JMJ Mada X Antsirabe

Antsirabe JMJ MADA X: nandefa solontena ny JMJ International avy any Portugal

Publié le Mis à jour le

Fantatra fa i Portugal no handray ny JMJ International 2023  (01-06 Août 2023) izay voatery nahemotra noho ny fisian’ny Covid-19. Hiaraka amin’ny Tanora ny Papa François amin’io fotoana io, ary mety hitsidika an’i Fatima izay nisehoan’i Masina Maria tamin’ny Mpiandry ondry kely telo mianadahy tamin’ny taona 1917, rahefa nialohavan’ny Anjely avy any an-danitra ny taona 2015.

JMJ MADA X ANTSIRABE 2022

Publié le Mis à jour le

Araka ny fantatra dia ny 30 Aogositra ka hatramin’ny 04 Septambra 2022 no hatao any Antsirabe ny JMJ Mada X, izay Fihaonambe hanasana ny Tanora katolika malagasy hatramin’ny 35 taona  (mbola tsy manambady) eto amin’ny Nosy.

CLIP FANENTANANA JMJ MADA X ANTSIRABE (TSY HIRA FANEVA)

Les JMJ de Paris 25 ans après

Le 24 août 1997, 1,2 million de fidèles étaient rassemblés sur l’hippodrome de Longchamp pour la messe de clôture des Journées Mondiales de la Jeunesse à Paris. Le succès de la rencontre surprend le pays, et laisse apparaître le visage de jeunes générations prêt à vivre leur foi et témoigner de l’Evangile.

Que reste-t-il de ces JMJ de Paris ? Comment ont-elles transformé l’Eglise en France ? Les défis de l’évangélisation sont-ils les mêmes aujourd’hui ? KTO vous propose de revoir des images exceptionnelles de nos confrères du Vatican au côté du pape Jean-Paul II durant son séjour français, ainsi que des témoignages 25 ans après de quelques uns de ceux pour qui l’évènement fut fondateur. Avec nos invités, dont Mgr Michel Dubost, évêque coordinateur des JMJ de 97 et le Père Vincent Breynaert, coordinateur français des JMJ 2023 à Lisbonne. Animée par Philippine de Saint Pierre et Etienne Loraillère.


JMJ, 30 000 kits pour les participants remis à l’Evêque du diocèse d’Antsirabe.

30 000 kits pèlerins constitués  de sacs et de gourdes, de la part du couple présidentiel, ont été remis ce jour à Mgr Philippe Ravaivomanana, Evêque du diocèse d’Antsirabe. Les kits seront distribués aux participants des Journées mondiales de la jeunesse qui se dérouleront du 30 août au 4 septembre dans le Vakinankaratra. Lire la suite »

Tononkira: Hira Faneva JMJ Mada X – Antsirabe

Publié le Mis à jour le

Araka ny fantatra dia ny 30 Aogositra ka hatramin’ny 04 Septambra 2022 no hatao any Antsirabe ny JMJ Mada X, izay Fihaonambe hanasana ny Tanora katolika malagasy hatramin’ny 35 taona  (mbola tsy manambady) eto amin’ny Nosy.

CLIP FANENTANANA JMJ MADA X ANTSIRABE (TSY HIRA FANEVA)

Mitsangana ho vavolombelon’izany zavatra hitanao zany e!»
Mandehana torio amin’ny fiainanao ny Vaovao Mahafaly e
I- Teny an-dalana ho any Damasy dia izao ny zava niseho
Nisy hazavana nanaitra an’i Saoly ka lavo izy( sy) nandre feo
« Nahoana izato ianao no manenjika ahy toy izao ?
Miarena fa ho sasa-poana, izaho no manendry anao
Fanaka voafidy ho ahy ho vavolombeloko ianao »

🙏Jesoa no miantso maniraka hoe mitsangana ianao
Ataoko ho vavolombelon’ny zavatra izay hitanao
Miarena ka mandehana, izay nataoko andeha ambarao
Dia nanaiky sy niarina izy , nanolotra fo vaovao
Apostolin’ny tanora isika tanora andeha hiroso hatrany
Ankaherezin’ny Eokaristia, mitory ny vaovao mahafaly

👉Hijoro ho Vavolombelona sy hitondra hazavana satria
Hanentana ny Mpiarabelona hiara dalana amin’i Kristy
Hitory ny fibebahana , sy hanaja ny zava- boahary
Ho fanasina sy ho fanilo, hikatsaka ny ho lavorary
Hitondra ny Lakroa, hanerana ny vazan-tany
Mitsangana mijoroa ry tanora o ! ho vavombelon’izany zavatra hitanao izany, torio ambarao
Entanin’ny Fanahy isika, velomin’ny tenin’Andriamanitra,

👉Miombona ao amin’ny Eglizy no hamaly izany antso izany
Koa mangataka aminao ry Jesoa , Md Joany Paoly faharoa
Ianareo Olomasina , sy ireo Olon-tsambatra : MIVAVAHA HO ANAY(in2)
I Masina Maria mbola hanampy foana, hiaina ny Fitiavana sy ny Finoana
Papa Fransoa ilay Mpamafy Fiadanana, Fanantenana : fitaratra ho antsika
Matoky hatrany fa eo i Kristy hitantana ny dia
Matoky hatrany mijoro satria Mpianatra sy irak’i Kristy
Jesoa o ! inty aho, Jesoa o ! iraho aho (in2)