena misy amin’ny toerana iny.
Ny eto afovoan-tany indray dia ny Andriana ho an’ny eto Imerina izay ivondronan’ny zanak’andriana, Andriamasinavalona. Ny Hova ho an’ny Betsileo no fiantso ny taranaka mpanjaka ireny, ka manana ny toerany amin’izany Zanakompanalina ao Ambositra, Andrianantara ao Manandriana. Toa izany koa ny any Isandra sy Lalangina ary Vohibato. Manampy azy ireo ny tomponanarandray sy ny filoha-taribahy any Amoron’i Mania sy Matsiatra Ambony.
Ireo rehetra ireo sy izay tsy voalaza eto dia rafi-piaraha-monina tsy ao anatin’ny rafi-panjakana velively nefa mbola manana ny maha izy azy.
Fomba na bako na koa rafi-piaraha-monina sy fanjakana nisy hatramin’ny nisian’ny Malagasy fahagola ireo. Ireo rafitra ireo no mitazona ny hasin’ny fanjakana Malagasy hatramin’izao fotoana izao.
Raha vao miresaka fanjakana ampanjaka nefa isika eto Madagasikara ankehitriny dia ny fanandevozana no ao amin’ny eritreritra ny olona maro. Ary ny fanandevozana tamin’ny endriny maro samy hafa tamin’ny andro fahezay. Isika nefa efa fanjakana repoblikanina ary efa mivoatra ao anatin’ny firenena demôkratika. Tiana ny milaza fa diso tanteraka ny fomba fieritreretana ankehitriny ho an’ny olona sasany tsy mahalala ny tokony hataony ka manome tsiny ny fisian’ny rafitra ampanjaka amin’izao fotoana izao.
Ankehitriny dia tsy misy intsony ny asa fanompoana na ny fanandevozana any amin’ireo fanjakana ireo. Hajain’ny mponina any amin’ny toerana misy azy avokoa ireo rafitra ireo ka arovany toa ny anakandriamaso. Manaja azy koa ny fanjakana sy ny mpitarika ny fanjakana repoblikanina izay nifandimby teo, ary hatramin’ny firenena vahiny izay tonga eto Madagasikara dia manaja azy ireny avokoa.
Manana ny toerany manokana eto amin’ny firenena ny fanjakana ampanjaka. Tsy mitondra firenena izy ireo fa mandala kosa ny fomba Malagasy ary mitazona ny fady, ny fomba ary soatoavina sy ny kolontsaina nampiavaka an’i Madagasikara eo anatrehan’izao tontolo izao. Manome haja ny filohan’ny repoblika nifandimby izy ary manaja ny rafi-panjakana koa.
Averina tsara fa ny “Hasim-pirenena” no mipetraka dia ny fitandremana “ny fady, ny fomba, ary ny kolontsainy sy ny soatoavina”. Ny rafitra nentim-paharazana no mitazona izany dia ny fisian’ny ampanjaka, ny Tangalamena ary ny andriana.
Malaza dia malaza ny Fitampoha any Sakalava, ny Sambatra any Mananjary, ny Tsangatsaina any Ambilobe, ny Volambetohaka ao Amoron’i Mania sy ny maro samy hafa koa tsy ho voatanisa eto. Reharehan’i Madagasikara izy ireny ary mampiavaka azy amin’ny firenena rehetra eto manerana izao tontolo izao. Ny fanjakana ampanjaka no anton’izany.
Marina fa tsy mitondra firenena ny ampanjaka saingy manana ny toerany amin’ny fiaraha-monina Malagasy. Tsy maintsy hatonina ny ampanjaka sy ny raiamandreny ara-drazana rehefa tonga hanao asa iray ao min’ny toerana misy azy ireny ny fanjakana. Midinika miaraka aminy. Izy ireo no tompon’ny olona sy ny vahoaka ka izany no tsy azo anaovana azy ankilabao. Rehefa neken’izy ireny dia vita ary rehefa tsy nahazo ny fankatoavany dia tsy tody.
Manana andraikitra amin’ny fiaraha-monina, ny fampandrosoana, ny fandriam-pahalemana ny fanjakana ampanjaka sy ny fitondrana ara-drazana. Hatramin’izay raha tonga ny olana pôlitika nisy teto Madagasikara dia tsy maintsy nantsoin’ny fanjakana izay mitondra ny raiamandreny ara-drazana handamina izany.
Raha tena tia handroso ny firenena Malagasy dia tokony hiverina amin’ny maha Malagasy azy, ny soatoavina fa indrindra ny hasiny, izany nefa dia mijanona amin’ny fitondrana repoblikanina fa manome hasina ny fitondrana ara-drazana koa. Mbola hitohy…
Jesy Rabelaolao – la Gazette DGI
