Jiosy

Malagasy Hebreo: 👉 SHALAR Rija ANDRIAMADY

Publié le Mis à jour le

SHALAR Rija ANDRIAMADY – Filoha mpanorina ny Fikambanana Madagasikara Nosy Miavaka, manazava lohahevitra maro mikasika ny Jiosy sy ny Malagasy


Tudor Parfitt

Surnommé « l’Indiana Jones britannique », il est né le est un explorateur britannique, historien et écrivain. Il est spécialisé dans l’étude de la communauté juive à travers le monde, en particulier en Afrique, Amérique et Asie. Il a mis au jour des communautés ignorant leur judaïcité d’origine.

Parfitt est professeur émérite à la School of Oriental and African Studies où il a fondé le centre d’étude juive. Il est également professeur distingué à l’Université internationale de Floride, directeur du programme d’étude juive, membre du Hutchins Center du Harvard College et associé senior du centre d’étude juive d’Oxford. Il est fellow à la Royal Historical Society.

Il a publié une soixante-dizaine d’articles et écrit, traduit ou édité 24 livres. Il a donné une conférence sur le sujet à Antananarivo au mois de Mai 2016.

Faces of Africa: The Jews of Madagascar

Vidéo Publié le Mis à jour le

Madagascar is the new home for the world’s newest Jewish community. The country was colonized by France and they introduced Christianity which is practiced by over 90% of its citizens. But in recent years, a group of Malagasy people led by Ashrey Dayves believe that one particular religion, Judaism, was the original religion in Madagascar.

They have converted to Judaism and they hope to get many Malagasy join the religion and find their true roots.

Pasteur Tolotra Ratefy: Jiosy ny Malagasy!

Publié le Mis à jour le

Ratefy Tolotra dia Mpitandrina, nandalina Teolojia, Hebreo, Arameana sy Akadiana tany amin’ny Oniversiten’i Münster, ary ny Fitsaboana Alemana.
Nanao fikarohana mitondra ny lohateny hoe « Sind die Madagassen Jüden. » midika hoe: « Jiosy ve ny Malagasy »? (Vakio ny santionany), na jereo ity fandaharana tao amin’ny Televiziona malagasy ity (Jiona 2017)

Raha araka ny fikarohana rehetra dia Jiosy avy any Israël ny ankamaroan’ny Razana malagasy.

Tsindrio eto raha te hamaky ilay boky « La 12ème Planète » voalazan’ny fandaharana.


Tudor Parfitt

Surnommé « l’Indiana Jones britannique », il est né le est un explorateur britannique, historien et écrivain. Il est spécialisé dans l’étude de la communauté juive à travers le monde, en particulier en Afrique, Amérique et Asie. Il a mis au jour des communautés ignorant leur judaïcité d’origine.

Parfitt est professeur émérite à la School of Oriental and African Studies où il a fondé le centre d’étude juive. Il est également professeur distingué à l’Université internationale de Floride, directeur du programme d’étude juive, membre du Hutchins Center du Harvard College et associé senior du centre d’étude juive d’Oxford. Il est fellow à la Royal Historical Society.

Il a publié une soixante-dizaine d’articles et écrit, traduit ou édité 24 livres. Il a donné une conférence sur le sujet à Antananarivo au mois de Mai 2016.



TANY sy LANITRA: Fanadihadiana TVM (Faly Rafehivola – 2017)

 

Bienvenue – Welcome to our continent-island!

Publié le Mis à jour le

Ce site interactif est destiné à entretenir l’esprit multi-séculaire du « Fihavanana malagasy » entre les utilisateurs, nationaux, proches ou amis de Madagascar. Cet esprit noble, légué par nos ancêtres a, en effet, tendance à être galvaudé au fil des années, sinon délibérément dénaturé par des esprits sectaires de tous ordres généralement inféodés à des instances politiques sournoises. La grande réputation de « l’ile heureuse » de l’Océan Indien des années ’60 n’est plus qu’un lointain souvenir. Votre participation active servira utilement à contenir avec persévérance, sinon à renverser cette tendance malsaine, avec le temps, dans votre milieu de tous les jours. Visitez notre Blog « Carrefour de l’Océan Indien ». Bienvenue à bord, faites-vous plaisir et passez le mot autour!


Tonga soa!

Tonga soa eto amin’ity sehatra ity ry Malagasy havana! Sehatra izay antenaina fa hampitombo ny fahalalana sy ny ambaindain’ny Kolontsaina sy Fomba nolovaina tamin’ireo Razambe ka nentin’izy ireo nanorina sy nampanjaka ny « Fihavanana malagasy » malaza maneran-tany tao anatin’ny arivo taona mifandimby (mazàna tamin’ny alalan’ny fifanambadiana), saingy tandindomin-doza ankehitriny noho ilay antsoina hoe « fandrosoana » sy « fanatontoloana » tsy voahevitra tsara. Tsy tongatonga ho azy tokoa anefa izany fihavanana izany fa nifototra tamin’ny tantaran’ny niaviany sy ny maha-izy azy teo anivon’ny voahary rehetra. Alao hery àry, ry havana, ny fitandroana mandrakariva io lova sarobidy io eo amin’ny andavanandrom-piananao mba ho ela velona ianao! Tsara ho fantatra anefa fa endrika iray hisehoan’ny Fihavanana malagasy ny « Ziva« 

Jiosy ve ny Malagasy ?

Publié le Mis à jour le

Ny zavatra lazaina eto ankehitriny – vokatry ny fikarohana nandritry ny telopolo taona.- dia tiana ny manamarika fa miditra lalina sy mikasika ny Fototra izay mbola tsy noresahina firy hatramin’izao, dia ny hoe: Avy aiza ny teny hoe « Madagasikara« ? Iza ny « Malagasy » Maninona no « Teny » iray ihany no tenenina eto Madagasikara? Maninona no « sakafo fototra » iray ihany no hanina eto? Inona no atao hoe « fahagolantany« ? ary nahoana ny razamben’ny malagasy no atao hoe « gola » – izay fanalahidy famohana ny tantaran’ny firenena? Ary avy aiza ny fiavian’ny andriana merina?

TAON-JOBILY

Taon-jobily fanafahana isaky ny 50 taona. Ary faha-40 taona ny jobily fanafahana ny taona 2000 (50 x 40 = 2000 taona)

Ampahafantarina amintsika ankehitriny mazava ny zava-miafina amin’ny tantaran’ity firenena ity. Tantaran’i Madagasikara sy ny Malagasy vokatry ny fikarohana, nataon’ny Malagasy fa tsy vahiny. Marihina etoana fa famintinana izany fikarohana izany no holazaina manaraka eto.

Solomona, Mpanjaka jiosy (970-931) talohan’i J.K. izay feno fahendrena sy fahaizana, noho ny fahalalany fa Ofira eto Madagasikara, dia nandefa sambo maro taty haka volamena sy vatosoa ary hazomanitra sy tsara (II Tantara 9 :10-11) hanaovana ny lapan’Andriana sy Tempolin’i Jehovah tao Jerosalema. Efa arivo taona latsaka kely talohan’i J.K. no nahatongavan’ny Jiosy teto Madagasikara, izany hoe 3000 taona lasa izay !!!

AVY AIZA NY TENY HOE « MADAGASIKARA »?

Ho an’ireo Jiosy niaraka tamin’ny Fenisiana nalefan’ny Mpanjaka Salomona taty dia endrika « sarina trondro » no nahitany ity Nosy ity. Ary rehefa nandalo sy nivezivezy nanodidina ny Nosy izy ireo dia nanontany tena hoe « io ve ilay tany miendrika sarina trondro be sy ny valim-pitia, na valin-kasasarana »?

Amin’ny teny hebreo izany dia hoe: Ma (= Moa) + Daga (= Trondro be) + shakar (= valim-pitia, valin-kasasarana, karama), izay manazava sy manome ny hoe « Madagasikara ».

Iza ny « Malagasy »? Avy amin’ny teny hebreo taloha ny teny hoe « Malagasy » ary midika ho « Mpiantsambo » (Hb. = Malakh) izay « mamakivaky » ranomasina na « nandalo dia lasa » amin’ny sisin’ny morontsiraka na « mandalo dia tsy hita nanjavona » (Hb. = gaz) satria lasa niakatra sy nipetraka taty afovoany izy ireo. Tsy iza izany fa ireo Jiosy mpiantsambo niditra teto Madagasikara no atao hoe « Malagasy ».

MANINONA NO TENY IRAY IHANY NO TENENINA ETO MADAGASIKARA?

Iaraha-mahalala fa afaka mifankahazo resaka daholo ny mponina eto Madagasikara ary teny iray ihany no tenenina eto na dia misy aza ny fahasamihafana kely isam-paritra. Ny teny fototra eto Madagasikara dia avy amin’ny teny hebreo sy arameana ary akadiana taloha. Ohatra amin’izany ny efa voalaza teo, dia:  » Madagasikara » – « Malagasy ». Ireto misy ohatra hafa amin’izany, ny teny fototra aloha no lazaina mialoha, dia lazaina manaraka azy ny dikany amin’ny teny malagasy:

Al-ahad (Hb) = Alahady (Mlg)
Al-tsenaim (Hb) = Alatsinainy (Mlg)
Telat (Aramean) = Talata (Mlg)
Al-robia (Hb) = Alarobia (Mlg)
Al-kamis (Hb) = Alakamisy (Mlg)
Yomat (Hb) = Zoma (Mlg)
Sabat (Hb) = Sabotsy (Mlg)
Besaken (Hb) = Besakana (Mlg)
Asa (Hb) = Asa (Mlg)
Boul (Hb) = Voly (Mlg)
Das (Hb) = Man-jaka (Mlg)
Kabar (Hb) = Kabary (Mlg)
Jadon (Hb) = Jadona (Mlg)
Adan (Hb) = Mi-adana (Mlg)
Shoua (Hb) = Soa (Mlg)

Ohatra vitsivitsy amin’ny niavian’ny teny malagasy ireo voalaza ireo, fa raha isaina izy rehetra dia an-jatony maro. Isaky ny mijery ao anatin’ny Baiboly hebreo taloha ianao dia mahita teny niavian’ny teny malagasy.

MANINONA NO « SAKAFO FOTOTRA » IRAY IHANY NO HANIN’NY MALAGASY?

Na aiza na aiza eto Madagikara dia « vary » no foto-tsakafon’ny Malagasy.
Ny Jiosy taloha dia nihinana varim-bazaha karazany roa, dia ny « vary tritika » sy ny « vary ordea« . Ny teny hoe varim-bazaha » (blé) anefa dia « bar » na « var » no anarany amin’ny teny hebreo taloha. Noho izany, naverin’ny Malagasy ny anaran’ny foto-tsakafon’ny Jiosy taloha nony tonga teto Madagasikara izy ireo.

INONA NY « ZAVA-MANENO » MAMPIAVAKA NY MALAGASY?

Ny « valiha » no zava-maneno voalohany sy mampiavaka ny Malagasy ary iraisan’ny ankamaroan’ny foko malagasy na dia misy endriny isan-karazany aza eran’i Madagasikara.
Ary misongadina sy malaza amin’izany ny « valiha tory folo« . Ny zava-maneno izay notendren’ny Jiosy araka ny Baiboly hebreo taloha dia ny valiha, indrindra ny « valiha tory folo » (Salamo 33 : 2 na 144 : 9). Raha jerena ny zava-maneno notendren’i Davida Mpanjaka dia « nevel » ny fototeny, ary « nevalin » no anarany. Ny « valiha » malagasy izany no « nevalim » amin’ny Jiosy taloha.

Na ny teny jiosy, na ny teny malagasy mikasika ny « valiha « tory folo » dia samy efa nisy, na dia mbola tsy tongan’ny fivavahana kristiana teto Madagasikara. Ny teny hoe « nevalim » teo amin’y Jiosy dia efa 300 taona no nisiany raha kely indrindra, ary io no anisan’ny zava-maneno fototra teo amin’izy ireo, indrindra ny « nevali » tory folo ».

INONA NO ATAO HOE « FAHAGOLANTANY » ARY NAHOANA NY RAZAMBE NO ATAO HOE « GOLA »?

Teo amin’ny voambolana malagasy dia nampiasa ny teny hoe « fahagolantany » ny Malagasy ilazana ny tamin’ny « tanin’ny Gola ». Misy ifandraisany amin’ny teny hebreo taloha ‘Golah » ve ny teny hoe « gola » amin’ny teny malagasy?
Raha misy, ny Razamben’ny Malagasy « gola » dia tsy inona fa ireo Jiosy « babo » tany Babylona (teo amin’ny 577 – 539 talohan’ J.K.) nantsoina amin’ny anarana hoe « Golah« . Koa raha marina fa « Golah » ny razamben’ny malagasy dia tsy maintsy hita amin’ireo Boky roa izay mirakitra ny anaran’ireo taranaka niverina avy tany amin’ny Fahababoana, dia ny Bokin’i Ezra sy Nehemia. Ezra 2 : 37 sy Nehemia 7 : 40 no ahitana ny taranak’Imer, izay manazava foko roa eto Madagasikara, dia fokon’Imer nanome anaran-tany hoe « Imerina » sy nahatonga ny foko « Merina », Jiosy avy any Indonezia; ny faharoa dia ny foko An-te-Imor (= Vahoaka Imor), Jiosy avy any Arabia – Afrika, nanome ny « Antemoro« .

ARY AVY AIZA NY FIAVIAN’NY « ANDRIANA MERINA »?

Io teny « Golah » io no manazava fa ny taranaka lehibe indrindra lasa tany am-pahababoana tany Babylona tamin’ny andron’i Nebokadnezara dia ny taranak’i « JODA« , izay « taranaka andriana » teo amin’ny Jiosy. Nandeha sambo izy ireo sy ny mpanara-dia azy, ka tonga teto Madagasikara. Nisy ny niditra teo amin’ny seranan’iShet (Hb = Maroz-Shet), na Maroantsetra amin’ny teny malagasy, avy eo vao tonga teto amin’ny faritr’Antananarivo sy ny manodidina. Ireo « taranaka Andriana jiosy«  ireo no nahatonga ny « Andriana Merina« .

Ohatra amin’izy ireo, ary anisan’ny lehibe indrindra dia Andrianampoinimerina: « Imboasalama » no anarany taloha, izay teny hebreo taloha midika hoe Im (= miaraka) + Beu (= anatiny) + Shalaim (= fiadanana) na « miaraka ao anatin’ny fiadanana« , izay nipetraka tao Besakana (Hb. Besakana = ao anaty trano fitoerana).

Ary rehefa tonga teto izy ireo dia namerina ny anarana (olona, tany, rano, toerana,…) sy ny fomba amam-panao (fahaterahana, fitaizana,, famorana, fanambadiana, fiainana an-davanandro, fety, fahafatesana,…) ary ny fomba fitondram-panjakana tany Israely dia « ny andriana no manjaka sy mitondra ny tany sy ny fanjakana« .

FAMARANANA

Arak’izany tantara izany, dia tsy taranaka voahozona akory ny Malagasy fa taranaka voafidin’Andriamanitra. Ary ny Andriana merina dia taranaka mpanjaka jiosy, taranak’i Joda, niaraka tamin’ny taranaka Levita mpisorona izay nanao ny Fisoronana tao amin’ny Tempolin’i Jerosalema. Tsy mahagaga raha feno toeram-pisoronana teto am-povoantany.

Antananarivo no tanàna naorina ahatsiarovana an’i Jerosalema, ka nahatonga azy nodidinina tendrombohitra roa ambinifolo tahaka an’i Jerosalema, ary mifono zavatra lalina ny Vohitra Masina roa ambiny folo, isan’ny Zanak’Israely. Marihina eto am-pamaranana fa samy ahitana ireo foko roa ambiny folo ireo eto Madagasikara ary tokony samy mandray andraikitra eo amin’ny toerana nametrahan’Andriamanitra azy ara-tantara ny tsirairay mba hisian’ny Fitahiana eo amin’ny Firenena.

RATEFY Tolotra, Mpitandrina
Antananarivo, Mey 2000

Naoty:
Ratefy Tolotra dia Mpitandrina, nandalina Teolojia, Hebreo, Arameana sy Akadiana tany amin’ny Oniversiten’i Münster, ary ny Fitsaboana Alemana.
Nanao fikarohana mitondra ny lohateny hoe « Sind die Madagassen Jüden. » midika hoe: « Jiosy ve ny Malagasy »? Jereo ny Famelabelarana nataony (vidéo: 01:00:32)

Tsara fantarina koa ny mikasika ny Fiombonamben’ny Taranaka Andriana Miray eto Madagasikara na TAMIMA, sy ny « Tantara miafin’i Madagasikara ».