alasora
Tanindrazana Ambohitrandriananahary: « misy nivarotra tany an-tsokosoko », hoy ny taranak’Andriana
Vohitra misy an’Andriamananitany, izay rahalahin’ny Mpanjaka Andriamanelo (Alasora), no misy ity tranga voalaza fa mandika ny soatoavin’ny fiaraha-monina ity.
Tantara sy Fiarahamonina, Lilin-draza: Antsirabe, Vakinankaratra
Lanonana tao Andriamiloha faritra avaratr’i Betafo ho fahatsiarovana ny faha-320 taonan’ny velirano nataon’ireo Raiamandrenibe tany aloha, izay Taranak’Andriana (Andrianonimanjakatany) avy ao ALASORA mba hanitarana ny Fanjakana sy hanorenana ho mafy orina ny Firaisam-pirenena. Manasongadina ihany koa ireo soatoavina izay mbola tokony ho tazonina eto amin’ny Firenena, hoy ny Printsesy Angelina Ralaitsizafy Andrianamelavahoaka.
Nomarihana tamin’izao lanonana izao koa ny fametrahana ny Princesse Angelina Ralaitsizafy Andrianamelavahoaka ho « vato namelan-kafatr’ireo Razana niandohana« sy ho « Mpanjakan’ny Vakinankaratra ». (?)
Nandritra ny enina taona izao no nisy misandoka ho mpitondra sy mpanjakan’ny Vakinankaratra na Imerina atsimo , hoy ny loham-pianakaviana Andrianaivotiana Fanantenana RAZATOVO . Azy ny fiandrianana noho izy mpandova Rà mivantana araka ny tetiharana notanisainy. Entin’ny olona mitady vola ny hasim-piandrianan’i Vakinankaratra, hoy izy ka mila atsahatra faran’izay haingana
Alasora
Alasora niandohan’ny « Fanjakana harindra », na koa hoe « Fandrian-jazan’ny Fanjakana » teto Madagasikara tamin’ny fitaran’ny « Toko » sy ny Fototr’olona « Andrian-Telo Ray » tamin’ny andron’ny Mpanjaka ANDRIAMANELO: 2 Toko izy niaraka tamin’i Rabiby, 4 Toko tamin’i Andriamasinavalona, 6 Toko tamin’i Andrianampoinimerina, izay vao nitatra ho « ny Ranomasina no valampariako ! »