Demokrasia «garabola» tsy ampy «fanabeazana fototra» (Chronique)

Publié le

Tsy voatery ho marina avokoa izay voasoratra an-gazety, izay voalaza amin’ny radio, izay hita amin’ny TV, izay aparitaka amin’ny Facebook, fa dia mahagaga fa misy mino hatrany izay avo vava indrindra. Indraindray aza, mba tsy hilazana hoe matetika, izay fatra-pamorona indrindra no inoan’ny «mpanara-baovao» kokoa.

Fitaizana tsy ampy, fahalalana tapany, no hita ho anton’izany. Ny Demokrasia tandrefana, izay tiantsika alain-tahaka, dia nanana an-jato taona maro nifampitaizana tamin’ny politika, na ny mpanao politika, na ny vahoaka, na ny mpanao gazety. Ny Malagasy ka vao tamin’ny 14 mey 1939 no nandatsa-bato (nahazo vato 11.626 tamin’izany i Pastora Ravelojaona, ho «délégué élu des populations autochtones de Madagascar à la représentation de Madagascar au Conseil Supérieur de la France d’Outre-mer»).

Tany Englanda (Angletera) ohatra, izay heverina fa Razamben’ny demokrasia ara-antenimiera («démocratie parlementaire») manerantany, dia gazety telo lehibe no nifanindran-dalana, niara-nitombo tamin’ny demokrasia.

«The Times»: niforona taona 1785. Teto amintsika tamin’izany, Ramboasalama vao nahavory an’Avaradrano ka an-dalana ho tonga Andrianampoinimerina. Ny taona 1850, tafakatra 40.000 isan’andro ny Times natonta ka lasa «mpanamboatra ny saim-bahoaka»: noho ny fanoratra voakaly sy ny fitantarana niezaka nanaja ny marina. Gazety anglisy voalohany nandefa iraka hitantara ny ady tany Krimea (1853- 1856), hany ka tao amin’ny Times no nahafantaran’ny Governementa britanika ny tolo-kevitry ny Rosiana hampitsaharana ny ady.

«The Guardian»: niforona taona 1821. Teto amintsika, ny volana desambra 1820, ilay misionera David Jones (London Missionary Society) no nisantatra ny sekoly voalohany indrindra teto Imerina. Nampiavaka hatrany am-boalohany ny «Guardian» dia izy niforona ivelan’ny Renivohitra satria tany Manchester. Ilay mpanao matoan-dahatsoratra nampalaza ny gazety, Charles Prestwich Scott, no namoaka ilay fomba fisaina hoe «Raha malalaka ny hevitra, masina kosa ny vaovao. Na ny feon’ny mpomba, na ny hevitry ny mpanohitra, samy manan-jo ho henoina».

«Daily Telegraph»: niforona taona 1855. Teto amintsika, taona nahafatesan-dRaombana, ilay Malagasy voalohany indrindra nanoratra ny Tantara, saingy nataony tamin’ny teny anglisy noho ny tahotra ny Mpanjaka Ranavalona I. Ny Telegraph no gazety anglisy voalohany sahy nampidina ny vidiny ho «penny» tokana (ohatran’ny hoe gazety L’Express de Madagascar vidiana ariary na irambilanja).

Ny «Teny soa hanalana andro» (1 janoary 1866) no gazety malagasy voalohany. Ka ny London Missionary Society, izay mbola niandraikitra ihany koa ny «Antananarivo Annual» (1875) sy ny «Mpanolotsaina» (1877) no tompon’antoka.

Ny «Gazety Malagasy», izay navoakan’ny FFMA (Friend’s Foreign Missionary Association) ny taona 1875, dia voarara vao feno herintaona satria sahy nitsikera ny Praiministra Rainilaiarivony. Ny 23 jona 1883 dia nalain’ny Praiministra io anarana «Ny Gazety Malagasy» io ho an’ny «gazetim-panjakana» voalohany, izay notohizan’i Jeneraly Gallieni hatramin’ny nanovana azy ho «Journal Officiel de Madagascar et Dépendances» (27 septambra 1897).

Ny andininy faha 145 sy 146 ary 148 tamin’ny fehezan-dalàna «Dimiventisitelonjato» (1881) no nahakasika voalohany indrindra ny fanaovan-gazety: «Raha misy manoratra taratasy na manoratra boky na manao gazety izay tokony hahatonga fikomiana tabataba na milaza ratsy ny Fanjakana amy ny zavatra tsy ataony dia sazina» (145); «Raha misy olona manoratra teny vetaveta na manao porinty azy ka mampiely azy amy ny olona na manao sary misy zavatra vetaveta dia atao antranomaizina» (146); «Raha misy manoratra na manao gazety, ka manala-baraka olona amy ny zavatra tsy nataony dia sazina» (148). Fony faha-Mpanjaka, tsy nisy akony ara-politika loatra izany gazety rehetra izany, niampy ny «Isan-kerin-taona» (FFMA, 1890), satria vitsy ihany no voatonta.

Nandritra ny Fanjanahantany (1896-1959), dia nasiaka ny «sivana», indrindra tamin’ny fanehoan-kevitra amin’ny teny malagasy. Nitohy nandritra ny Repoblika malagasy anefa izany, ka ny volana febroary 1989 ny Filoha Ratsiraka vao nanafoana (am-bava) ny sivana, nialoha ny namoahana ny Lalàna 90-031 sy ny Hitsivolana 92-039.

Hatramin’ny taona 1991, niafaran’ny Repoblika Faharoa, dia sarotra ny fandefasana ny gazety avy eto Antananarivo hiparitaka manerana ny Faritra. Izay halaviran-tany izay no vitan’ny Radio FM «tetezana» ka raha nitoetra tsy nihetsika an-dRenivohitra ny soratra, nanidina nanerana ny lafivalo kosa ny teny.

Vao nahazo vahana ny gazety, fa indrindra ny Radio FM nampian’ny Televiziona tsy miankina, dia ireny hitantsika ireny ny niafaran’ny 1991, 2002, 2009, 2018: «rotaka». Ra-Malagasy rahateo, toa tsy tia mpitondra, fa miandany kokoa hatrany amin’ny mpanohitra. Anefa ny mpanohitra androany ihany no efa mpitondra omaly dia mbola hanohitra rahampitso.

Hatramin’ny taona 1939, nisian’ny fifidianana «demokratika» voalohany teto Madagasikara, ka mandrak’androany: vao 83 taona, izany hoe «Fanabeazana Fototra» raha mitaha amin’ny demokrasia britanika efa niroborobo faran’ny taonjato faha-18. Manginy fotsiny ny «fifidianana» sarintsariny tamin’ny Repoblika Voalohany sy Faharoa: telopolo taona (1959-1989) nanabatiana ny sain’ny vahoaka, nanerena ny safidiny tamin’ny antoko tokana na ny manda-tehezana. Hatramin’ny 1996-1997 indray, nidiran’ny fafi-vola tamin’ny fampielezan-kevitra dia voavidin’ny «tee-shirt» sy ny tsipitsipy madinidinika ny fandatsahambato. Fitsapan-kevi-bahoaka am-polony, fifidianana ombieny ombieny, saingy tsapa hatrany fa mbola tsy matotra.

Izany demokrasia mbola taona «Garabola» izany no vantanin’ny Facebook avy hatrany ka tsy mahagaga loatra raha «bobaka» ny fihinanana amam-bolony. Fosa, soketa, lainga, amin’ny vidiny mirary dia mirary, takatry ny besinimaro.

Chronique de VANF – lexpress.mg

 

Laisser un commentaire