Mgr Jean Pascal Andriantsoavina tany Occitanie (Atsimon’i Frantsa)

Publié le Mis à jour le

Mgr Valentin évêque du diocèse de Carcassonne se rendra à Madagascar en septembre prochain pour approfondir les échanges évoqués avec Mgr Jean Pascal, évêque du diocèse d’Antsirabe,  au cours de cette mission en France.

Nankalaza ny faha-40 Taonan’ny Fiangonana katôlika malagasy tao Toulouse koa i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina.

Tsara vintana ireo Mpino katôlika malagasy ao Toulouse fa tamin’izao dian’i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina tany Frantsa izao no niarahan’izy ireo nanolotra Sorona Masina miavaka ho fanamarihana ny Faha-40 Taonan’ny Fiangonana katôlika malagasy ao an-toerana.

Tamin’izany koa no nandraisan’ireo Tanora malagasy fahasoavan-dehibe tamin’ny fandraisanan’izy ireo  ny Sakramentan’ny Fankaherezana (Confirmation) notronin’ireo tapaka sy namana..

Samy faly na ny Raiamamndreny mpitsidika, na ireo « Ondrin’i Kristy » notsidihana. Tsara tsiahivina ihany fa ao afovoan’ny ny tanànan’i Toulouse no misy ny « Couvent des Jacobins » naorin’ny Fikambanana « Ordre des Prêcheurs » izay mitahiry anaty « reliquaire » ny ampahany maro amin’ny taolambalon’i Md Dominique  de Guzman (v. 1170 en Espagne – m. 1215 à Bologne, Italie). Io fikambanana io no fantatry ny maro  amin’ny anarana hoe « Dominicains », ary i Md Dominique no mpanorina azy. Izy dia malaza fa notolarin’i Masina Maria ny sapile (« chapelet » fanaovana « Rosaire’) mba hiadiana amin’ny « Finoan-diso » (« hérésie » »).

Avy amin’io Fikambanana io no nipoiran’i Md Thomas d’Aquin (Docteur de l’Eglise), anisan’ny mbola andry lehibe amin’ny fandalinana sy fampivoarana ny Finoana katôlika maneran-tany (« Philosophie sy Théologie »). Vehivavy nahazo iraka sy fahasoavana manokana tamin’i Jesoa sy ny Reniny koa i Mb Catherine de Sienne (dominicaine 1347-1380) tamin’ny fanampiana ireo Papa namindra ny Fiketrahana Masina hiala tany Avignon (France), ka hiverina tany Rome nipoirany (Italie).

Laisser un commentaire