14 Oktobra 1958
14 Oktobra 1958 – Fiorenan’ny Repoblikan’i Madagasikara notsarovana teo Andafiavaratra
Betsaka ny mangataka ny mba hahatsiarovana ity daty ity amin’ny fomba ofisialy, izay nandova ny Fanjanahantany (nataon’ny rafitra repoblikana frantsay nandritra ny amam-polotaonany maro, ka nasolo ny Fitondran’ny Mpanjaka malagasy (Monarchie). Teo amin’ny Lapan’ny Praiminisitra Rainilaiarivony teo Andrafiavaratra no nankalazaina ny daty 14 Oktobra 2024.
Andro lehibe tokoa eo amin’ny fiainan’ny Firenena io satria nankatoavina mialoha ny Satan’ny Repoblika (1958) vao azo ny Fahaleovantena tamin’ny 1960. Ka « tokony ho atao andro tsy fiasana nefa andraisan-karama », hoy ny vavolombelon’ny Tantara sady mpandalina Tantara rahateo, ny Jeneraly Désiré Ramakavelo.
Raha fintinina ny fanehoan-kevitra dia mitovy fijery amin’Atoa Monja Roindefo (filohan’ny antoko MONIMA, izay Praiminisitry ny Tetezamita) ny Jeneraly, fa « toa miverina ho « protectorat » frantsay na fanjanahana amin’ny endrika vaovao indray i Madagasikara ».