Ambositra

Intoxications alimentaires mortelles : un malaise sanitaire persistant à Madagascar

Publié le Mis à jour le

(®madagascar-tribune.com)

Victimes d’une intoxication alimentaire massive lors d’un repas d’anniversaire organisé dans un lieu de réception privé à Ambohimalaza, une dizaine de personnes ont perdu la vie ce dimanche 15 juin. Un drame d’une ampleur inédite, qui soulève une fois de plus des questions pressantes sur les contrôles sanitaires, la responsabilité des prestataires et la réactivité des autorités.

Les autorités rapportent 12 morts et 13 personnes dans un état critique dont neuf décès recensés à l’hôpital Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA), un à Andohatapenaka, un à l’hôpital de Soavinandriana et un dans une clinique privée.

Le ministère en charge du Commerce a indiqué avoir ouvert une enquête et diligenté des analyses en laboratoire pour identifier la source de la contamination. Selon le Directeur de la Protection des Consommateurs, Ando Ravelonarivo, les aliments suspects sont en cours d’examen, et des saisies ont été ordonnées. Si les résultats confirment l’utilisation de produits avariés ou impropres à la consommation, les responsables pourraient être poursuivis devant la justice. Mais pour l’heure, aucune responsabilité claire n’est établie, ni aucune mesure préventive annoncée pour éviter la répétition de tels drames.

Ce n’est pourtant pas la première fois que le pays est secoué par un cas d’intoxication alimentaire impliquant de nombreuses victimes. Lire la suite »

Fahapoizinana ara-tsakafo tany Ambositra : Tafakatra 12 ny isan’ny maty

Publié le Mis à jour le

Copyright Image : © Haingo Nambinina

Nitombo avo roa heny ny isan’ny olona maty tato anatin’ny 2 andro : mbola 6 ireo namoy ny ainy omaly 24 jona, saingy efa niakatra 12 indray izany androany 25 jona.

Manjombona ny eto Madagasikara amin’izao andro fety izao. Tsy ny teto Antananarivo ihany mantsy no namoy aina maro tato anatin’ny herinandro vitsivitsy, fa nisy maty ihany koa tany Mahajanga sy Ambositra. Olona 40 be izao no namoy ny ainy tato anatin’ny 10 andro : 25 teto Antananarivo, 12 tany Ambositra ary 3 tany Mahajanga. Efa misy fanadihadihana lalina tanterahin’ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana sy ireo mpitandro ny filaminana avokoa amin’ireo raharaha ireo.

Fahapoizinana ara-tsakafo

Samy noho ny fihinanana « Charcuterie » no nahatonga ny voina, na ho an’ny tany Mahajanga na ny tany Ambositra. Anisan’ireo vokatra manintona ny maro tokoa izy ireny, indrindra rehefa misy fetim-pianakaviana. Mila tandrovana fatratra nefa ny fitehirizana ireny karazan-kena voahodina ireny, satria tena mitera-doza raha misy fahasimbana.
Mbola am-polony ireo manaraka fitsaboana noho ilay fahapoizinana ara-tsakafo tany Ambositra. Ny ampahany amin’ireo marary no efa tonga eto Antananarivo, mba hanohizana ny fitsaboana azy ireo. Nanao antso avo ho an’ireo rehetra nanotrona ilay fetim-pianakaviana tamin’ny alahady lasa teo ireo tompon’andraikitra ara-pahasalamana, mba hanantona ny CHRR Ambositra na dia salama tsara aza. Izany no atao dia mba hisorohana izay mety ho firongatry ny aretina tampoka, noho ilay sakafo nahafaty olona maro.

Fisorohana ny fahapoizinana ara-tsakafo

Nifantoka tamin’ny fanentanana mikasika ny fisorohana ny fahapoizinana ara-tsakafo ny hafatry ny Minisitry ny Fahasalamana, Pr Zely Andriamanantany. Amin’izao vanim-potoan’ny fety izao mantsy dia mitobaka ny karazan’entana eny an-tsena, sady miakatra ny fanjifana. Entanina nefa ny tsirairay samy ho mailo. Singanina manokana ireo vokatra mila fampangahatsiahana, satria saropady izany sakafo izany raha tapaka ny « chaîne du froid ». Tsy tokony hanina intsony ny Charcuterie somary miova loko na masiso, ny yaourt mibontsina ny fonony sy ny sakafo amin’ny boaty izay misy fahasimbana ny fonony. Tsy tokony hanina mihitsy ny « mayonnaise » vita amin’ny atodim-borona, ka ireo mpivarotra sy mpikarakara sakafo mihitsy no tena entanina amin’izany.

Mbola fanamby goavana ny fanentanana mikasika ny fampiasana menaka eto Madagasikara. Ny ankamaroan’ny mpivarotra mantsy dia mbola mampiasa menaka mialon’andro : iverenana anendasana imbetsaka ny menaka mandra-paharitrany, na dia efa miova loko aza. Mba ho fisorohana ny aretina, tsara raha samy mikarakara ny sakafo haniny ny fianakaviana tsirairay, na ny tsakitsaky aza.

(source: moov.mg)

Antsirabe sy Betafo: mihodina ny taninketsa indostrialy

Publié le

Am-perinasa tanteraka ny milina mpanodim-bokatra na­petraky ny minisitry ny Fam­piroboroboana ny indostria sy ny varotra, (MIC) Razafindra­vahy Edgard, ao Antsirabe I sy Betafo, ny sabotsy teo. Mamokatra paoma hatrany amin’ny 10 000 t isaky ny taom-pamokarana Antsirabe. Noho izany, hanodina paoma 500 kg isan’ora ny milina fanamboarana “cidre”, hotantanin’ny Ampalia Madagasi­kara, ao an-toerana. Hahazo tombontsoa mivantana amin’ny tetikasa “One District One Factory” (ODOF) ny tantsaha mpamokatra sy ny mpandraharaha hitantana ny orinasa ary ny fanjakana. “Mandalo dingana maro ny fihodinan’ny milina. Aterina any amin’ireo distrika sy kaominina misitraka izany ny milina aorian’ny fahatongavan’ireo fitaovana nohafarana. Mandeha aorian’izany ny antso ho an’ny tetikasa, ho an’ny mpandraharaha hitantana izany izay vao manomboka ny fananganana, ny andrana teknika ary ny fampandehanana”, hoy ny minisitra.

Manakaiky vahoaka

Voafantina hitantana ny taninketsa indostrialy manodina ovy ho lasa “chips” ny kaoperativa Fanirisoa. Hamokatra chips 150 kg isan’ora ny milina raha toa ka mahatratra hatrany amin’ny 30 000 t isan-taona ny vokatra ovy ao an-toerana mandritra ny taom-pamokarana. Ankoatra izay, hojeren’ny fanjakana akaiky ny vidin’ny ovy ao an-toerana sy ny masonkarenan’ny tantsaha ary ny vokatra aorian’ny fahatongavan’ny milina.

(source: Henintsoa H. – newsmada.com)