Jennie Maria Waller

ANDY RAZAF: Ilay Printsy Malagasy tafatsoaka tany Etazonia

Publié le Mis à jour le

Andriamanantena Paul Henri Razafinkarefo (Andy RAZAF.

Andriamanantena Paul Razafinkarefo no tena anarany fa solon’anarana ny hoe “Andy Razaf”. Teraka tamin’ny 16 desambra 1895 tany Washington Etazonia izy ary maty tamin’ny 3 febroary 1973 tany Hollywood – Los Angeles.

Jennie Maria Waller no reniny, zanakavavin’i John Lewis Waller, masoivoho amerikana teto Madagasikara nanomboka ny taona 1890, tamin’ny andro nanjakan-dRanavalona faha-3.

Jennie Waller renin’i Andy RAZAF

Amin’ny maha diplomaty azy, dia nifanerasera betsaka tamin’ny fianakavian’ny mpanjaka i John Lewis Waller, ary vokatry izany no naharaikitra ny fanambadian’ity zananivavy ity tamin’ny Printsy Henri Razafinkarefo, zanakalahin’ny Printsesy Rasendranoro, zokivavin’ny mpanjaka Ranavalona faha-3.

Miaramila lavo teo amin’ny sahan’ny ady fanoherana ny fananiham-bohitra nataon’ny tafika frantsay tamin’ny taona 1895 I Henri Razafinkarefo.

Efa nitoe-jaza anefa I Jennie Maria vadiny tamin’izay.Nanapa-kevitra hitsoaka hiala an’i Madagasikara izy sy ny reniny ary ireo anadahany noho ny fanenjehana nataon’ny frantsay azy ireo. Ny rainy, John Lewis Waller, masoivoho amerikana teto an-toerana dia nosamborin’ny tafika frantsay ary nohelohiny higadra 20 taona an-tranomaizina, ary nalefa tany Marseille nanefa izany sazy izany, kanefa noho ny fanelanelanan’ny President amerikana Grover Cleveland, dia novotsoran’ny frantsay izy rahefa nanefa gadra 10 volana, ary afaka namonjy ny vady aman-janany tany Etazonia, ary tafahaona soa aman-tsara tamin’ny fianakaviany sy nahita an’I Paul kely zafikeliny.

Maty tany Cuba tamin’ny taona 1907 tamin’ny ady nifandonan’ny Espagnol sy amerikana i John Lewis Waller.

“Ilay Mpanao tononkira ngezalahy teo amin’ny vanimpotoana famirapiratan’ny Jazz amerikana”.

Nisy akony ratsy teo amin’ny fiainan’ny fianakaviana Waller ny fahafatesan’Ingahy John Lewis tany Cuba.
Voatery niala tany Washington i Jennie sy Paul kely ary namonjy an’I New York hitady fivelomana. Tao Harlem izy mianaka no nipetraka, ary niasa nanao secretaire stenographe I Jennie mba hamelomany sy hampianarany ny zanany.
Nony feno 16 taona i Paul dia voatery nijanona tsy nianatra intsony ary nitady asa mba hanampiany an-dreniny. Nahita asa mpiambina varavarana ascenseur tao amin’ny tranobe iray tao Harlem atao hoe “Tin Pan Alley” izy, izay foiben’ny mozika tao New York tamin’ny fotoanandro.

Nanomboka teo ny “carriere” –n’i Paul.
Vokatry ny fahitana ny fivezivezen’ireo mpamoron-kira kalazalahy miakatra sy midina amin’io Tranoben’ny zavakanto io, ary ny fifampikasohana marain-tsi-hariva amin’izy ireo, dia nitsiry tao anatin’ity Printsy kely ny hetaheta sy faniriana hilomano anaty mozika sy asa soratra. Koa raha vao 17 taona monja izy, dia efa nahavita nanoratra ilay tononkira mitondra ny lohateny hoe “Baltimo” ary afaka nivarotra izany tamin’ny orinasan’Ingahy James Kendis, misakana manokana ny famokarana mozika.
Nanomboka teo dia tsy tana intsony ny lehilahy fa dia nanoratra nanoratra hatrany ary nihira koa.
Marihana fa efa tany an-tsekoly dia efa hita taratra ny talentan’ity Printsy ity amin’ny fankamamiana ny asasoratra.
Naka solon’anarana Andy Razafy i Paul mba hanasongadinany ny sanganasany. Tsinjon’ireo kalazalahy amin’ny mozika ny talentan’i Andy Razaf ka tsy nisalasala ny ankabeazan’izy ireo niara-niasa taminy, ary tsy ny kely fa ireo efa tena fanta-daza tamin’ny mozika.
Singanina manokana amin’izany I Fats Waller, ilay kintan’ny famoronan-kira jazz tany Etazonia.
Mpitendry piano sy orga ary mpamoron-kira fanta-daza I Fats Waller. Lasa mpisakaiza tsy mifankafoy i Andy Razaf sy Fats Waller ary niara-niasa akaiky izy roalahy tamin’ny famoronana sy famokarana mozika sy tonon-kira. Niara-nanatontosa fanoratana “Comedies musicales” tao Broadway tao New York izy ireo , ary tamin’izany fiarahana izany no nahaterahan’ireo hira tsy lefy laza ahafantarana ny jazz, toy ny “Aint Misbehavin”, ny “Black and Blue” ary ny « Honeysuckle Rose” . I Louis Armstrong no nikalo sy namelona ho fantatry izao tontolo izao ireo hira ireo.
Ny “Tin Pan Halley”
Izany no anarana niantsoana ilay tranobe foiben’ny taozava-baventin’ny mozika voalohany tany New York, ary niroborobo fatratra tokoa izany teo anelanelan’ny faramparan’ny taonjato faha-19 sy fisasahan’ny taonjato faha-20 tao antananan’i Manhattan New York.
Raha tsiahivina kely dia mpiandry varavaran’ny ascenseur-n’io Tranobe io i Andy Razaf tamin’ny fiandohany niasa. Tao no foibe-toerana ifanaovan’ireo ngezalahy amin’ny mozika fotoana ihaonana.

Lefy ihany anefa ny lazan’io Toerana io rahefa nipoitra ny phonographe (grafofona) sy ny radio ary ny sinema.


Tamin’ny taona 1928 tokoa manko dia lasa foiben’ny sinema sy ny mozika I Hollywood, ary dia novidian’ny Warner Brothers ireo tranobe telo lehibe indrindra tamin’ny famokarana mozika tao New York tamin’ny fotoanandro.

IN THE MOOD – Standard de Jazz

Ankoatra ireo lohatenin-kira voalaza teo aloha, dia ity “In The Mood” ity no fara-tamponin’ny laza amin’ny mozika jazz-blue, tsy mety lefy laza ary ankafizin’ireo taranaka nifandimby mandraka ankehitriny manerana izao tontolo izao. Joe Garland no namorona ny feony ary Andy Razaf no namorona ny tonony.
Mpamorom-kira fanta-daza eran-tany i Joe Garland. Glenn Miller, “ilay chef d’orchestre ny Tafika an’habakabaka amerikana”.
Teraka tamin’ny 1 marsa 1904 tany Iowa Etazonia izy, ary maty tamin’ny 15 desambra 1944, raha vao 40 taona monja.Manana ny grady kapiteny izy, ary voatifitry ny tafika alema ny roplanina nitondra azy teo ambonin’ny ranomasina La Manche raha iny handeha hamonjy ny Tafika amerikana tany Eraopa nandritra ny Ady Lehibe faharoa iny izy.
Ny “In The Mood” no diska nahalafosana be indrindra teo anelanelan’ny taona 1939 sy 1943 nataon’ny “Glenn Miller Army Air Force Band” Ary hatrami’izao isika miteny izao, dia mbola tsy mety lefy laza ity “In The Mood” ity.
Antsika Malagasy io hira io, Tompony tena tompony isika satria an’ny Amerikana ny 50 isan-jato, ary an’ny Malagasy ny 50 isan-jato. Manana droit d’auteur “universel” amin’io isika, na dia teo aza ny fanafenana tamin’ny fomba rehetra nataon’ny mpanjanatany tsy hahafantaran’ny maro amintsika izany.Ry zareo rahateo koa moa toa tsy dia mahazoazo loatra ity hira ity, asa na noho ny maha-malagasy ny mpamorona azy ….na tsy fantatro.
Io no tena antsika, fa “tsy mba ravoravo natentina io “In The Mood” io, fa tena tandra vadin’ny hoditra” amintsika malagasy.
Eto dia araoraotiko no mampahafantatra antsika mianakavy, fa araka ny fanambarana nataon’Itompokolahy Jean Felicien Ratefy, fony fahavelony, izy izay mpikaroka sy manampahaizana momba ny mozika, indrindra ny jazz sy ny blues, dia tsy tena hira Malagasy madio rano ny “Afindrafindrao”, fa feon-kira vazaha no nofolahana hanana gadona Malagasy ka hahazoana mandihy aminy .Noho izany, dia hambo diso toerana ny fireharehana fa hira Malagasy ny “Afindrafindrao”.
Nampidi-doza ho an’ny Tany sy ny Fanjakana ary ny Firenena manontolo ny fandihizana io feon-kira io nanomboka tao Anatirova tao tamin’ny faramparan’ny taon-jato faha 19, ka nahavery ny fiandrianampirenena ary nahalasa zanatany an’I Madagasikara. Variana loatra tamin’ny fety aman-danonana ny tao andapa noho io “Afindrafindrao”io.
Ankehitriny kosa dia hitraka amin’izay ny Taranaka rehetra, ary hankalaza ny “In The Mood” ho fanevam-pirenena, ka hanao ho fanokafana ny lanonana rehetra eto Antananarivo.
Antsika io fa aza menamenatra! Noforonon’ny Zanatsika hifaliantsika io. Ny olon-drehetra eran-tany faly sy ravo ery mandihy aminy, fa hianao tompony kosa toa menatra sy tsy sahy sehatra, fa nahoana? Voazanaka ara-tsaina!
Indro omena antsika ary ny lesona hianaran-tsika ny dihy fanao amin’io “In The Mood” io. Ianaro sy ankafizo ary dihizo ny “in the Mood” fa antsika, tena antsika madio mangarangarana.


Ny “Hall of Fame”

Tempolin’ny Dera aman-daza na Pantheon no azo ilazana ity “Hall of Fame” ity any Canada. Voarakitra ao amin’ity Tranobe ity tokoa manko ny anaran’ireo Kalazalahy eo amin’ny sehatra maro samihafa miaraka amin’ireo sanganasany nampalaza azy tsirairay.
Tamin’ny taona 1972 no voaray tao amin’ny “Hall of Fame” i Andy Razaf sy ny sanganasany, amin’ny maha mpanao tononkira sy ny maha-mpamoron-kira azy ary ny maha mpamokatra azy, koa tamin’izany no nahafantarana fa mahatratra 215 no isan’ireo hira noforonony voatahiry ao amin’ity Tranobe ity, ary mbola misy 800 any ho any no mbola tsy nivoaka ho fanta-bahoaka.
Ny zava-dehibe nokasainy hatao dia ilay Opera Malagasy nampitondrainy ny lohateny hoe: “Rasendranoro”.
Nosoratany ho fahatsirovana ny Renibeny izy io, saingy tsy tanteraka noho ny fahafatesana tampoka nihatra tamin’i Fats Waller tamin’ny 15 desambra 1943 izay hanatontotosa hiaraka aminy io Opera io.
Dia nihantona teo ilay zavatra …
Fa talohan’io, dia nanambara I Andy Razaf fa feno ny fepetra rehetra ilaina amin’ny fanoratana opera “grika”. Fa inona tokoa moa izany?
Izao ary no azo lazaina momba ny Printsesy Rasendranoro.
Zava-niseho tao Anatirova no fototry ny tantara , taorian’ny itsa-tany nataony’ny tafika frantsay teto Madagasikara.
Indray andro ary dia tonga tao Andapa tao Anatirova ny Governora Jeneraly Hippolyte Laroche mivady hitsidika ny mpanjakavavy Ranavalona faha-3. Asa aloha izay resaka sy fihetsika nataon’ireto vazaha mivady ireto, fa tsy voalaza mazava . Nanatrika teo araka ny mahazatra ireo olona akaiky ny mpanjakavavy.
Nisy resaka nifandiso ve sa fihetsika tsy voahevitra nataon’I Madame Laroche, fa tonga dia noriatan’ny Printsesy Rasendranoro tehamainy mafy ity vazahavavy ka saika torana niakarapoka tamin’ny tany, fa raha iny handeha hamonjy ny vadiny iny ny Governora Jeneraly dia noriatan’ny Printsesy tehamaina mandrivorivo koa, ka ankona fotsiny teo. Hany herin’ireto vazaha mivady, dia lasa nivoaka, tsy naha-teny tsy naha-volana.
Ny harivan’io ihany, dia nosamborin’ny miaramila frantsay ny Printsesy Rasendranoro, zokivavin’ny Andriamanjaka, ka nampidirina an-tranomaizina.
Ary hoy ny filazan’ny rehetra manoloana io fitrangan-javatra io manao hoe: “Fihetsika baribariana iny nataon-dramatoa Rasendranoro iny”. Mety marina izany, satria hoy izy ireo hoe: “Toetra baribarianina tsy mendrika ny olom-banona ireny”
Ankilany kosa indray dia misy sokajin’olona faly sy mibitaka ary miteny hoe: “Sakory izay,mendrika anareo vazaha mpanjanatany izay” Mety marina koa izay saingy hevitra an-tendrony avokoa ireo roa ireo.
Izao no tena izy koa anjaranao no mamakafaka sy mitsara tsy misy fitongilanana na mety na tsia ilay fihetsika.
Izao ary : Voka-javatra iny (effet) fa tsy foto-javatra (cause), ka tsy tokony hinana am-bolony maina be izao isika fa handinika tsara , araka izao ambara manaraka izao .
1/- Efa tafalentika lalina loatra tao anaty kibon’ireo taranaka andriana manjaka nanomboka tamin’Andrianampoinimerina ny fikasan’ny Frantsay hanjanaka an’I Madagasikara, ary dia tanteraka tokoa izany tamin’io fotoana io.
2/-Tsy namelan’ny Frantsay raha tsy tanterany ny itsa-tany tamin’ny alalan’ireto miaramila vazaha tonga hatreny Anatirova.
3/-Maty tamin’ny ady nanoherana ny tafika frantsay tamin’ny 1895 i Henri Razafinkarefo, zanany lahitokana, ka marary ny fon’ny reny niteraka ary maratra ny kibo nitoerany.
4/- Nenjehan’ny Frantsay sy nofofony ho faty ny vinantony sy ny zafikeliny Andy Razaf, ka lasa nandositra any Etazonia.
5/-Tsy zakan’ny eritreriny visavisaina ny zava-manjo ny ao Anatirova raha mahita ity rahavaviny Andriamanjaka tsy asian’ny vazaha hasiny.
Tsy zakan’ny sainy izany rehetra izany.
Ny vokany dia iny felaka mandrivorivo indroa miantoana iny.
Nalefa natao sesitany tany La Reunion sy Algerie niaraka tamin’ny mpanjakavavy Ranavalona faha-3 ny Printsesy Ramasindrazana sy ny Printsesy Rasendranoro, ary maty tany an-tsesitany izy telo mirahavavy.
Izay no izy, ry “Izy mianakavy”. Tapitra teo ny Tantara…
Tsia, Diso aho manko e! Ny fitantarana no tapitra teo, fa ny Tantara kosa dia mbola mitohy. Azafady Tompoko!
Randria mpandalina Filozofia sy Tantara ary Politika.
Natao teto Antananarivo androany 29 desambra 2019.

Vazimba Antehiroka Voromahery Tsimiamboholahy