Amis du Patrimoine de Madagascar

Antso avo hiasa miaraka ho an’ny Tantara

Publié le Mis à jour le

Ambohitrandriananahary, vohitra mierinerina tokoa, etsy ambony atsinanan’Alasora. Mahatazan-davitra manodidina eny an-tampony. Iry Antananarivo sy Manjakamiadana, itsy Masindray, eroa Ambohibato, iny miholikolika iny Ikopa.

Sebiseby sy hotakotaka, tampoka, namerina antsiahin’ny maro, na ny taranaka sasany efa nanadino aza, ilay vohitra haolo : «Ny tamboho teo fahiny, Tsy naharitra ny ela, Ka nikoa ankehitriny, Bongon-tany no tavela», araka ny tononkalon’i Dox. Fa Rova anaty hadivory no teo fahiny: nipetrahan’ny zanaky ny Mpanjaka, dia tsy iza fa Andriamananitany.

Impiry moa tsy notononina teto ny anaran’ Ambohitrandriananahary, vohitra manan-Tantara anefa dia nitrongisana tany haetry ho lafiky ny By-Pass, fitoambinifolo taona lasa tany. Vao tamin’ny faramparan’ny taona 2020 teo kosa ilay afobe nandoran’ny sasany ny vohitr’ Ambohitrandriananahary ka Ramatoa Ministry ny Tontolo iainana mihitsy no nanome tanana teny.

Tsy fantatsika izay ilaintsika. Hanorina trano anaty Rova sa hiaro ny Rova, ka hametraka azy ho vakoka. Hanitatra ny Trano Gasy satria mitombo ny isan-jaza, sa hikajy ny endrika mampiavaka azy tany am-boalohany. Hanototra ny tanimbary sy heniheny ho «lotissement» na «supermarché» sa «station-service», sa hiaro an’i Betsimitatatra satria tokon-tantaran’Antananarivo ny tanimbary najarian’ny Mpanjaka nifandimby tao anatin’ny telonjato taona.

Izay mitranga etsy Ambohitrandriananahary, tsy mahagaga intsony na dia mbola manafintohina aza. Fanontaniana fototra : mbola adim-pianakaviana sa efa andraikitry ny Fanjakana ? Ary tsy etsy Ambohitrandriananahary ihany, fa any rehetra any. Raha noraisin’ny Fanjakana an-tanana ny Tranon-dRainimboay tetsy Ambatomitsangana-Ankaditapaka, fa tsy navela nifandroritan’ny mpianakavy, ho nirodana ve ilay trano tsara tarehy ?

Ekena, indraindray koa anefa, izay noraisin’ny Fanjakana, rehefa tsy may dia very na simba. Ny Fasan-dRainiharo, etsy Isotry (fa ny faritra ambony, andrefana indrindra tamin’Antananarivo fahizay, no Isotry izay no maha AmbodinIsotry ny faritra iva izay nolakanana fahiny), na tsy handevenana intsony aza (noho ny maha afovoantanàna azy), mety ho voakarakara tsara lavitra noho izao ve raha ny taranaka no mitantana azy ?

Angano sy Arira. Raha naka ranontany teny antehezan’Ambohitrandriananahary, hono, hanotofana ny tanimbary sy hetrina hanaovana io By-pass io, dia nandre feo nitaraina hoe «Avereno izahay» rehefa tonga tery ambany. Na dia Japoney aza ilay tompo-mariky ny asa, dia nanome baiko hamerenana «Ireo» teny amin’ny toerana namongarana azy.

Tantara. Rafohy, hono, ka vadin-dRapeto (jereo Philippe Beaujard, «Madagascar et les réseaux d’échanges de l’Océan Indien (avant le XVIe siècle)», in Sylvain Urfer (coord.), Histoire de Madagascar. La construction d’une nation, Antananarivo, Foi et Justice, 2020, tak.34). Tsy raisina ara-bakiteny izany fa misy hevi-dalina : olona tononina ho kely, manambady olona malaza ho goavambe, indrindra raha «Lanitra» ny zanany. Lanitra, amin’ny teny indoneziana, «Langit», ka sao dia Langita tokoa fa tsy Rangita. Raha anaran-danitra mantsy dia mifandraika indrindra amin’ny anaran’ireo razambeny vazimba (Andriandravindravina, Andrianerinerina, Andrianoranorana, Andriamanjavona, Andriandranolava).

Telo mianadahy no zanak’i «Lanitra/Langit» : Andriamanelo, Rafotsy-indrindra-manjaka, Andriamananitany. Andriamanelo niteraka an-dRa-lambo (omby no lambo amin’ny teny indoneziana). Andriamananitany, niteraka an’Andrianamboninolona. Andrianamboninolona nampanambadiana ny anabavin-drainy Rafotsy-indrindra (izany hoe tsy voapetina, sa ilay tokony tsy nokasihina ho vadian’ny zanak’anadahy). Ny zanak’izy mianaka, Ratsitohina, nampanambadiana indray an-dRalambo ary niteraka an’Andrianjaka, zanaky ny lova-tsy-mifindra telo sosona. Andrianjaka, razan’Andriamasinavalona. Ny «Terak’Ifohiloha», manana Tranomanara, izany dia taranak’Andriamananitany ihany koa.

Io Andriamananitany, razamben’ny mpanjakan’ Antananarivo, io no nafenina etsy Ambohitrandriananahary. Ampy tokony hiarovana ny vohitra izany. Hametrahana azy ho vakoka. Hamerenana endrika ny Fitomiandalana. Hanadihadiana ara-tsiansa ireo fasana tena ntaolo faha-Vazimba. Hanangana ny Trano Kotona vavolombelona ho hitan’ny taranaka ankehitriny tahaka izay tanterakin’ny Terak’Ambohidrabiby.

Satria moa «Sinoa vaovao» ilay voatohintohina nividy tany anaty hadivory etsy Ambohitrandriananahary, tsara marihina ihany fa ny Masoivohon’ny Shina eto Madagasikara no nanampy tamin’ny fanamboarana ny Rovan’Ambohidrabiby. Tsy hoe akory Sinoa dia vandana avokoa, raha tsy hiresaka hafa-tsy ny fiaraha-monina milamina tsara amin’ny «Sinoa Gasy». Isika moa fodilahimena manangana seza fiandrianana isaky ny taho, hany ka lasan-ko rantsana fotsiny. Ry «Tsidi-bohitra eto Imerina», ry «Imamohaela», ry «Amis du Patrimoine de Madagascar», ry «Mamelomaso», ry «Andohalo», sao dia tsara miara-miasa fa tsy isak’ izay misy voina vao hanao hazakazaka arahin-tosika. Ka tara lava.

Chronique de VANF – l’Express de Malagascar 16.01.21