Dr Laza Rajamarison

« Teraky ny Manjaka »: vela-kevitra nosoratan’i Dr. Laza Rajamarison (taon-jato faha-XXI)

Publié le Mis à jour le

Laza Rajamarison (Docteur ès-Sciences économiques – Macroéconomiste)

Ity lahatsoratra ity dia vokatrin’ny fandalinana ny izay efa voasoratra ary notsongaiko t@ boky fanadihadiana nataon’ny JAKY MENA (niova anarana ho Teraky ny Manjaka, NDLR) izay tena nahavariana ahy tokoa, tatitra momba na valan-dresaka iray nataon-dry zareo ireo ilay izy ka nampandroso ahy t@ fandalinana tantara, ampahany ihany @ izay valandresaka no notsongaiko ary tsy omeko anareo ny auteur ho fanajako azy fa sombiny ihany ity kanefa mahalaza zava-maro tokoa.

Mbola misy ve ny Zanakandriana sy ny Zazamarolahy sa efa Andriamasinavalona avokoa?

Matoa napetraka ilay fanontaniana dia misy izany ny atao hoe misalasala na mametraka olana ny amin’ny hoe fisian’ny Zanakandriana, na ny Zazamarolahy, ka mba nandeha nanadihady aho nanontany hoe inona moa ny antony mahatonga ny olona misalasala manontany hoe efa Andriamasinavalona avokoa ve fa tsy misy intsony ny Zanakandriana, tsy misy intsony ny Zazamarolahy?

Rehefa nohadihadiako dia valiny anankiray lehibe be no hitako ventesin’ny olona sasany dia izao: tsy misy intsony ny Zanakandriana sy ny Zazamarolahy satria sata ny Zanakandriana sy ny Zazamarolahy ka izay maha-sata azy izay dia « miova Andriana miova sata » hoy ny fitenenana.
Raha tsy misy intsony izany ny Andriamanjaka dia tsy misy intsony ny Zanakandriana sy ny Zazamarolahy satria sata napetraky ny Andriamanjaka izany.

Tahaka ny mampahatsiaro ahy ny any Frantsa ohatra tamin’ny fahavelon’ny Comte de Paris dia nametraka izy hoe zafikeliko ranona ataoko « Duc de » izao, zafikeliko ranona ataoko « Marquis de » izao, dia tahaka ny tsy nisy lanjany ihany izany teo amin’ny fiarahamonina frantsay satria tsy nanana fahefana na dia kely intsony aza ny Comte de Paris.

Satria izany efa tsy misy ny sata, dia ao no milaza fa efa teraka dimy fototra izany izao ny Andriana:

1. Ny terak’Andriamasinavalona,
2. Ny terak’Andriantompokoindrindra,
3. Ny terak’Andrianamboninolona,
4. Ny terak’Andriandranando
5. Ny Zanadralambo amin’Andrianjaka.

Fianakaviana izany sisa no mitoetra, anaram-pianakaviana ary ny anaran-drazana nipoirana. Ny fomba hamaliako ity fanontaniana ity dia tsotra dia tsotra fotsiny. Satria anaram-pianakaviana ny fiandrianana, noho izany: raha manan-drazana manokana iavahany amin’ny atao hoe terak’ Andriamasinavalona izy (Zanakandriana sy Zazamarolahy) dia mbola misy izy amiko. Fa raha tahiny kosa tsy misy iavahany intsony amin’ny taranak’Andriamasinavalona iray manontolo ny loharano nipoirany fa dia iray tanteraka tsy misy hoe ny tera-dRanona ihany no Zazamarolahy dia manaiky aho fa efa terak’Andriamasinavalona daholo noho ny anaran-dray tsy anavahana.

Ny itondrako azy izany dia miankina amin’ny famaritana ny Andriana, ilay ohabolan-drazantsika manao hoe tsy nitsotsorika avy any an-danitra tsy akory na nitrebona avy amin’ny tany ny Andriana fa ny loharano nipoirany dia olombelona.
Mba ahitantsika izay, na tsy ahitantsika azy koa, tsy mampaninona izany, dia hiverenako kely ny tantara tamin’ny andron’Andriamasinavalona.

Fony ANDRIAMASINAVALONA nanjaka fantatsika tsara ny zavatra nitranga fa nananjanaka lahy maro izy. Ary tamin’izay zanany maro izay dia nisafidianany ireo zanany ireo hanjaka, valo lahy moa no voatonon’ny Tantara raha ny : “Tantara Ny Andriana” n’ny Rev Père Callet no jerentsika. Dia nisafidy efatra tamin’ireo izy, ao ANDRIANJAKANAVALOMANDIMBY teto Antananarivo sy Merinatsimo, ANDRIANTSIMITOVIAMINANDRIANA teo Ambohimanga sy Avaradrano, ANDRIANAVALONIMERINA teny Ambohidrabiby sy Mandiavato ary ANDRIANTOMPONIMERINA teo Ambohidratrimo sy Marovatana.
Ary izao tsara ny tenin’Andriamasinavalona tamin’izay hoe « ianareo no ametrahako ny fanjakana ». Ary raha ny filazan’ny Tantara Ny Andriana azy dia hoe izy 4 mirahalahy ireo hono izany no Andriamanjaka. Ka ny zanak’izy efa-dahy no natao hoe Zanakandriana, ny zafiny sy ny zafiafiny no natao hoe Zazamarolahy tamin’izay fotoana izay.

Matetika adinodino anefa dia nametraka hafatra anankiray mavesatra dia mavesatra Andriamasinavalona. Izao no hafatra napetrany: « Indreo ianareo efadahy, hoy izy, fa indro kosa ANDRIANAMBONIMENA zanak’anabaviko. Zanakareo efa-dahy io ary izy no ho tompon’ny fanjakanareo efa-dahy amin’ny farany ». Izany hoe latsa-danja izany izy efa-dahy raha miohatra amin’Andrianambonimena raha tena dinihintsika tsara satria izy efatra mirahalahy tsy misy mahazo mamindra ny fanjakana amin’ny zanany naterany fa tsy maintsy Andrianambonimena kosa no mandray ny fanjakana. Niavaka izany Andrianambonimena tamin’ izay satria Andrianambonimena no « Zanakandriana mpandova » na amin’ny teny frantsay « Prince Héritier » tamin’izay fotoana izay.
Ny tantara dia milaza kanefa fa nisy ady teo amin’Andrianjakanavalomandimby sy Andrianambonimena satria nolazain’itsy voalohany fa tsy nahandry tantana Andrianambonimena ka nioko sy nitady handrombaka fanjakana alohan’ny fotoana. Niady izy mianaka, ataoko koa hoe izy mianaka satria ao koa ny filazana fa Andrianambonimena anie dia zanak’Andrianjakanavalomandimby ihany. Nampivadiana ny mpianaka hangalana taranaka (tsy mahagaga izany fa fomba fanao tokoa fahiny) ho tompon’ny fanjakana sady zava-dehibe koa mantsy ilay mivoaka avy amin’ny anabavy satria ny vehivavy no tena mitondra ny hasina.

Niady izany Andrianjakanavalomandimby sy Andrianambonimena, ny tantara dia milaza fa teo Alasora no nametrahana an’ANDRIANAMBONIMENA. Ny Bokin-dRaombana dia milaza fa rehefa niady izy mirahalahy mianaka ireo dia resy tosik’ Andrianjakanavalomandimby Andrianambonimena, resy tosika izy. Ary vokatr’izay fahareseny tosika izay angamba mba hamonjeny ny ainy dia nanoa izy.

Vokatr’izany dia nofoanan’ Andrianjakanavalomandimby ny fandovam-panjakana ho an’ Andrianambonimena. Nanjary very fanjakana saika ho lovana Andrianambonimena ka dia nionona tamin’ny vodivonany teny Alasora ary ny zanany dia tsy Zanakandriana fa Andriamasinavalona . Nanjary Andriamasinavalona Andrianambonimena no niafarany.
Fantatsika tsara izany raha mijery isika amin’izao fotoana izao hoe aiza no misy ny terak’ Andrianambonimena, eny Ambohijanaka ohatra ny terak’ Andrianambonimena dia eny amin’ ANDRIANAVALOMANITSADAHY sy ANDRIANDAHIMBOLAMENA. Andriamasinavalona ny terak’Ambohijanaka.

Izao anefa no olana mipetraka. Ny tenin’Andriamasinavalona tsy azo ovana fa ny terak’Andrianambonimena ihany no ho tompon’ny farany ary tamin’izay zavatra izay moa rehefa nanoa Andrianambonimena lasa Andriamasinavalona dia samy may tehampiakatra ny azy izy efa-dahy zanak’Andriamasinavalona izany ka somary tsy nandraharaha ihany ny tenin’Ikaky, Ikaky rahateo koa angamba efa niamboho taamin’ny fotoana namindrana ny fanjakana.
Andrianjakanavalomandimby namindra ny fanjakany tamin’ANDRIAMPOINIMERINA, tsy ANDRIANAMPOINIMERINA tsy akory fa ANDRIAMPOINIMERINA zanany tamin’Imerinatsimo iray manontolo.
Andriantomponimerina teny Marovatana namindra ny fanjakany tamin’I RATRIMONIBEMIHISATRA zanany izany hoe tsy tanteraka ny tenin’Andriamasinavalona fa tsy maintsy an’Andrianambonimena ny farany.

Teo no niavahan’Andriantsimitoviaminandriandrazaka isan’ny zanakalahin’Andriamasinavalona ary mpanjakan’Ambohimanga satria tsy nampanjaka andRafondrazaka zanany lahy izy fa nanatanteraka kosa ny hafa-drainy. RAVOLOLONDRALAMBO vadibeny izay isan’ny zanak’anabavin’Andriamasinavalona tena tiany ka tsy niteraka koa nanitrikitrika fa ny natera-dRangorinimerina ihany no ekeny ho zanaka azo hatsangana. Ny finoan’izy ireo dia tsy hisy hahavory an’Imerina ho iray mihitsy raha tsy avy amin’ny mpianakavin’Andrinambonimena izay hany tsara tso-drano tamin’Andrimasinavalona ho tompon’ny farany.

Raha ny tena marina anefa dia naterak’Andrianjakanavalomandimby koa Andrianambonimena, izany hoe nampivadina izany ny mpianaka hakana taranaka hampanjakaina (tsy mahagaga izany fa fomba fanao tokoa fahiny) , saingy ny hasina ahazoan’Andrianambonimena fanjakana dia tsy ny maha-zafin’Andriamanjaka azy fa ny maha zanak’anabavin’ny Mpanjaka zana-behivavy azy.
Ary teo kosa ny niavahan’ Andriantsimitoviaminandriana teny Ambohimanga, Ambohidrabiby moa efa voatelin’Avaradrano tamin’izay fotoana izay ka telo toko sisa ny fanjakana lehibe napetrak’Andriamasinavalona: Imerina atsimo iray manontolo, Marovatana ary Avaradrano izay nitelina an’I Mandiavato izany dia Ambohidrabiby.

Takatr’ Andriantsimitoviaminandriana tsara fa tsy mahazo ilay Hasina napetrak’ Andriamasinavalona raha tsy avy amin’ny fianakavian’Andrianambonimena. Ka dia izao no nataon’ Andriantsimitoviaminandriana : nanan-janaka lahy iray izy izay nantsoina hoe RAFONDRAZAKA. Saingy izao: tsy nomeny ny zanany ny fanjakana fa nandeha izy nitady tamin’ny fianakavian’Andrianambonimena tahaka ny hoe  » Andeha aho hisavasava amin’ny fianakavian’ Andrianambonimena raha toa ka nanoa izy ka Andriamasinavalona ny taranany, izaho mino fa mbola manana irai-tampo mitondra ny Hasin’ny fari-bavan’ikaky izy indrindra moa ka anabavy » .

Ary indrindra indrindra araka ilay fantatsika teo fa nametraka Andriamasinavalona hoe ny “zanak’anabaviko no handray ny fanjakana” satria mandray hasina ny anabavy dia nijery tao amin’ny zanak’anabavin’Andrianambonimena Andriantsimitoviaminandriana  » dia teo no nitranga ilay anarana diso fantatsika loatra indrindra ny mpahay tantara hoe RANGORINIMERINA Tamin’izay fotoana izay dia nipetraka teny Androhibe eny ankilan’Antsahadinta Rangorinimerina satria ANDRIAMIFONOZOZORO vadiny dia teraky ry zareo eny Ivatobe sy Androhibe Antsahadinta izany hoe avy amin’ny tera-dRAVOLOLONDRENITRIMO sy ANDRIANDAMBOZOZORO mbamin-dry ANDRIANJAKATRIMO.

Nalain’ Andriatsimitoviaminandriana daholo ny zanakalahin-dRangorinimerina, dimy mirahalahy izy ireo, nentiny teny Ambohimanga ary niteny izy hoe  » Tsy sanatria akory izahay hangala-jaza fa haka zaza hampanjakaina ». Natsangany izy dimy mirahalahy ireo, natsangany izy dimy mirahalahy hoy aho ary nisafidy anankiray izy hitondra ny fanjakana. Voafidy tamin’izany RAKOTOMAVO nisy antony manokana anefa io.
Ny marina mantsy dia zoky lahimatoa Andriamohara ka notangirihin’ Andrianambonimena anadahin-dreniny fatratra mba handimby fanjakana azy eny Alasora ary nampivadiny tamin-dRanavalomboahangy zanany vavy. Tsy maty tao an-tsain’Andrianambonimena mantsy fa zanakandri ana mpandova izy fahiny ka nalainy Andriamohara satria tsy nanoa ho Andriamasinavalona io sady vinantony no zanak’anabaviny ka sao mety ho tafakatra handray fiandrianana ihany ny taranany avy amin’ity zanany vavy.

Nanaiky izany Andriatsimitoviaminandriana ka naka ny lahiaivo Rakotomavo. Tsy afenina anefa fa kely hery Alasora (ara-tafika sy vahoaka) niohatra an’Ambohimanga izay fanjakana lehibe tokoa. Andriamohara kosa no nandray an’Alasora mialoha ary noho ny fifankatiavan’izy mpiray tampo fatratra dia nizarazara teny sy tany Ambohimanga Andriambelomasina alohan’ny nadraisany ny fanjakana. Nanana tanimbary maro teny Alasora Andriambelomasina ka nisy ilay hoe Eroaminandriambelomasina izay tsy foiny mihitsy ary nolovain’Andrianampoina. Ny tera-behivavy moa no nolazaina fa tena mandray ny hasina ary ny maha-zanak’anabavin’Andrianambonimena azy no nampahery
Hasina azy.

Rehefa niakatra teo amin’ny fanjakana RAKOTOMAVO dia niova anarana izy, niova ilay hoe ANDRIAMBELOMASINA. Andriambelomasina dia tsy iza fa raiben’ ANDRIANAMPOINIMERINA dia ny Ombalahibemaso izany. Rehefa lasan’ ANDRIAMBELOMASINA ny fanjakana araka ny thèse de doctorat nosoratan’I Alain DELIVRE dia ANDRIAMBELOMASINA no nahasahy niteny voalohany fa tsy maintsy ho izy no tompon’ny farany amin’ny fari-bavan’IKAKIBE Andriamasinavalona, izany hoe ny lova napetrak’Andriamasinavalona dia izy no nahazaka ny hasina satria ao aminy no nahatanteraka ny tenin’ Andriamasinavalona hoe:  » An’ny zanak’anabaviko ny farany ». Dimy lahy sy valo vavy no natera-dRangorinimerina dia ireto avy :
1 ANDRIAMOHARA, nandova fanjakana ny anadahin-dreniny dia Andrianambonimena izay teny Alasora. Niteraka telo lahy sy iray vavy izy izay niparitaka teny Ambohijoky, Antsahadinta, Fenoarivo, Ambatomanga, Ambohipaniry, sns…
2 ANDRIAMBELOMASINA, mpanjakan’ Ambohimanga. Izy no loharano nipoiran’ny Zanakandriana sy Zazamarolahin’Ambohimanga izay niparitaka ihany koa. Isan’ireny ny naterak’Andrianampoinimerina.
3 ANDRIANTOARANO raiben’i Andrianaivoramahazo zazamarolahy mapanao mari-trano, manan-taranaka eny Alasora, Ambohimanga sy Miarinarivo Ambohipananina, sns,…
4 RAMISAMANJAKA tompom-bodivona teny Anosiarivo, nisy zanany koa eny Antanamalaza sy Ifandàna.
5 ANDRIAMPALIMANANA sy ny terany eny Tsirangaina amin’Ambodirano sy Ambohidrangory.
Amin’ireo anabaviny valo dia ny iray no tadidy anarana fa nanan-taranaka, dia : RANDRIANIZAZA renin’ Andriantsoanandriana sy Andriankotonavalona lehibe tamin’ny tafik’Andrianampoinimerina ary nisy koa. Andriambelomasina izany indroa miditra mihitsy satria izy zanak’ anabavin’ny zanak’ anabavy.

Ary rehefa nanjaka Andriambelomasina dia niakatra ny zafikeliny mbola zana-behivavy ihany koa io dia ANDRIANAMPOINIMERINA izany. Ary Andrianampoinimerina no nahavory indray ilay fanjakana lehibe napetrak’ Andriamasinavalona. Tsy vitan’ny voavoriny aza ny efa-tokon’ Andriamasinavalona fa mbola nitombo lavitra noho izany, lasa enin-toko ilay izy. Resiny na nanaiky azy avokoa ny eran’Imerina ka ny “Andriambohitra” rehetra isan-tsokajiny dia Andriamasinavalona avokoa.

Fa ny terak’Andriambelomasina sy ny teraky ny iray tampo amin’Andriambelomasina kosa dia tsy nampanoavina ho Andriamasinavalona mihitsy hatramin’izay satria ireo no nateradRampananamboninitany , natera-dRangorinimerina mpitondra ny hasina napetrak’Andrimasinavalona. Ireo no “famille royale” zazamarolahy hatrany hatrany araka nifampitan’idadabe sy inenibe fa tsy andriana vao omaly akory.

Mazava tsara ny tenin’Andrianampoinimerina raha mamaky ny “Tantara ny Andriana” ianareo . Any amin’ny faramparany any dia miteny izy hoe »Indreo ianareo Zazamarolahy terak’Andriatsimitoviaminandrindrazaka », (tsy iza io fa ilay ray nanangana an-dry Andriambelomasina mirahalahy avy) sy terak’Andriambelomasina sns… dia nampiany hoe  » Ianareo no teraky ny trano fohiloha », dia teraky ny havany akaiky dia ny an’Andriambelomasina mianadahy avy. Ny tena manahirana amin’ilay izy anefa ny naloaky ny kibon’Andriatsimitoviaminandriana efa lasa andriamasinavalona fa ny zaza natsangana 5 lahy mbaminy ny an-dRandrianizaza anabavin’izy ireo no natao hoe Zazamarolahy dia ny tera-dRangorinimerina izany. Ny fakana zanakandriana kosa dia ny tera-behivavy @ terak’Andriambelomasina ihany. (sns…)

Nangonina sy nohadihadian’i Dr. Laza Rajamarison, ary notsongaina tao @ilay tatitrin’ny resadresaka ifanaovan’ireo atinandriana momba ny fiandrianana ka navoakan’ny Fikambanana Jaky Mena ho rakitra.