Fankalazana ny Taom-baovao malagasy: « efa miravona tanteraka ny olana », hoy ny « Communauté Royale de Madagascar »
Nanatanteraka fihaonana teny Anatirova ireo mpikambana ao amin’ny « Communauté Royale de Madagascar » notarihan’ny Printsesy Fenosoa Ralandison arak’izao taterin’ny vaovao izao:
Vovonana MA.MA.FI teny Ambohimanga (2017) [Malagasy Mampiray ny Firenena]
Fihasinana sy fiandrianana : Ireo tsara ho fantatry ny vahoaka Gasy – [Tranoben’ny Merina]
Ny TAOM-BAOVAO MALAGASY

Antananarivo, 13 martsa 2021, 9h 45, (DDIT): Mbola ifandroitana ny daty hankalazana ny taom-baovao malagasy hatramin’ny androany.
Ny taranak’Ambohitrabiby, mankalaza ny andro « Fandroana » izay fanaon’ny mpanjaka Ralambo, izay novainy ho « Taom-baovao malagasy » izany ny taona 2014, ary napetrany any amin’ny OMAPI na ny rafitra miaro ny zon’ny mpamorona fa azy ireo io teny hoe « Taom-baovao malagasy » io, ary tsy misy afaka mampiasa izany afa-tsy izy ireo ihany, hoy ny filohan’ny Trano koltoraly.
Ny tsinam-bolan’ny Alahamady, na ny tsinam-bolana alohan’ny Paka amin’ny tetiandro gregoriana izay fampiasa andavanandro, no ankalazan’izy ireo izany.
Misy ny fandroana amin’ny ranon-tsira, iray andro mialohan’ny tsinam-bolana.
Mangataka famelan-keloka ihany koa ny tsirairay, mba hampadio ny feon’ny fieritreretana.Mizara ny afo tsy maty sy fitondrana arendrina.
Manao fety toy ny santa-bary, izany hoe misy ny fihinanana vary amin’ny ronono tondrahana tantely.
Etsy ankilany, ny Antenimieran’ny Oloben’i Madagasikara (AOM), tsy mankasitraka io fankalazana taom-baovao amin’ny volana martsa io. Ho azy ireo dia « fandroana » ihany no ankalazaina rehefa volana martsa toy izao.
« Ny lohataona no fiandohan’ny taona » hoy i Fidy Andriamanalina, filohan’ity AOM ity.
Izay no antony ankalazan’ny foko 22 isam-paritra ny fombany tsirairay avy. Amin’izy ireo dia etsy Mangabe Ankadivoribe Atsimo no toerana ankalazana izany satria eo no vohitra tsy mbola voazanaka na voatafika nandritra ny fitondrana faha mpanjaka, sady niandohan’ny fanjakana Merina.
Tapaka nandritra ny fivoriam-ben’ireo Raiamandreny ara-drazana manerana ny Nosy ny taona 2016 fa ny lohataona no hankalazana ny « Taom-baovao iraisan’ny malagasy » ka ankalazaina mitety faritra amin’ny maha fetin’ny malagasy rehetra ny taom-baovao.
« Fotoana izao hamerenana ny hasim-pirenena, hamerenana ny hasim-panjakana » hoy i Jean Eric Rakotoarisoa, Filohan’ny Fitsarana avo momban’ny lalàm-panorenana teo aloha, sady Raiamandrenin’ny Tranoben’ny Merina, nandritra ny famoahany ny voka-pifidianana filoham-pirenena 2018, tokony miverina amin’ny maha Gasy antsika isika ary tsy menatra amin’ny maha gasy, satria voakosoka tanteraka tamin’ny fanjanahan-tany ny maha Malagasy antsika , vao maika tratran’ny fanatontoloana amin’izao fotoana izao, antony tsy maintsy hanandratana avo ny soatoavina sy ny kolon-tsaina malagasy ».
« Tsara hamafisina ary tsy maintsy tohizana, hoy hatrany izy, ny firaisan-kinan’ny foko 22 eto Madagasikara amin’ny fankalazana sy fanomezan-kasina ny taom-baovao iraisan’ny Malagasy » nandritra ny fankalazana ny taom-baovao iraisan’ny Malagasy tany Toamasina ny Septambra 2019, ary mbola namafisiny nandritra ny fankalazana ny taom–baovao iraisan’ny malagasy 2020 tetsy Ambohijanahary tamin’ireo haino aman-jery.
Tsapa sy hita taratra ny fahabetsahan’ny olona mankalaza sy mankasitraka ny taom-baovao iraisan’ny malagasy amin’ny tsinam-bolan’ny lohataona, toy ny natao tetsy Ankazomalaza Ambohimanga Rova ny septambra 2017, tany Fianarantsoa ny taona 2018, ary tany Toamasina ny 2019, ary tetsy Ambohijanahary ny 2020 ary any amin’ny tanin’ny sakalava kosa amin’ny tsinam-bolan’ny lohataona amin’ity taona 2021 ity.
« Samy masina an-taniny » hoy Andrianampoinimerina, samy manana ny fombany isam-poko, samy mankalaza ny taom-baovao isam-paritra ihany koa ireo foko 22 misy eto Madagasikara, araka ny fanisana taona ataony ; saingy iarahan’izy rehetra kosa ny taom-baovao iraisan’ny Malagasy ankalazaina isaky ny tsinam-bolan’ny septambra. Araka ny tenin’ Andrianampoinimerina hatrany hoe : « Fihavanana sy fanajana » dia miaraka sy miombona amin’ny fankalazana ny taom-baovao iraisan’ny malagasy » hoy hatrany ity Raiamandrenin’ny Tranoben’ny Merina ity.
“Tsy maintsy misy ny fifampidinihana, sy ny fifandresen-dahatra ho an’ny fitondrana repoblikana sy ny vahoaka iray manontolo” hoy i Jean Eric Rakotoarisoa, nandritra ny fankalazana ny taom-baovao iraisan’ny malagasy tany Toamasina 2019, efa misolo-tena ny mpitondra fanjakana repoblikana izahay sy ny minisitry ny mponina Lucien Irma Naharimamy ary tsy atao ankilabao toy ny taloha intsony ny fankalazana toy izao fa omena ny hasiny sy ny lanjany manomboka izao ».
Etsy an-daniny, mbola nanamafy izany ihany koa ny Jeneraly Ravelonarivo Jean, Praiminisitra teo aloha, raha nanontanian’ireo mpanao gazety nandritra ny fankalazana ny taom-baovao iraisan’ny Malagasy.
« Tsy manao ankilabao na iza na iza ny minisitera», hoy ny Tale Jeneralin’ny Kolontsaina eo anivon’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina, Francis (Turbo) Alexandre Razafiarison. Mbola misokatra amin’ny soso-kevitra rehetra ny minisitera hatreto, hoy hatrany ity Tale Jeneralin’ny Kolontsaina eo anivon’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina ity. Misy daty maromaro hoy izy ireo efa nisy nangataka hankalazana izany : volana martsa, aprily, jona, ary septambra. Efa nisy fakan-kevitra isam-paritra nataon’ny ekipan’ity minisitera ity mahakasika io.