Vovonana PAN-FFKM: « mbola manohy ny ezaka ho fanavotam-pirenena hatrany » hoy ny Profesora Raymond Ranjeva
« Mbola mijoro sy mitazona ny heviny! Tsy very akory ny fanantenana ho an’ny Vovonana ho amin’ny fifampidinihina sy ny fanelanelanana », hoy ity Mpitsara iraisam-pirenena sy Mpampianatra ity. Rehefa avy nanampy ny fanasitranana Firenena maro tany ivelany, dia « anjaran’ny Firenena malagasy indray izao no mila fanavotana, ary maika dia maika ny fitsaboana azy ka tsy tokony hiraviravy tànana ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka fa efa milentika ny Firenentsika, … tsy hijanona ho bado sy dondrona ny Malagasy! »