Antemoro
Vono vahoaka tao Ikongo: mamintina ny toe-draharaha ny Depiote Jean Brunellle Razafintsiandraofa
Karazana « Scoop » notanterahan’ny mpanao gazety Gasikara Fenosoa tao amin’ny Fandaharana « l’Invité du jour » hahafantarana zavatra maro mbola tsy dia fandre.
Antemoro Atsimo: voapetraky ny Fikambanana « Tana-manimbilo » ny Randriambe sy ny tovoany isan-tanàna
Fiarahamonina: Notanterahan’ny Taranak’Andriamarohala tao Manakara tamin’ny Zoma 22 Jolay teo ny lanonana fanandratana ny Randriambe sy ny Tovoany, na ireo Lefiny iray isan-tanàna, ho an’ny Fivondronan’ny Antemoro Atsimo (ahitana ny Anteony, Antesambo, Antemahazo ary ny Antalaotra), .
Fanadihadiana – ny fanjakana Antemoro: Sombin-tantarany avy amin’ny FIZA
Ndrenogny Ramasitrakarivo Marc Brillant no mpanjaka vaovao
(Hita ery ambany ny Lisitr’ireo Mpa,jaka Antemoro nifandimby)
Ny talata faha 26 novambra 2019 teo no nanaovana ny fandrangitana na ny fanandratana an’i Ndrenogny RAMASITRAKARIVO Marc Brillant, izay Ampanjaka ao Ivato-Fenovola Vohipeno ao Matetanana. Izy no Ndrenogny nisolo an’ i Ndrenogny RAMASITRAKARIVO Martin Gérard, izay nodimandry andro vitsivitsy izay.
Ndrenogny RAMASITRAKARIVO Marc Brillant izany no Ampanjaka faha 26 nanjaka tao Ivato–Fenovola hatramin’ny nanjakan’i Ndrenogny Andriamarohala na Ramarohalagna na koa antsoina hoe Ramarohala nanomboka ny taona 1504 tao Matatanana Vohipeno.
Marihina fa izy no Ndrenogny ampanjaka faha 28 avy amin’ny Reis Imam Orkhan Herios izay nantsoina hoe RAMAKARARO izay zanaky mpanjaka jiosy Mosa Mouhamad Kananita hanorina fanjakana teto Madagasikara ny taona 1336. Ity mpanjaka Jiosy avy any Kanana avy any Israely ity no rain’ny fanjakana Malagasy.
Marihina fa 300 taona taty aorianan’ny niforonan’ny fanjakana Antemoro naorin’i Ramakararo vao niforona ny fanjakana ambaniandro teo Imerina tao Ambohitrabiby ny taona 1575. Nifanarakaraka tamin’izany koa ny fanjakana Betsileo sy Sakalava.
Ireto avy no mpanjaka Anteony Antemoro izay nanjaka tao Vohipeno nanomboka tamin’ny taona 1336-1337 ka hatramin’ny taona 2019 izao.
Alohan’ny hampahafantarana antsika ny Ndrenogny izay ampanjaka Anteony, izay lehiben’ny fanjakana Antemoro dia tsara ho faritana fa ny fanjakana Antemoro dia ny fitambaran’ny Anteony izay taranak’i Ramakararo, ny Antalaotra izay misy ny Antesavagna taranak’i Andriatsimeto Ragnaha sy ny Anakara izay taranak’i Ramalitavaratra na Aly-Tawarath, ary ny Ampanabaka. Ireo telo ireo no antsoina hoe Andriambitelo tsy mahazo misaraka raha miresaka ny fanjakana Antemoro.
1) 1336-1337-Reis Imam Orkhan Herios na Ramakararo izay Jiosy Kananita avy any Moyen Orient, izay taranak’i Abrahama, taranak’i Isaka, Jakoba, Josefa na Zozofa, i Moizy na Mosesy, Davida na Daoud, Salomon, ary Daniel. Nifindra monina tany Turquie tao Asie Mineur, Colophon, Othoman alohan’ny nifindrany tao La Mecque (Imaka) izay vao nifindra taty Madagasikara ka i Vohemar na Iharambazaha no nipetrahany voalohany izay vao tao Matetanana.
Tsara koa ny hahafantarana fa ny Antemoro antsoina hoe Onjatsy dia efa tonga talohan’izy rehetra ireo tao Vohipeno ka vehivavy avy amin’io no renin’ny Anteony-Antemoro izay nantsoina hoe Ratandramasy izay vadin’i Ramosamary.
2- Ralivoziry na Aly-Vizir zanak’i Ramakararo. Tao Ambohabe na “Abou-Abbé” no nisy ny fanjakany. Io toerana io no antsoina hoe “Andriamarohala” izay toerana masina amin’ny Antemoro manontolo. Ao no anaovana ny “taonjoma” na Andriamarohala izay tanterahana isaky ny fito taona any Matitanana.
3)-1427-Ramosamary izay zanak’i Ralivoziry ka nanambady an’i Ratandramasy avy amin’ny Onjatsy Soromala izay renin’i Ramarohala
4)-1428-1504- Andriamarohala na Ramarohala izay namboatra ny lapa ao Fenovola-Ivato izay foiben’ny fanjakana Antemoro manontolo ao Vohipeno ary rain’ny fanjakana Malagasy izay angalana ny tso-drano hoan’izay olona hieritreritra hitondra firenena sy mitondra firenena noho ny hasin’ny Fanjakana Antemoro izay tarihin’i Ndrenogny sy ny lapa Masina ao Fenovola ity.
I Fenovola-Ivato Vohipeno no Lapa tokana eto Madagasikara manana sy mitazona ny hasin’ny Malagasy izany. Ny taranak’i Andriamarohala 12 lahy no antsoina hoe Anteony izay mipetraka amin’ny tanàna 24 ao Matetanana. Izany koa no mahasaro-pady ny Sorabe izay nentin’izy ireo avy any Kanana izay mirakitra ny maha zanak’i Abrahama ary maha olona hosotr’Andriamanitra azy ho rain’ny fanjakana sy hangalana ny ampanjaka. Ireto avy izy ireo.
-Rambo no lahimatoa izay manana ny foibeny ao Ankily Vohitramba Anoloka Vohipeno. Izy no nanangana ny nanjaka tany Ikongo (Tanala), ka ny taranany no antsoina hoe Zafirambo. Ny taona 2017 dia natsangan’i Ndrenogny Ramasitrakarivo Martin Gerard ny Lapa Zafizambo ao Ambatolahy na Atsinanan’i Vazaha Ambatofinandrahana any Amoron’i Mania noho ny taranak’i Rambo nanorim-ponenana any rehefa avy niady tamin’i Radama-1 ny taona 1820. Rehefa vita ny fifinarahana teo amin’ny Antemoro sy ny Ambaniandro fa tsy hifanafika intsony dia nanorim-ponenana tao Ambatofinandrahana ny filohan’ny tafika izay Zafirambo izay nantsoina hoe Tsifolakasy ka nitondra ny anarana hoe Razanaka Ramasindia ka izao nanorenana lapa izao nametrahana Ampanjaka Randriambe araka ny fomba Antemoro.
– Ndrekazomambo na Antimahazo izay nanangana fanjakana ao Matitanana ambony. Ao Mahasoabe ankehitriny raha toa ka tao Ankarinoro no nitoerany voalohany.
Ny taranany antsoina hoe Ndrekazomambo izay
niteraka an’i Andriandrambobemalaza izay rain’i Mpanalina izay mpanjaka voalohany tao Ambositra sy Ratrimo izay mpanjaka tao Fandriana.
-Ndremandia na Ndremandialamba, nanjaka rehefa nodimandry Ndretomambe tao Fenovola. Ny taranak’i Ndremandia no antsoina hoe Antesakoana ao Voasary.
z-Randrasambo na Antesambo izay nanjaka any amin’ny faritra Matitanana ambony ao Vohipeno ihany. Ankarisambo no renivohitra nisy ny lapa. Matsaromenty, Antebe ary Antendrefa no misy ny tranobe ankehitriny.
-Ndrekofoky
-1504-Ndretomambe izay nanjaka tao Fenovola voalohany ka nandimby ny rainy Andriamarohala. Voalaza fa Ndretomambe no faralahy tamin’ny zanak’i Ramarohala sy Ravahinia izay Antambahoaka avy any Mananjary-Raminia.
Ireto no zanak’i Andriamarohala izay anteony fa tamin’ny vadiny hafa:
-Ndrekatibofotsy, Ramarofaho, Andriamivato, Ndrembary, Ndretombato ary Ndretomamasay.
Ndrenogny Ramasitrakarivo izay ampanjaka ao Fenovola Ivato dia taranaka nifandimby avy amin’i Ndretomambe ity hatramin’izay ka hatramin’izao.
1504-Ndretomambe
1574- Andriamasy
1575-1739 izay laharana faha 5-10 dia ireto avy no ampanjaka nifandimby:
Ramanjato, Randrasoa, Ramarofatana, Ramarikarivo na Ramanirakarivo, Randriamanafolavitra, Randriamaronato
1740-1779 dia ampanjaka roa no nifandimby:
11- Rabesarivo
12-Andriamboniarivo
13-1740-1779 Ravoajanahary io no
ampanjaka nifandray tamin’Andrianampoinimerina ka nandefa ireo “olonkendry antemoro” nampianatra taty Imerina ny fanandroana sy ny sorabe( volagnonjatsy) ary ny mari-trano avy amin’ny fomba sy sivilizasiona arabo sy jiosy avy any Moyen-Orient izay nentiny taty Madagasikara.
14)1780-1789-Ramahafolakarivo
15)-1817-1849 Ramahavaliarivo
16)-1849-1860 Ratodiarivo
17)-1860-1862 Rafiatera
18)-1862-1870 Andriambolamena
19)-1870-1872 Ravelonarivo
20)-1872-1927 Ramasitrakarivo –I (nanomboka teo dia nitondra ny anarana hoe Ramasitrakarivo ny Ndrenogny tao Ivato –Fenovola Vohipeno
21)-1827-1947 Ramasitrakarivo Eugène
22)-1947-1980 Ramasitrakarivo Pakitra
23)-1980-1984 Ramasitrakarivo Rabary
24)-1984-2013 Ramasitrakarivo Jean Pierre
25)-2013-2019 Ramasitrakarivo Martin Gérard
26)-2013 … Ramasitrakarivo Marc Brillant
Tantara izay atolotrin’ny biraon’ny FIZA (Fikambana Zanaka Anteony) eto Antananarivo tarihin’ny filohany, Capitaine Mamy Thomas , ny Colonel Luc Hariniaina, Ramahafaly Thiery, Ramarolahy Mahatsara Alexandre sy Fidelis Razafimahandry ary Randriambe Jesy Rabelaolao, Zafirambo avy ao Ankily Vohitramba Vohipeno, mpanao gazety.
(source: La Gazette de la Grande Ile du 11 Décembre 2019) – Mbola hitohy …
Fanjakana Antemoro: ny firafitra ny fitondrana sy ny fitantanam-panjakana ary ny vina (tohiny)

Araka ny efa nambara teto tamin’ny lahatsoratra nivoaka tamin’ny 10 desambra 2019 dia i Ndrenogny Ramasitrakarivo Marc brilliant no ampanjaka ao Ivato Fenovola ao Vohipeno. Izy no ampanjaka Ndrenogny nisolo an’i Ndrenogny Ramasitrakarivo Martin Gérard izay tsy iza fa ny zokiny ihany rehefa niamboho ity farany.
Teo aloha dia notanisaina teto ny Ndrenogny Ampanjaka nifandimby tao Matitanana tao Vohipeno nanomboka ny taona 1336 ka hatramin’ny taona 2020 izao. Efa ho 684 taona izao no nijoroany ary mbola tsy rava mihitsy. Rafi-panjakana nentin’i Reis Imam Orkhan Herios na Ramakararo izay mpanjaka Jiosy Hebreo avy any Kanana nifindra monina eto Madagasikara no rafitra mbola iainan’ny Antemoro izay notarihin’ireto Anteony ireto.
Manana ny “vina” ny “rafitra” ary ny “andraikitra” ny fanjakana Antemoro ka ny Sorabe no mamaritra izany. Boky nolovainy avy amin’i Abrahama na Ibrahim izay razamben’izy ireo izany. Io no boky voalohany nomen’Andriamanitra ny zanak’olombelona. Ity boky ity no mibaiko ny fiainan’ny Antemoro. Ny fitsaboana, ny fitondrana fanjakana ary ny fivavahana no ao anatin’ny Sorabe. Hajain’ny Antemoro rehetra izany. Manana ny lapa tokana itambarana ny Antemoro izay ao Ivato-Fenovola. Ny Antemoro rehetra izay ivondronan’ny Anteony, ny Antalaotra izay ahitana ny Anakara taranak’i Altawarath ao Vatomasy sy ny Antesavagna izay taranak’Andriatsimeto Ragnaha, ny Onjatsy ary ny Ampanabaka antsoina ihany koa hoe Fagnarivoana.
Samy manana ny andraikiny mazava tsara hatramin’izay izy rehetra ireo.
Mba hahamora ny fandraisantsika izany fanjakana ao Vohipeno izany dia toa izao ny sary fohy manambara ny rafitra iainan’ny fanjakana Antemoro hatramin’izay ka hatramin’izao.
Natolotra ny Biraon’ny FIZA ( Fikambanan’ny zanaka Anteony Antananarivo notarihin’ny filohany Capitaine Thomas, Colonel Hariniaina Jean Luc, Ramarolahy Alexandre, Randrianirina Thiery, Fidélys ) ary Randriambe Jesy Rabelaolao.
(source: La Gazette de la Grande Ile du 18 Février 2020) – Mbola hitohy …
Fomba Antemoro: ny Sorabe sy Sakandro
Ny « Ziva » (t)eo amin’ny Fihavanana malagasy
NY ZIVA
NY FIHAVANANA:
Anisan’ny mampiavaka antsika Malagasy amin’ny firenen-kafa ity resaka fihavanana ity ary mampiaiky an’izao tontolo izao fa saro-bahana ny fihavanana Malagasy. Ka na dia nisy aza ireo tetika maro samihafa entina hanasaraham-bazana ny samy Malagasy dia tsy tanteraka izany fifandrafiana ny samy mpiray tanindrazana izany.
Ankoatry ny fihavanana amin’ny alalan’ny Faditrà na fatodrà, hifanaovan’ny olona roa tonta na olona roalahy, na roavavy, na lahy na vavy ho enti-mañatsara ny fihavanana (satria na dia olon-droa no mifatidrà na mifatodrà ), ny fihavanana Malagasy dia mitatra ary mitohy ho azy eo amin’ny vahoaka na fokonolona rehefa nampiraisin’ireo olon-droa ireo izany fihavanana izany.
Amin’izao fotoana iainantsika izao dia sady mampalahelo sy manahirantsaina fa somary goragora sy ravarava ny fihavanan’ny Malagasy; hita fa tsy miseho miharihary anefa izany, ary somary miharatsy mihitsy aza.
Tsy voatanisa ny antony mahatonga izany araka ny fantatra : anisan’izany ny fitiavam-bola tanteraka sy tafahoatra ka manjary hanarian-kavana, manampy trotraka ihany koa ny raharaha politika, ka raha tsy iray làlana amiko dia tsy izy.
Na dia eo aza izany dia soa ihany fa mbola misy ny fihavanana Malagasy tsy tontan’ny ela ary tsy simban’ny arafesina sy ny bobongolo, dia ny Zivan-drazana izany. Maro no efa tsy mahalala izany ankehitriny na dia efa olon-dehibe izao aza, fa efa variana amin’ny fahasarotam-piainana sy ny fanatontoloana. Mahafantatra ny amin’ity teny Ziva ity avokoa ny maro manerana ny nosy, izay Fihavanana manan-kasina amin’ny Malagasy.
TOY IZAO NO FILAZAN’NY ISAM-PARITRA AZY :
- Ziva sy lohateny hoy ny njoaty Antakarana
- Ziva-lohateny Fanjivana –Zaka vala hoy ny tsimihety
- Tsy maty manota – lohateny (fifanekem-pokonolona ) hoy ny Merina
- Ziva hoy ry zareo avy ao Ambongo Morondava
- Ziva hoy ny Sakalava
- Fañompa – Soman-dRaza hoy ny Tesaka
- Olo-miray – Fañompa hoy ny Antemoro
Indro kosa ireo isam-poko manana fihavanana amin’ny alalan’ity Ziva ity, fa izany no hahafataran’ny maro azy amin’ny ankapobeny.
1- Ireo Vazimba dia Ziva amin’ireo Beosy sy Makoa
2- Ny foko Antañandrano na Tanandrano dia mpiziva amin’ireo Beosy sy Betsileo
3- Ireo Kanjemby, izay Vezo avy amin’ny tapany Avaratry Tambohorano faritany Mahajanga dia Ziva amin’ireo Sandrangoatsy avy ao Kinkony .
4- Ireo Kanjemby avy ao Besalampy dia Ziva amin’ny foko Maromena avy ao Besalampy ihany sy ireo Beosy
5- Ireo Kanjemby amin’ny faritra morontsiraka dia Ziva amin’ireo Antalaotra sy Komoriana (Ajojo)
6- Mbola ao Besalampy ihany, ireo Kanjemby dia mpiziva amin’ny taranaky ny Tsianova
7- Ireo Maromena ao Besalampy dia Ziva amin’ny taranaky ny Manonga
8- Ny taranaky ny Manonga dia Ziva amin’ ny taranaky ny Marolahy
9- Ny taranaky ny Andrafanga dia Ziva amin’ny taranaky ny Kinfotso
10- Ny taranaky ny Tsimanondriky dia Ziva amin’ireo Vezo sy amin’ny taranaky ny Andrafanga
11-Ireo Sandrangoasty avy ao Mitsinjo dia Ziva amin’ireo Kanjemby avy ao amin’ny helodranon’ny Maroambitsy, ireo Matihazo, sy ireo Tambondro Avaratra ary ireo Jongoa
12- Ireo Matihazo dia Ziva amin’ireo Antemamaliky ao Mitsinjo
13- Ireo Antirengy dia Ziva amin’ireo Mandravà avy ao Soalala
14- Ireo Manañadabo, ankilany ary ireo Betsiboka, andaniny dia Ziva amin’ireo Marolaka
15- Ireo Marotokiky dia Ziva amin’ireo Tsiaronjy na Tsaronjy
16- Ireo Sambarivo dia Ziva amin’ireo Tongoa
Avy amin’ny foko TSIMIHETY
17- Ireo Antevongo tambohitsy dia Ziva amin’ireo Antevinañy tompon’ny vinàñy
18- Ireo Zafindrano (taranaky ny rano) dia Ziva amin’ireo Zafindravoay (taranaky ny Voay)
19- Ireo Zafindramahavita dia Ziva amin’ireo Jongoa (Sakalava)
20- Ireo Antotolàny (tokotelo) dia Ziva amin’ireo Antelampy (avy amin’ny Vato) sy ireo Makoa
21- Ny foko Antakarana dia Ziva amin’ireo Anjoaty sy ireo Zafitsimeto
22- Ny foko Betsimisaraka dia Ziva amin’ny foko Betsileo
23- Ny foko Sihanaka dia Ziva amin’ireo Betsileo sy ireo Makoa
24- Ireo Marofotsy, avy ao amin’ny foko Sihanaka dia Ziva amin’ny Sakalava Manañadabo
25- Ny foko Betsileo dia Ziva amin’ny foko Antesaka, indrindra fa ireo Tesaka Rabehavana, izay Zivan’ireo Makoa sy ny foko Betsimisaraka
26-Fa ireo Betsileo Antañandro dia Ziva amin’ireo Beosy
27- Ny foko Merina dia tsy nahalala, na niniana tsy mampahalalaina ny atao hoe Ziva (mety anisan’ny tetik’ady mahery vaika hanokana-monina azy ireo izany). Nefa ara-tantara dia Ziva amin’ireo Vazimba sy ireo Makoa izy ireo. Eo koa ireo Antehiroka taranaka Vazimba dia mpiziva amin’ireo zanak’Andriana, ary lohateny amin’ireo Ajojo.
Ny foko Merina ihany koa dia Ziva amin’ireo Sakalava Boeni. Ny manamarina izany ka voasoritra tsy hay nofafana dia ny fiteny eto Imerina raha sendra misy olona maty ka ataony hoe “Sakalava robaka”. Raha tsy mpiziva ry zareo fahiny dia tsy ho nitoetra mihitsy io fombam-pitenenana io. Io ilay Fañompa ifamatoran’ny mpiziva.
28- Ny foko Antemoro dia Ziva na lohateny (na Fañompa) amin’ireo Makoa,
29- Ireo Anakara dia fañompa amin’ireo Antevandrìka
30- Ireo Antevandrìka dia Fañompa amin’ireo Zafiraminia
31- Ny foko Antesaka dia Fañompa amin’ireo Betsileo sy ireo Mahafaly
32- Ireo Sahafero dia Ziva amin’ireo Rabehava
33- Ireo Tiara dia Ziva amin’ireo foko Bara Tevohobe
34- Ny foko Bara dia Ziva amin’ireo Manendry, izay taranaka Vazimba
35- Ny foko Tanôsy dia Ziva amin’ireo Tandroy, sy ireo Tandramanàka
36- Ireo Telamaro dia Ziva amin’ireo Tandramanàka
37- Ireo Temananteny dia Ziva ny foko Betsileo
38- Ny foko Tandroy dia Ziva ny Tanôsy
39- Ireo Ivondrobe dia Ziva amin’ireo Karimbola
40- Ireo Karimbola dia Ziva amin’ireo Tandroy Tetreso
41- Ireo Mahafaly dia Ziva amin’ireo Tanôsy sy ireo Tesaka
42- Ireo Sianamavo dia Ziva amin’ireo Tetsiraraka
43- Ireo Tevohitse dia Ziva amin’ireo Tameantsoa
44- Ireo Zanakanga dia Ziva amin’ireo Temilahe
45- Ireo Temitongoa dia Ziva amin’ireo Tefaho , Andrianjoho , Tefoli , Sambaindrano
46- Ny foko Makoa dia Ziva amin’ireo Temoro, Betsileo, Merina ary koa ireo Antimahory ( izay tonga avy any Mayotte) Comores.
47- Ireo Zaramanaga dia Ziva amin’ireo Tesaka sy Temoro.
Hita sy fantatra amin’izany ary fa saika voafaritry ny fihavanana amin’ny alalan’ity ziva ity avokoa ny Foko manerana ny Nosy mantolo. Somary natory na nampanginina izy ity tamin’ny andron’ny Fanjanahatany mba hampifandrafisana ny samy Malagasy. Foko manan-kasina daholo ny monina eto amin’ity Nosy misy antsika ity, ka tsy mendrika ny ady an-trano, na amin’ny fomba sy endrika samihafa. Satria Nosy iray, tsy azo sarahina na zarazaraina.
Tsara ho marihina manokana ny fihavanan’ny Antemoro sy ny aty am-povoatany, indrindra fa ny Merina. Fihavanana nisy hatrany am-piandohana io, fahiny elabe, ary na dia ny tendrombohitra roa ambin’ny folo (12) eto Imerina aza dia saika misy rà Antemoro avokoa .
Misy hevitra tsara asiam-panitsiana ihany koa ny tamin’ny fotoana nipetrahan’ny Antemoro ho Mpanolon-tsaina teto Imerina. Tsy Andriamahazonoro irery na ny Anakara irery ihany no notendren’Andrianampoinimerina ho “Andriamasinavalona” tamin’ny 1188 (taona Hazira): fa ny foko Antemoro manontolo (jereo ny boky nosoratan’ingahy Kasanga Fermand).
Tiana ambara sy amafisinay etoana fa ny Foko Antemoro dia anisan’ny nahay nandrindra fihavanana sy nahay nampihavana ny mpiray tanindrazana Malagasy hatrany amboaloany ka mandraka ankehitriny. Azo hamarinina izany manerana ny Nosy, toy ny Foko Mahafaly- Menabe- Tanôsy- Antambahoaka- Sihanaka- Merina- Betsileo- Tanala- Tesaka- Tefasy- Tsimihety – Antakarana – Zafisoro –Bara –Tandroy- Vezo- Sakalava (fito karazana) dia namitrahany fihavanana avokoa.
TENY FAMARAÑANA :
Ny ZIVA dia fihavanana avy amin’Andriamanitra sy ireo Razana teo aloha.
Fa ny Fatidrà kosa dia nataon’ny olona mpifankatia ho fihavanana vaovao.
Ary ny Fiandrianana dia fanomezana sy tolotra avy amin’Andriamanitra fa ny maha Mpanjaka kosa dia Tendry sy safidy nataon’ny olombelona.
Koa na dia tsy Mpanjaka aza ny olona iray dia efa Andriana izy, ary manana ny fiandrianany.
Ary misy koa efa Andriana ilay olona no sady voatendry na voafidy ho Mpanjaka.
Ny havanareo,
Printsy Jobily RAKOTOSON

Une grande figure et « raiamandreny » de la nation s’est éteinte. Il s’agit de Jobily Rakotoson qui vient de décéder, hier lundi 27 janvier 2020 à l’âge de 95 ans. Hospitalisé depuis quelques semaines suite à une maladie qui le rongeait depuis un certain temps, il a rendu son dernier soupir à l’HJRA d’Ampefiloha.
Jobily Rakotoson était parmi les fondateurs de l’association des « Raiamandreny Mijoro » pendant les crises de 2002, puis membre du « Comité du Fampihavanana Malagasy » (CFM) dont il en est le doyen d’âge.
Sa dépouille mortelle sera veillée à son domicile d’Ambohipo avant d’être acheminée, demain mercredi 29 janvier vers son village natal à Vohipeno où il sera également inhumé.
La rédaction de l’Agence Malagasy de Presse (AMP) présente ses sincères condoléances à la famille de cet illustre défunt qui, on peut le dire, a laissé son empreinte dans la marche des affaires nationales.
(source: AMP)
PS:
Une précision concernant le décès de Jobily Rakotoson nous a été notifiée par la famille. En fait, cet illustre défunt a fait une chute, samedi dernier, à la suite de laquelle il a été hospitalisé d’urgence à l’HJRA. Malheureusement, cette chute lui a été fatale et les médecins n’ont pu que s’en remettre à la triste réalité.
Toutes nos excuses à la famille et encore une fois, nous lui renouvelons nos sincères condoléances. Pour rappel, la dépouille mortelle de Jobily Rakotoson sera transférée aujourd’hui à Vohipeno où il sera également inhumé.
Ny Aty Aminay: Foko Anakara ao Matitanana
Iray amin’ireo antokon’olona, na Trokiny, mandrafitra ny Foko Antemoro ao Vohipeno, Manakara, ity foko ao Vatomasina (na Vatomasy) ity. Ary tamin’ny fotoan’androny dia nanafaran’ny Mpanjaka Andrianampoinimerina solontena honina teto Antananarivo mba ho mpanolotsaina azy sy Radama I teo amin’ny fandaminana ny raharaham-panjakana sy ny fampiraisam-pirenena.
Ilon-dRazana sy Hasina miampita: « Référent identitaire »
Ambohiniazy, Itasy: Taom-baovao malagasy 2018
Nankalazain’ny mpandala ny nentin-drazana tao amin’ny Ivon’i Madagasikara, antsoina hoe Ambohiniazy, izay toerana nanjakan’Andriambahoakafovoanitany ny faha-17 sy 18 Mars 2018 ny Taom-vaovao malagasy 2018.
Lilindraza: Antanosy
Taranaka Zafiraminia, mifandray amin’ireo foko avy amin’iny Atsinanan’i Madagasikara rehetra iny ny Antanosy, na Tanosy. Tao Fanjahira no vohitra nipetrahan’ny Mpanjaka. tamin’izany. Avy ao dia nikisaka niankandrefana nipaka hatrany amin’ny Sakalava ny taranaka.
Fomba Antemoro: ny Sorabe sy Sakandro
Fomban-drazana Antemoro Anakara ao Vatomasina, Vohipeno, Faritra Fitovinany: fitsofan-drano, fifampiarahabana amin’ny Taona vaovao.
https://tanikomadagascar.wordpress.com/2020/01/28/ny-ziva-teo-aminny-fihavanana-malagasy/
