Brickaville
Zotra Toamasina-Moramanga : hiverina hiasa ny lamasinina mpitatitra olona
Hisokatra afaka herinandro vitsy ny zotra an-dalamby sahanin’ny orinasa madarail, mampitohy an’i Toamasina sy Moramanga. Hamakivaky an’Ambila Lemaitso sy Brickaville ary Andasibe ny lamasinina ka hitondra ainga vao ho an’ny toekarena sy ny fizahantany any an-toerana.
Hiasa manomboka ny 1 jona izao ny fitaterana an-dalamby mpitatitra olona (train voyageur) mampitohy an’i Toamasina sy Moramanga. Niato nandritra ny fotoana ela ity fitaterana ity ka izao hisokatra izao indray. Hisahana ity zotra an-dalamby ity ny orinasa Madarail ka hitondra ireo mpandeha sy mpizahatany avy eo amin’ny Gare manguiers, Toamasina hatrany Moramanga. Mandalo an’Ambila Lemaitso sy Brickaville ary Andasibe ny lalana. Hisitraka izany indroa isan-kerinandro ny rehetra. Araka izany, nisy ny fivoriana niarahan’ny governoran’ny faritra Atsinanana sy ireo tomponandraikitry ny kaominina izay misy ny fiantsonana. Mizara roa ny saran-dalàna amin’ity zotra an-dalamby ity. 15.000Ar ny saran’ny fandehanana ho an’ny “1ère classe”, mampitohy an’i Moramanga sy Brickaville. Raha 10.000Ar izany ho an’ny “2ème classe”. Natao ho 10.000Ar kosa ny saran-dalanan avy ao Brickaville mankany Toamasina ho an’ireo “1ère classe” raha toa ka 7.000Ar ho an’ireo mpandeha hafa.
Hampiroborobo ny toekarena
Ainga vao sy hanala ny fahasahiranan’ny mponina ny fiverenan’ity zotra an-dalamby ity, indrindra amin’ireo toerana saro-dalana sy tsy tongan’ny fiara. Hitondra fampivoarana ny lafiny toekaren’ny tanàna izany sady hampiroborobo ny fizahantany.
Hiainga ao Moramanga hihazo an’i Toamasina isaky ny alakamisy ny lamasinina. Ary ny sabotsy indray avy ao Toamasina mankany Moramanga. Samy amin’ny 06 ora maraina ny fiaingana. Ny alahady kosa miainga avy ao Moramanga mihazo an’Ambila ny zotra amin’ny 7 ora maraina. Miverina any Moramanga ny talata amin’ny 7 ora kosa ny lamasinina rehefa avy ao Ambila.
Henintsoa H. – newsmada.com
Autoroute Antananarivo-Toamasina en construction
Annoncée depuis quelque temps, l’autoroute reliant Antananarivo à Toamasina sera enfin exécutée.

Cent kilomètres de moins. L’autoroute reliant la capitale à la ville de Toamasina sera longue de 260 km contre 365 km pour l’actuelle RN2. Elle passera par Ambatondrazaka. Soit un important gain de temps. Le trajet pourra se faire en trois heures.
C’est la décision prise par le conseil des ministres hier. Les travaux dureront trois ans et seront donc terminés en 2023, année de la prochaine présidentielle.
Cette autoroute comprend deux voies de part et d’autre avec une largeur de 3,5 m chacune avec une voie de dégagement de 1,5 m de chaque côté. Il y aura en outre quatre intersections de voies en l’occurrence un échangeur à Tana, un échangeur avec intersection sur la RN44, un échangeur à Brickaville et un échangeur à Toamasina.
Des ponts, des viaducs, des tunnels, des aires de repos, des postes à péages accompagneront l’ouvrage.
Quatre bretelles permettront de rejoindre Ambatondrazaka contre deux pour relier Brickaville. Un premier tracé de cette autoroute avait écarté le passage à Antsampanana et à Brickaville. Ce qui avait causé l’ire des députés de ces localités.