karana
Ngetroka karana nalaina an-keriny tao amin’ny Saint-Michel
Fantatra araka ny vaovao voaray alina fa novotsorana tokony ho tany amin’ny 8 ora tany ho any ilay teratany karana Rafik Jaffaraly, tompon’ny Conforama nisy naka an-keriny tamin’ny faha-11 Aogositra lasa teo. Hatreo ihany anefa ny vaovao fantatra fa tsy misy ny antsipiriany. Tsy fantatra araka izany na nisy ny vola naloa na ahoana ary ohatrinona izany.
Tao anatin’ny folo andro tsy nahitana an’ity olona ity dia maro ny siosion-resaka re tetsy sy teroa mikasika iny fangalana an-keriny iny. Re, araka ny resaka izany, fa toa mahatratra hatrany amin’ny 3 miliara ariary any ho any ny vola notakian’ireo olon-dratsy. Lire la suite »