Hatraiza no «Tia Tanindrazana», rehefa inona no «Mpanavakavaka» ?

Publié le Mis à jour le

«De minimis non curat praetor» : ny tompon’andraikitra ambony tokony tsy handany andro amin’ny zava-poana. Teny latina fampiasa tamin’ny andron’ny Romana, taonjato faha-4 talohan’i J.-K.. Heviny : Resaka hala-botry tsy entina an-dRova. Mitovy hevitra aminy ny hoe «Aquila non capit muscas» : ny voromahery tsy manenjika lalitra. Aleoko tsy mandany andro mitanisa izay nivadika palitao atsy, na manatsatso izay nivarotra fanahy aroa. Misy mantsy ireo raharaha fototra tokony imasoana, iankinan’ny ho avin’ny Tanindrazana sy ny taranaka. Na hisy na tsy hisy fifidianana, resaka tsy maintsy atrehina satria mihatra aman’aina.
Isan’ny tena mavaivay, dia mikasika ny fidiran’ny vahiny sy ny fanorenany fonenana ary ny fakany taranaka eto Madagasikara.

Haintsika loatra ny fahasarotan’ny taratasy takiana amintsika rehefa hivahiny any an-tanin’olona. Ny antsika anefa, vita moramora eny amin’ny seranam-piaramanidina (izany hoe ihany koa eny amin’ny seranan-tsambo izay sisintany) ny fahazoan-dalana hiditra sy hitoetra eto Madagasikara.

Malaza, satria manaitra ny olona, ny mahita ireto Vahiny mivarobarotra mofo amoron-dalana. Isika, raha hivahiny an-tanin’olona, takiana fidiram-bola farafahakeliny iainana ara-dalàna isanandro : ary itony Vahiny itony, nekena ho tonga tanam-polo ? Raha any amin’ny firenena sarotiny amin’ny taniny sy ny fombany, tsy miandry ela dia efa roahina hody any aminy satria ny fahasahiranana mahazo ny teratany aza efa tsy hita izay anaovana azy.

Hisy hilaza fa tsangan-kevitra mpanavakavaka. Rehefa inona no «Tia Tanindrazana», ary rehefa inona no «Manavakavaka» ? Fa, raha miantso ny Eoropeana handray ireo mirobo-dranomasina Mediteranea, angaha ny Papa François, dia voatery hamono tena ho difotry ny Vahiny ny firenena iray ? Izay hiantsoanareo azy, fa ny votoatiny dia hoe : «Isika aloha». Tsy niandry an’i Donald Trump na Zemmour ny lahatsoratr’i VANF, fa efa ampolo taona no fantatra amin’izany. Mahagaga, sady mampalahelo, ary tena manafintohina, ny tsy fintsinjovan’ireto antoko politika malagasy an’izany.

Hisy hilaza ihany koa fa tsy manaja ny zon’olombelona. Ny zon’olombelona voalohany indrindra angamba aloha dia ny zo tsy hamono tena tsy fidiny. Tsy misy firenena eto ambonin’ny tany, na iray aza, ka tokony hamono tena hampiantrano an’izao tontolo izao.

Rehefa alalinina ny resaka dia mampanontany ny satan’ny tany : tokony hanan-jo ho tompon-tany eto Madagasikara ve ny Vahiny, indrindra amin’izao fitontonganan’ny vola malagasy izao ka ho lasan’ny sasany ambongadiny ity Nosy ity ? Iarahana mahalala fa isan’ny nampiady tamin’ny Eoropeana, taonjato faha-19, io fahazoan’ny Vazaha hividy tany eto Madagasikara io. Ady izay niafara tamin’ny fandrodanana ny Fanjakana malagasy, fitifirana sy fanamborana tia tanindrazana maro tao anatin’ny Fanjanahantany. Ka raha nimatimatesana sy nolavintsika ho an’ny Vazaha tamin’ny taonjato faha-19, tsy antony mihitsy ankehitriny hanomezana izany ny Vahiny hafa, na avy aiza na avy aiza.

Ary tsy maintsy voatsikafona manaraka ny momba ny zom-pirenena maha-Malagasy na tsia. Satria, raha noho ny fahantrana, «hividy» vady Malagasy sy hiteraka eto izao Vahiny tsy fanta-piaviana rehetra izao, ary indrindra manana tetika ambadika irahin’ny fireneny, dia ho tanteraka ilay hoe «Grand remplacement» : tsy ho Malagasy intsony ity firenena ity, tsy ho «Isika» intsony, tsy ho «Antsika» intsony.

(source: lexpress.mg – Chronique de VANF)

Laisser un commentaire