?y Ainga

Om-Gui : Mpanoratra, mpihira, mpanabe

Publié le Mis à jour le

Copyright Image : © Om-Gui Rabesaiky

Raha vao maheno izany anarana hoe : Om-Gui izany dia ny tarika Ny Ainga no tonga voalohany ao an-tsaina. Talohan’ny naha-mpihira azy anefa dia mpanoratra i Om-Gui ary mpikambana tao amin’ny Faribolana Sandratra, fony fahavelony.

Rabesaiky Guillaume Marie no anarany feno. Nalaina avy amin’ny famadihana ilay fanampin’anarany « Guillaume » ilay solon’anarany ahafantaran’ny maro azy, dia ny hoe : Om-Gui. Ny 10 Janoary 1963 izy no teraka, tany Ambohimahasoa. Ny 5 Jona 2016 kosa izy no lasa tany amin’ny varo-tsy mifody, rehefa tratran’ny lozam-pifamoivoizana tao Tombotsoa Vakinankaratra, raha izy handeha hanatanteraka fampisehoana tany Antsirabe iny.

Mpanabe, mpanao pôlitika

Ankoatra ny fiofanana ho frera nataony, dia nianatra momba ny toekarena teny amin’ny oniversiten’Antananarivo ihany koa i Om-Gui. Etsy an-daniny, manana ny mari-pahaizana « doctorat » momba ny teôlôjia izy, taorian’ny fianarana nataony tany Côte d’Ivoire.

Isan’ny nandray anjara tamin’ny fiainam-pirenena ihany koa izy ary mpikambana tao anatin’ny antoko Pôlitika AVI. Efa Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tany amin’ny distrikan’Ambohimahasoa ny tenany. Tamin’ny fotoana nahafatesany dia talen’ny kabinetran’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena izy. Io asa fanabeazana ny ankizy sy ny tanora io tokoa no isan’ny nanamarika ny androm-piainany, ankoatra ny zava-kanto.

Talenta nolovaina

Nolovaina tamin’ny rainy ny talenta, ho an-dry Om-Gui mianadahy avy. Mpanao teatra, mpanoratra sady mpihira mantsy ny dadany, ka voataiza tao anatin’ny zavakanto izy 10 mianadahy. Nandrisika azy ireo hanoratra sy hihira io rainy io. Hita taratra tamin’ny lalana nodiavin’i Om-Gui sy ireo Lire la suite »