Antenimierandoholona

Nolanian’ny Antenimierandoholona ny tolo-dalàna telo natolotry ny Jeneraly Ravalomanana Richard

Publié le Mis à jour le

Tolo-dalàna mifehy ny fifidianana amin’ny ankapobeny sy ny fitsapan-kevibahoaka, ny mifehy ny fifindra-monina tsy ara-dalàna any ivelany,  sy ny mifehy ny fifamoivoizana an-dranomasina.

Governemanta ifarimbonana : «Manakorontana ny filohan’ny Sénat !»

Publié le

Nahoraka ny ampamoaka nataon’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, omaly. Mitsipaka izay nambarany ny governemanta ka miampanga azy ho mpanakorontana.

Nanaitra ny fisehoan’ny filohan’ny Antenimeran­doholona, Razafimahe­fa Herimanana tamin’ny fahitalavitra vahiny, omaly alina. Nilazany fa noterana ny tsy handray fahefana izy ka haleha ho ambasadaoro any ivelany. Noho ny tahotra sia nanaiky izy ary nadefa ny vady aman-janany any ivelany.

Taorian’izay, nihazakazaka nankeny amin’ny foiben’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana, teny Am­bo­hidahy izy. Nanatitra antontan-taratasy milaza ny fahavononany handray ny toerana maha filoha mpisolo toerana azy indray. Nandritra izany no nisintonany ny taratasy fandavany, natao ny 8 septambra. Nilaza izy fa fandrahonana ho faty no antony tsy nakany ny fahefana.

Lainga !

“Manameloka ny lainga nataon’ny filohan’ny Anteni­mierandoholona, Razafima­he­fa Herimanana, ary manamafy fa tsy nisy mpikamban’ny governemanta nanao tsindry taminy na nivantana na ankolaka momba ny fandraisany ny toeran’ny filoham-panjakana mpisolo toerana, na taloha na nandritra ny andron’ny 8 septambra 2023”.
Io ny fanambaran’ny go­vernemanta ifarimbonana tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Chris­tian, omaly, manoloana ny filazana fa norahonana hametra-pialana izy ka tsy handray ny toeran’ny filoham-panjakana mpisolo toerana taorian’ny fametraham-pialan’ny filohan’ny Repoblika.
Ny fanambarana niniana natao, ankatoky ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra ho amin’ny fifidianana, midika ho fanakorontanana tsy hifantoka amin’izany.
Handrasana ny fanapahan-kevitry ny HCC, izay tompon’ny teny farany amin’ity raharaha ity.

(source:R. Nd. sy i Synèse R. – newsmada.com)

« Oniversite maty » hitohy hatramin’ny Alatsinainy, hoy ny SECES

Publié le Mis à jour le

Hanatanteraka Fivoriambe indray ny SECES amin’io Alatsinainy io hanapahana ny tohin’ny hetsika. Manambana ny hitory koa ns solontenan’ny Mpiasan’ny Antenimierandoholona tsy nandray karama.