teknolojia ranomasina
Mifanome tànana ny Manam-pahaizana: Famadihana ranomasina ho ranomamy vita Malagasy 100%

👉Famadihana ranomasina ho ranomamy vita Malagasy 100%
Noho ny fivoaran’ny teknolojia dia afa nifampidinika ny Profesora, Mpampianatra, Mpikaroka ary Teknisianina Malagasy ny @ hanomezana rano fosotro madio avy @ alalan’ny ranomasina, hamatsiana angovo vita avy @ ranomasina ny mponina mipetraka amoron-tsiraka manerana an’i Madagasikara.
Tsy fikarohana intsony moa ny dingana eto fa fanambaràna ny teknolojia izay efa ananan’ny manam-pahaizana Malagasy avy @ lafy valon’i Madagasikara. Tapaka t@ izany fa :
▪︎Ao @ Centre Universitaire Régional d’Androy, UniT no hasiana ny toerana hanaovana ny fanambaràna ny milina ary HDR Paubert Mahatante no hisahana izany miaraka @ mpianatra mianadahy avy ao @ Université de Tuléar.
▪︎Ny fikarohana efa mahomby nataon’ny Profesora Ramarson, École Supérieure Polytechnique d’Antsiranana /UNA, izay mamadika ny ranomasina ho électricité no hampihodinana 100% ny milina sy ny fandaniana angovo ao @ laboratoire d’assemblage.
▪︎Mpianatra avy ao @ Ecole Nationale d’Informatique, Université de Fianarantsoa, tantanan’i HDR Michel Razafindrandriatsimaniry, no hisahana ny momba ny régulation & automatisation.
▪︎Ny fandrindrana ara-teknika ny fanatambarana sy ny himasoana sehatra indostrialy dia andraiketin’Atoa Patrick Raharimanana, Ijeniera sady mpandraharaha matihanina.
▪︎Ny fandaminana ara-materialy sy ara-pihariana dia raisin-dRamatoa Tefy Raoelivololona, Doctoresse es Sciences & technologies, an-tànana.
▪︎Ny namolavola ny hevitra sy fandrindrana iraisam-pirenena @ mpamatsy vola moa dia ny tenako, Rija Rakotozanakajy, Ramosé Poubelle, no misahana azy.
Araka ny kajikajy dia resin’ity milina vita Malagasy 100% ity ireo milina mpamadika ranomasina ho rano fisotro vitan’ny vazaha, eo @ lafiny ekolojika, rendement, coûts d’exploitation ary matières premières.
Ny fahalalana dia fitaovam-piadiana mahery vaika.