mpisoloky grady sy laharana
Jeneraly sandoka Israel : Tsy amelan’ny mpiandry fonja, marobe ny fitoriana

Dimy taona nisandohana hoe Jeneraly. Tsy nisy tahotra na henatra na ny kely aza ilay rangahy tao anatin’izany fisandohana andraikitra izany. Raha ny marina anefa dia bokotra roa (Lietnà) ihany no tena galona ananany. Sahiny tanteraka ny mampiasa ny anarana Jeneraly, ny fitafy rehetra mahakasika an’izany, ny karatra voatefy tsara ary milaza fa izany ny galonany. Mbola sahiny koa ny mandeha miasa isan’andro ary manao izany fitafy izany na dia fantatry ny rehetra ao anatin’ny fandraharahana ny fonja aza fa mpisandoka andraikitra izy. Tsy iza fa i Ravalison Arile Jean de Dieu, fantatry ny olona marobe voasolokiny tamin’ny hoe Komandà Israël. Taty aoriana izany dia nivadika ho Jeneraly Israël. Tena nentiny nanaovana asa fisolokiana marobe io kintana telo niambozonany io. Isan’izany ny olona izay voarebirebiby fa manana tany be nomen’ny voafonja azy izy.