Ben’ny Tanàna Antananarivo

Ben’ny Tanànan’Antananarivo: anisan’ny kandidà ho dinihina eo anivon’ny Collectif des candidats Atoa Rivo Rakotovao

Publié le Mis à jour le

Ankoatra an’Atoa isany Marc Ravalomanana sy Andry Raobelina, dia manaiky izay anarana tokana tapaky ny fifampidinihana ny Filoha nasionalin’ny HVM Rivo Rakotovao. Ny tanjona, dia hanohana olona iray ifanarahana izahay isan’ambaratonga.

Marc Ravalomanana mivady: Nihaona tamin’ny Papa Fransoa ihany koa

Publié le Mis à jour le

Naneho ny hafaliany ka nidera sy nisaotra manokana ny Papa tamin’ny fahatongavany eto Madagasikara ny filoha Marc Ravalomanana, araka ny taratasy nalefany tamin’ny Papa Fransoa mitondra ny datin’ny 4 septambra.

Nisy moa taorian’izay ny fihaonana teo amin’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo mivady teny Andohalo, ka nanoloran’izy ireo ny fanalahidin’Antananarivo an’i Papa. Nankasitrahan’i Marc Ravalomanana ny finiavana lehibe nananan’ny Papa tonga nitsidika ny firenentsika, izay nambaran’i Marc Ravalomanana fa ao anatin’ny fitadiavana fampandrosoana sy ny fandriampahalemana mba hiadanan’ny vahoaka Malagasy.

Nisaotra tamin’ny aim-panahy, fampaherezana, ny hafatra ho an’ny vahoaka Malagasy sy ny mpitondra, mahakasika ny voafonja, indrindra fa ny fanajana ny zon’izy ireo amin’ny maha olombelona azy. Mahantra fadiranovana i Madagasikara, kanefa tsy manary fanantenana, hoy izy. Ny finoana an’i Jesosy Kristy sy ny fitiavan-tanindrazana no andry lehibe tsy hanariana ny fanantenana fa handresy ny fahantrana. Tsy afaka hanatratra io tanjona io ihany koa anefa, raha tsy miara-mientana ny rehetra manana andraikitra amin’ny fampandrosoana, hoy izy. Nangataka tamin’ny Papa mba hanampy azy amin’ny ezaka ataony hahafaha-miresaka amin’ny mpitondra ankehitriny izy, mba hahafaha-manetsika ny tena fifampiresahan’ny samy Malagasy ao anatin’ny lalan-tsaina kristianina, mba hisian’ny fitoniana politika, fepetra tsy azo ihodivirana ho an’ny fampandrosoana tena haharitra. Ny vavaka sy ny hafatrao mba hisian’ny fiadanana, dia hifanampy sy hifanome tànana ny mpitondra sy ny entina hanatrarana ny tanjona, hoy i Marc Ravalomanana.

(Toky R: tiatanindrazana.com)