« Inona no maha-ory antsika rô » – Erick – Dama – Jenny (Lyon 2015)

Publié le Mis à jour le

Fa efa ela loatra ity Tanintsika
No nitaky fiombonana
Eny ô …

 


« INONA NO MAHA ORY ANTSIKA ? »
(Tonony sy Feony : Erick Manana)
Erick – Dama – Jenny (Lyon 2015)
… Ny Salegy any avaratra any
Mahorakoraka salanitra e
Mifaly avanja ery ka ravo
Tsy misy mitomany
Mifankatia ery ka sambatsambatra e
Ka inona e! Ka inona e! Ka inona e!
Inona no maha-ory antsika rô
Tsy hiandrandra fihavanana e
Soloy hira sy lamozika
Ny Adim-poko tsy nanambina
Inona no maha-ory antsika rô
Tsy hifankatia, tsy hifampitantana
Fa efa ela loatra ity Tanintsika
No nitaky fiombonana
Eny ô …
Ny Tsapiky ny any atsimo any
Mandihidihy hatramin’ ny ranomasina e
Velon-tsinjaka avokoa
Minora-jofo intony tany
Trombatromba-pitiavana e
Ka inona e! Ka inona e! Ka inona e!
Inona no maha-ory antsika rô
Tsy hiandrandra fihavanana e!
sns …

Laisser un commentaire