vaky ambiaty
Lava dinika malain-kanan-dratsy: Taom-baovao malagasy

Miverina isan-taona, isaky ny «taom-baovao» moa ity adi-hevitra ity ka nofongariko indray ny iray tamin’ireo lahatsoratra efa nataoko taloha : «Aleo manontanintany foana toy izay manaotao foana» (05 martsa 2019). Telo taona lasa dia nentiko tao ny fanazavana nomen’ny Taranaka Ambohidrabiby sy ny Trano Koltoraly, dia ny hoe amin’ny vanimpotoana iakaran’ny vokatra, fararano iotazana, mahavoky vahoaka, no mifampiarahaba falifaly, satria ny lohataona no vanimpotoana indray kosa hiasana ny tanimbary ary hamafazana.
Dia mbola nitohy tahaka izao ilay lahatsoratra : «Amin’ny fiteny taloha dia misy ny hoe «fararanom-bari-aloha» sy ny «fararanom-bakiambiaty». Hoy ny Firaketana (I, 300 sy 301): «AMBIATY : Rehefa mivelatra ny voniny (volana août) dia fotoana famafazan-ketsa, atao hoe vakiambiaty aorian’ny varialoha izay afafy aoriana kelin’ny fararanom-bakiambiaty volana mai (…) miomana hamafy ny vary vakiambiaty faramparan’ny volana juillet». Misy oha-pitenena ihany koa, «Erika mamonto ambiaty» : ilay ranonorana mikija amin’ny tsinam-bolana août, amin’ny fanetsam-barialoha sy ny fiomanana amin’ny famafazan-ketsam-bary vakiambiaty». Hoy ny Rakibolana (Régis Rajemisa-Raolison, 1985) : «VARY VAKY AMBIATY, vary afafy amin’ny fivelaran’ny vonin’ny ambiaty, izany hoe amin’ny volana septambra, mifanohitra amin’ny atao hoe VARY ALOHA izay afafy amin’ny volana avrily sy mey». Raha fehezina avokoa izay voaangona tamin’ny 1885 (Richardson), 1888 (Abinal-Malzac), 1939 (Firaketana) ary 1985 (Rakibolana) dia misy fararanom-bary roa izany eto Imerina satria mamafy sy manetsa indroa.
Marihina fa «Ny Gazety Malagasy» dia nitatitra ny «fifaliana noho ny fararano», izay natao tao Anatirova tamin’ny alahady 23 adalo (15 mey) 1887.
Ka izay indrindra no efa nampametra-panontaniana, telo taona lasa : «Fararanom-bari-aloha, Fararanom-bary vakiambiaty, azoko ekana tsara mihitsy ny fampifanojona ny zavatra rehetra atao amin’ny toe-tany sy ny toetrandro misy ny Nosintsika. Noho izany indrindra ary no mahavelom-panontaniana ahy: raha fararano roa sosona, moa ve izany taombaovao roa sosona ?»