fanabeazana fototra

Demokrasia «garabola» tsy ampy «fanabeazana fototra» (Chronique)

Publié le

Tsy voatery ho marina avokoa izay voasoratra an-gazety, izay voalaza amin’ny radio, izay hita amin’ny TV, izay aparitaka amin’ny Facebook, fa dia mahagaga fa misy mino hatrany izay avo vava indrindra. Indraindray aza, mba tsy hilazana hoe matetika, izay fatra-pamorona indrindra no inoan’ny «mpanara-baovao» kokoa.

Fitaizana tsy ampy, fahalalana tapany, no hita ho anton’izany. Ny Demokrasia tandrefana, izay tiantsika alain-tahaka, dia nanana an-jato taona maro nifampitaizana tamin’ny politika, na ny mpanao politika, na ny vahoaka, na ny mpanao gazety. Ny Malagasy ka vao tamin’ny 14 mey 1939 no nandatsa-bato (nahazo vato 11.626 tamin’izany i Pastora Ravelojaona, ho «délégué élu des populations autochtones de Madagascar à la représentation de Madagascar au Conseil Supérieur de la France d’Outre-mer»).

Tany Englanda (Angletera) ohatra, izay heverina fa Razamben’ny demokrasia ara-antenimiera («démocratie parlementaire») manerantany, dia gazety telo lehibe no nifanindran-dalana, niara-nitombo tamin’ny demokrasia.

«The Times»: niforona taona 1785. Teto amintsika tamin’izany, Ramboasalama vao nahavory an’Avaradrano ka an-dalana ho tonga Andrianampoinimerina. Ny taona 1850, tafakatra 40.000 isan’andro ny Times natonta ka lasa «mpanamboatra ny saim-bahoaka»: noho ny fanoratra voakaly sy ny fitantarana niezaka nanaja ny marina. Gazety anglisy voalohany nandefa iraka hitantara ny ady tany Krimea (1853- 1856), hany ka tao amin’ny Times no nahafantaran’ny Governementa britanika ny tolo-kevitry ny Rosiana hampitsaharana ny ady.

«The Guardian»: niforona taona 1821. Teto amintsika, ny volana desambra 1820, ilay misionera David Jones (London Missionary Society) no nisantatra ny sekoly voalohany indrindra teto Imerina. Nampiavaka hatrany am-boalohany ny «Guardian» dia izy niforona ivelan’ny Renivohitra satria tany Manchester. Ilay mpanao matoan-dahatsoratra nampalaza ny gazety, Charles Prestwich Scott, no namoaka ilay fomba fisaina hoe «Raha malalaka ny hevitra, masina kosa ny vaovao. Na ny feon’ny mpomba, na ny hevitry ny mpanohitra, samy manan-jo ho henoina».

«Daily Telegraph»: niforona taona 1855. Teto amintsika, taona nahafatesan-dRaombana, ilay Malagasy voalohany indrindra nanoratra ny Tantara, saingy nataony tamin’ny teny anglisy noho ny tahotra ny Mpanjaka Ranavalona I. Ny Telegraph no gazety anglisy voalohany sahy nampidina ny vidiny ho «penny» tokana (ohatran’ny hoe gazety L’Express de Madagascar vidiana ariary na irambilanja).

Ny «Teny soa hanalana andro» (1 janoary 1866) no gazety malagasy voalohany. Ka ny London Missionary Society, izay mbola niandraikitra ihany koa ny «Antananarivo Annual» (1875) sy ny «Mpanolotsaina» (1877) no tompon’antoka.

Lire la suite »