Pâques, symbole de renaissance

Image Publié le Mis à jour le

Kerygme : ny Paska no lehibe noho ny Krismasy

Folo taona aho nianatra tamin’ny Jesoita saingy adinodino foana hoe ny Paska anie no tokony ho lehibe kokoa noho ny Krismasy. Izay aloha no hafatry ny Ray Masina François tamin’ny «audience générale» (toriteny katesizy itambarambe), ny 27 martsa 2018, teo amin’ny kianja Masindahy Piera tao Vatikana : «tadidy tsangambaton’ilay mistery lehibe». Ny «Paska» dia avy amin’ny teny hebreo «Pessah», ilay «Fetin’ny Fety rehetra», fampatsiahivana ilay Loza farany nanasaziana an’i Farao raha mbola tsy nandefa ny vahoakan’Israely. Efa 3300 taona hono izao no anamarihin’ny Jiosy ny «Paska», hatramin’ny nandosirany ny tany Ejypta. Ny Paska kristiana dia fahatsiarovana ny fitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty. Tsiahivina fa izy sahy nanambara hoe «Mpanjakan’ny Jiosy» no nitsaran’i Pontsy Pilaty azy. «Jesosy : Jiosy tao Palestina, mpa­nangana ny fivavahana Kristianina», hoy ny «dictionnaire Larousse». Jiosy ny reniny, noforaina izy tamin’ny andro fahavalo, nanaja ny andro Sabata izy : adinodinon’ny katesizy no manantitra fa manana firazanana jiosy tokoa ny fivavahana Kristianina. Ny Krismasy na Noely, izay hoe nahaterahan’i Jesosy, anefa no lasa malaza dia malaza. Mihoatra ny maha androm-pivavahana azy fa tena lasa «lanonana» iraisam-pirenena.

Ny Paska moderna ihany koa aza moa efa ankalazain’ny dokam-barotra ho andro fivarotana atody sokolà. Fa angaha moa tsy ireo mpanao varotra no noroahan’i Jesosy Kristy tao an-Tempoly ? Kerygme : «Velona ny Tompo, resiny ny fahafatesana». Izay no votoatin’ny finoana kristiana anefa dia lefin’ny hoe «Mpamonjy no teraka ho anareo anio». Raha 25 desambra, tahaka izao efa miravaka ny tanàna, someby ny vahoaka (na tsy Kristiana aza), miari-tory manisa ora sy minitra ary segondra, izay anaty fety. Izao, ankatoky ny 9 aprily, tsy misy afa-tsy ny mpanaraka «herinandro masina» no miolomay. Voasatro-tsilo, voahombo, maty ka velona indray : «Kristy no fiainana». Tsy izany ve no Fahagagan’ny Fahagagana rehetra ? Nahoana (satria niparitaka tao Eoropa andrefana izay nanaparitaka ny fivavahana kristiana tamin’ny kontinenta hafa), ary nanomboka oviana (taonjato faha-14), no lefin’ny Krismasy ny Paska ? Fanontaniana avela amin’ny «Sekoly alahady».

(Chronique – lexpress.mgs)

Laisser un commentaire