mpanavakavaka

Hatraiza no «Tia Tanindrazana», rehefa inona no «Mpanavakavaka» ?

Publié le Mis à jour le

«De minimis non curat praetor» : ny tompon’andraikitra ambony tokony tsy handany andro amin’ny zava-poana. Teny latina fampiasa tamin’ny andron’ny Romana, taonjato faha-4 talohan’i J.-K.. Heviny : Resaka hala-botry tsy entina an-dRova. Mitovy hevitra aminy ny hoe «Aquila non capit muscas» : ny voromahery tsy manenjika lalitra. Aleoko tsy mandany andro mitanisa izay nivadika palitao atsy, na manatsatso izay nivarotra fanahy aroa. Misy mantsy ireo raharaha fototra tokony imasoana, iankinan’ny ho avin’ny Tanindrazana sy ny taranaka. Na hisy na tsy hisy fifidianana, resaka tsy maintsy atrehina satria mihatra aman’aina.
Isan’ny tena mavaivay, dia mikasika ny fidiran’ny vahiny sy ny fanorenany fonenana ary ny fakany taranaka eto Madagasikara.

Haintsika loatra ny fahasarotan’ny taratasy takiana amintsika rehefa hivahiny any an-tanin’olona. Ny antsika anefa, vita moramora eny amin’ny seranam-piaramanidina (izany hoe ihany koa eny amin’ny seranan-tsambo izay sisintany) ny fahazoan-dalana hiditra sy hitoetra eto Madagasikara.

Malaza, satria manaitra ny olona, ny mahita ireto Vahiny mivarobarotra mofo amoron-dalana. Isika, raha hivahiny an-tanin’olona, takiana fidiram-bola farafahakeliny iainana ara-dalàna isanandro : ary itony Vahiny itony, nekena ho tonga tanam-polo ? Raha any amin’ny firenena sarotiny amin’ny taniny sy ny fombany, tsy miandry ela dia efa roahina hody any aminy satria ny fahasahiranana mahazo ny teratany aza efa tsy hita izay anaovana azy. Lire la suite »