Kanto sy Hira

Gasy Fomba: Anosimanjaka

Publié le Mis à jour le

Fanazavana samihafa maneho ireo antony tokony hanamafisana ny Fomba iraisan’ny Foko rehetra eto Madagasikara ny Taom-baovao malagasy. Anisan’ny mankalaza ny fomba hatriny elabe ny Fokontany Anosimanjaka ao amin’ny Kaominin’Ambohitrimanjaka.

Fantaro ny mpanoratra Michèle Rakotoson

Publié le Mis à jour le

Entin’ny mpanolotra Fandaharana « Confessions », Heri-Lanto, ho fantatry ny mpiara-belona i Ramatoa Michèle Rakotoson izay fanta-daza hatrany ampita eo amin’ny Haisoratra sy ny Teny ary ny Fanontàna boky.

« Hasin’ny Kanto »: artistes et artisans honorés par l’Etat malgache

Publié le Mis à jour le

L’événement « Hasin’ny Kanto », un grand hommage à la valeur de l’art, s’est tenu au CCI Ivato (Centre de Conférence Internationale) ce 9 juin. Lors de cette grande première, à laquelle participait le Président de la République, Hery Rajaonarimampianina, 840 artistes et artisans malgaches, de tout le pays, tous domaines confondus, ont été honorés et récompensés par l’Etat pour leur travail au bénéfice de la culture et de l’artisanat malgaches.`

Ce grand rendez-vous a été organisé par le Ministère de la Culture, de la Promotion de l’artisanat et de la Sauvegarde du patrimoine, à l’occasion de la célébration de la Journée Mondiale de l’Artisanat. Ce ne furent pas uniquement les artistes et les artisans qui ont été récompensés par des décorations honorifiques, mais tous ceux qui œuvrent pour l’art et la culture, ceux qui ont apporté leurs contributions au développement et à la valorisation de la culture malgache. Chanteurs, artistes peintres, sculpteurs, stylistes, acteurs, réalisateurs, anciens Ministres de la culture, poètes et écrivains ont été mis au-devant de la scène au CCI Ivato. Ils ont été élevés aux dignités de Grands Croix, Grands Officiers, Commandeurs, Officiers et Chevaliers de l’Ordre Nationale. Une grande partie d’entre eux, surtout des chanteurs, des écrivains, ont reçu la distinction de Commandeurs de l’Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture Malgaches.

 

Ce diaporama nécessite JavaScript.

Le Président de la République Hery Rajaonarimampianina a tenu à les féliciter, à leur rendre hommage pour leurs contributions. Lire la suite »

Justin RAJORO: Artiste, écrivain, Auteur-Compositeur

Publié le Mis à jour le

Ny Mpanakanto Justin Rajoro

Ny tenany no mety tsy fantatrareo fa ny hirany mbola hirainareo foana hatramin’izao. Justin RAJORO no namorona an’ilay « Miesora moa » sy « Sompanga an-tendrokazo » naverin’i Rolf & Imiangaly malaza be iny. “Tsofiko rano” (Naverin’i Rossy) – “Ilay takariva kely” (nataon’i Sakelidalana), “Tsy misy tsy ho diso”, “Arahaban’Andriana”,

… ireo ny hira tena nahafantaran’ny tanora azy taty aoriana. Hatramin’izay dia efa nisy foana koa ireo tarika namelona ny hirany toy ny ATAUM, SOLIKA, R’IMBOSA ary ankehitriny mbola maro ny tarika tanora mamerina ny sangan’asany.

Auteur dramatique, compositeur de musique Bagasy, acteur ary directeur de troupe. Izy no namorona ny tropy mpanao teatra Malagasy voalohany teto Madagasikara niaraka tamin’i Naka RABEMANANTSOA tamin’ny 1911 ka KINTANA TELONOHOREFY no natao anaran’ny troupe tamin’izany izay nanao fitetezam-paritra nanerana an’i Madagasikara.

10 Taona izy dia efa nahay nitendry valiha. Nandalina mozika sy ny solfège tao amin’ny Ecole Professionnelle tao Ambohijatovo Atsimo. Mpiasampanjakana teo amin’ny sehatry ny Fitsarana RAJORO saingy nanapakevitra ny hivelona tanteraka amin’ny mozika sy ny fanaovana teatra nanomboka ny taona 1921. Isan’ireo pianiste virtuose, ny piano rahateo ny zavamaneno fitendry an-tsehatra

Na dia nanambady in-2 aza izy dia tsy nety nanana taranaka satria ANDRIANKOLA Michel, zanany tamin’i RAMAVO izay vadiny voalohany dia tsy azo. Ny vadiny faha-2 kosa dia ramatoa RAVAO izay mpilalao fototra tao anaton’io tarika notarihiny io ihany saingy tsy niterahany ihany koa. Izany hoe tsy namela taranaka mivantana izany Justin RAJORO.

Manana ny mariboninahitra OFFICIER D’ACADEMIE izy noho ny asa vitany teo amin’ny tontolon’ny hira sy teatra Malagasy.
Misy ihany koa ny arabe nampitondraina ny anaran’i Justin RAJORO, dia ilay Làlana eo ambonin’ny vavahadin’ny INSCAE (Ambatobevanja-Andohalo), ka mipoitra etsy amin’ny Katedraly Katolika Andohalo.

© Andriamanjaka Doda

Malagasy ve ianao, zarao ho an’ny hafa rehefa avy novakianao

MAHAILALA: Jery sy fomba antandroy. Vahömbey.

Publié le Mis à jour le

Mahailàla. Mahay làlana. Mahafantatra izay ho aleha. Mahatandrina fepetra ahatongàvana soa aman-tsara.

Toa izany ny Malagasy mahay miaina, mivonona lalandava handingana ny fahafatesana izay varavarana fiampitàna any ankoatra fotsiny ihany.

Antony mahatonga antsika manatanteraka fomba sy fanao samihafa izany. Irina ho tsara levenana hatrany ny maty mba hiàngana ho razana hitsinjo ireo mpiriaria ety an-tany.

Izany no atao topimaso ato anatin’ito horonantsary fanadihadiana efa tranaininainy ito. Jerin’ny Tandroy manoloana ny fahafatesana sy ny fomba tanterahana manditra ny fandevenana.

Fikasàn’ny mpanoratra notozoiny an-taona maro ny fanatanterahana ito horonantsary ito. Tovon’ny fikarohana ara-ethnomusicologie nataony ho an’ny anjerimanontolo: “ Conscience d’identité culturelle antandroy ”.

Anisan’ireo sanganasa notanterahany ho an’i RFO – TV5 izy ity. Nanery azy niasa tany Paris-France nandritra ny vanim-potoana sasantsasany teo amin’ny fiainany. Nafahany nanatontosa horonantsary maromaro nikasika ny kolontsaina malagasy tao amin’i RFO – TV5 tany amin’ny taona 1997-98.

Nifarimbonany tamin’i Stefan Troubat ny fanatontosàna ito MAHAILALA ito. Azy manontolo kosa ny fanomanana sy ny fanatanterahana ankapobeny.

Nony nalefa teto Madagasikara izy ity dia natao izay mba haha-malagasy azy kokoa. Efa hatramin’ny 1997 izy io no nokajiana VHS. No-numériser-na mba ho lovain’ny taranaka faramandimby.

Fandrotràrana an-tanàna haolo.

Sitrany ahay mikajy tadidy.

Antsirabe, 25 novambra 2015

Vahömbey


 
ORIGINE DU NOM « ANDROY »

« … l’appellation « Androy » est assez récente. Jusque vers la fin du 17ème siècle, la région comprise entre les fleuves Mandrare et Menarandra porte d’autres noms. En effet, Flacourt qui a vécu pendant près de dix ans à Fort-Dauphin (décembre 1648 – février 1658) et qui, durant son séjour, a eu de nombreuses relations avec les habitants de la région appelée actuellement « Androy » ne mentionne ni ce nom, ni le mot « Antandroy ». Il parle d’une « province des Ampatres » et d’un « pays des Caremboule ». Selon Flacourt (1913 : 63-68), vers le milieu du 17ème siècle, les Ampatres occupaient donc la région située au sud d’Antanimora et comprise entre le Menarandra et le Manambovo. Le nord des deux provinces était occupé par d’autres populations, en l’occurrence les Masikoro.

Au début du 18ème siècle, la situation a déjà changé puisque Drury (1906) qui a séjourné dans le pays pendant une quinzaine d’années à partir de 1702, appelle « Anterndroea » (Antandroy) les habitants de la contrée, et indique incidemment dans son Journal, que l’Angavo fait partie du territoire des Antandroy, territoire limité à l’est et à l’ouest par le Mandrare et le Menarandra. » (Esoavelomandroso 1986 : 122)

Esoavelomandroso, Manassé (1986). Milieu naturel et peuplement de l’Androy. Ph. Kottak et al, Madagascar Society and History, 121-32.

 

(FB) Androy

Blue Bloods 150th Episode Celebration with Cast and Executive Producer

Publié le Mis à jour le

Currently in their seventh season, the cast of the CBS megahit Blue Bloods, celebrates a major milestone with 92nd Street Y.

Stars Tom Selleck, Donnie Wahlberg, Bridget Moynahan, Will Estes, Len Cariou, Amy Carlson, Sami Gayle and Executive Producer Kevin Wade discuss how it feels to hit 150 episodes and reminisce about how it all began.

 

« Confession »: Henri Ratsimbazafy (l’artiste), auteur – compositeur – chanteur

Publié le Mis à jour le

Anisan’ny andrarezina sy nateza, ela velona teo amin’ny sehatry ny kanto sy mozika malagasy i Henri Ratsimbazafy, ary nitondra ny talentany teo amin’ny sehatra iraisampirenena ihany koa.

Solofo Lian-Kanto (SOLIKA): Mifankatiava ihany

Publié le Mis à jour le

Kalo fahatsiarovana: hira malaza tsy afaka ao am-pon’ny maro, ary fanao amin’ny fotoana rehetra.

Noforonin’i Naka Rabemanantsoa, ary iangalian’ny Tarika Solika.

Toniny:

Mifankatiava ihany
Raha mbola velona aina
Tsy misy toy izany
ny mampifaly saina
Ny maty efa lasa
Tsy azontsika antsoina
Isika no mikasa
Ny ratsy hadinoina re
Ny maty efa lasa
Tsy azontsika antsoina
Isika no mikasa
Ny ratsy hadinoina
Koa raha tsy fotoana ela
No hipetrahana eto
Andeha re Andeha re mba hifamela
Andeha hifamela mba tsy harahin-tsento
Mba tsy harahin-tsento
Andeha re (Andeha re)
Mba hifamela
Mba tsy arahin-tsento