Purgatoire
EKAR maneran-tany: manomana ny Taon-Jobily manetriketrika 2025: famelan-keloka sy ny sazim-pahotana ho an’ny tsirairay
Tsy diso anjara amin’izany isika eto Madagasikara. Manazava ny RP Rakotoarisoa Jean Claude sy Mgr Rosario Vella izay Evekan’i Moramanga.
Raha tsiahivina amin’ny fomba tsotsotra ny hevi-dehibe fonosin’ny Jobily, ho an’ny Eglizy katôlika eran’izao tontolo izao, ny antsoina hoe « famelan-keloka » dia iray amin’ireo Sakramenta fito (voatondron’ny Fiangonana ho « Fitaovam-pamonjena » ho an’ny Fanahin’ny Olombelona tsirairay avy).
« Sakramentan’ny Fampihavanana » [amin’Andriamanitra] no fiantso azy, ary fantatry ny rehetra amin’ny fiteny hoe « Konfesy ». Ny olona voahosotra manokana [nahazo ny « Sakramentan’ny Filaharana », na « Ordination »], dia ny Eveka sy ny Pretra irery ihany, no manana io Fahefana lehibe avy amin’i Kristy Zanak’Andriamanitra io.
Ny « sazim-pahotana » voalaza eto indray, dia ny « asa fivalozana na asa fanonerana » ny ratsy natao sy ny heloka vita, izay takin’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny Pretra sy ny Eveka amin’ny mpibebaka mba ho famotsorana ny heloka nambarany. Ny Fahefan’Andriamanitra anefa dia mitoetra mandrakizay, ka IZY irery ihany no mahalala raha nahaonitra tanteraka araka ny Fitiavany ny fanaovan-tsoa sy ny asa Fiantrana ny mpiara-belona nataon’ny olona tsirairay nandritra ny androm-piainany teto an-tany. Io no mahasamihafa ny lalan’ny fanahin’olombelona rahefa maty: na mahazo ny Lanitra avy hatrany, na mbola midio manefa ny « sazim-pahotana » ao amin’ny Afo fandiovana (na « Purgatoire ») vao mangatsaka sy mendrika ny fanahy hahazo ny Lanitra sy hahita ny Tavan’Andriamanitra. (Jereo ny Katesizin’ny Fiangonana Katôlika)
Ireo fonjan-kevitra ireo no mahazava-dehibe ny Taon-Jobily maneran-tany, toan’io karakarain’ny Fiangonana amin’ny taona 2025 io. Ny taona 1475 no nanomboka nankalazaina isaky ny 25 taona ny Jobily araka ny notapahan’ny Papa Paoly faha-II. Tamin’ny 30 Aprily 2000, noho ny fangatahan’i Jesoa Kristy, dia nodidian’i Papa Md Joany-Paoly faha-II ny Fankalazana maneran-tany ny Famindrampon’Andriamanitra isaky ny Alahady aorian’ny Paka.
Pourquoi prier pour les âmes du purgatoire ?