Justin Rajoro
Justin Rajoro: « sambatra loatra ny ray aman-dreny »
Hira tsy tontan’ny ela, noforonin’i Justin Rajoroarivony (na Justin Rajoro)
Justin RAJORO: Artiste, écrivain, Auteur-Compositeur

Ny tenany no mety tsy fantatrareo fa ny hirany mbola hirainareo foana hatramin’izao. Justin RAJORO no namorona an’ilay « Miesora moa » sy « Sompanga an-tendrokazo » naverin’i Rolf & Imiangaly malaza be iny. “Tsofiko rano” (Naverin’i Rossy) – “Ilay takariva kely” (nataon’i Sakelidalana), “Tsy misy tsy ho diso”, “Arahaban’Andriana”,
… ireo ny hira tena nahafantaran’ny tanora azy taty aoriana. Hatramin’izay dia efa nisy foana koa ireo tarika namelona ny hirany toy ny ATAUM, SOLIKA, R’IMBOSA ary ankehitriny mbola maro ny tarika tanora mamerina ny sangan’asany.
Auteur dramatique, compositeur de musique Bagasy, acteur ary directeur de troupe. Izy no namorona ny tropy mpanao teatra Malagasy voalohany teto Madagasikara niaraka tamin’i Naka RABEMANANTSOA tamin’ny 1911 ka KINTANA TELONOHOREFY no natao anaran’ny troupe tamin’izany izay nanao fitetezam-paritra nanerana an’i Madagasikara.
10 Taona izy dia efa nahay nitendry valiha. Nandalina mozika sy ny solfège tao amin’ny Ecole Professionnelle tao Ambohijatovo Atsimo. Mpiasampanjakana teo amin’ny sehatry ny Fitsarana RAJORO saingy nanapakevitra ny hivelona tanteraka amin’ny mozika sy ny fanaovana teatra nanomboka ny taona 1921. Isan’ireo pianiste virtuose, ny piano rahateo ny zavamaneno fitendry an-tsehatra
Na dia nanambady in-2 aza izy dia tsy nety nanana taranaka satria ANDRIANKOLA Michel, zanany tamin’i RAMAVO izay vadiny voalohany dia tsy azo. Ny vadiny faha-2 kosa dia ramatoa RAVAO izay mpilalao fototra tao anaton’io tarika notarihiny io ihany saingy tsy niterahany ihany koa. Izany hoe tsy namela taranaka mivantana izany Justin RAJORO.
Manana ny mariboninahitra OFFICIER D’ACADEMIE izy noho ny asa vitany teo amin’ny tontolon’ny hira sy teatra Malagasy.
Misy ihany koa ny arabe nampitondraina ny anaran’i Justin RAJORO, dia ilay Làlana eo ambonin’ny vavahadin’ny INSCAE (Ambatobevanja-Andohalo), ka mipoitra etsy amin’ny Katedraly Katolika Andohalo.
© Andriamanjaka Doda
Malagasy ve ianao, zarao ho an’ny hafa rehefa avy novakianao
« Arahaban’Andriana »: Tarika SOLIKA (A/C: Justin RAJORO)
Hiran’ny Tonga Vahiny iangalian’ny Tarika malaza teny Ankatso, dia ny Tarika Solika, ary noforonon’ny Mpanakanto tamin’ny lafiny maro ihany koa, dia i Justin RAJORO izany.